Pentateoka
Pentateoka, Boky dimin' i Mosesy na Boky dimin' i Môizy no iantsoana ny fitambaran' ireo boky dimy voalohany ao amin' ny Baiboly, izany hoe ao amin' ny Testamenta Taloha. Ny fizaràna hafa manampy an' io ao amin' ny Testamenta Taloha dia ireo Boky ara-tantara sy ireo Bokim-pahendrena ary ireo Bokin' ny Mpaminany. Marihina fa ny Kristiana no mampizara efatra ny Testamenta Taloha arak' izany. Ny Pentateoka no ataon' ny Jiosy amin' ny teny hebreo hoe Torah ("lalàna").
Fiforonan-teny
hanovaAvy aminin' ny teny grika hoe πεντάτευχος / pentateukhos / ny hoe pentateoka. Amin' ny teny latina izy dia atao hoe pentateuchus. Izany dia entina manondro ilay ataon' ny Jiosy hoe "ny Dimy ampahadimin' ny Torah". Ny hoe "Boky dimin' i Mosesy" dia andian-teny nandikana ny teny hebreo izay midika ara-bakiteny hoe "dimy ampahadimin' ny Lalàna". Atao hoe koa "Lalàn' i Mosesy" na "Lalàn' i Moizy" io fitambaram-boky io. Izany dia fandikana ny teny hebreo hoe "Tōraṯ Mōshe".
Ny boky ao amin' ny Pentateoka
hanovaIreto avy ireo boky ao amin' ny Pentateoka: ny Genesisy na Jenezy, ny Eksodosy na Eksaody, ny Levitikosy na Levitika, ny Nomery, ary ny Deoterônômia na Deoterônômy.
Ny Bokin' ny Genesisy na Jenezy
hanovaMitantara ny famoronan' Andriamanitra izao rehetra izao sy ny olombelona voalohany ny Bokin' ny Genesisy (na Jenezy na Genesý). Mitantara ny amin' ny safodrano lehibe tamin' ny andron' i Nôa izay vokatry ny fahotana nataon' ny taranak' ireo olombelona ireo ilay boky. Tantarainy koa ny amin' ny nampanjarian' Andriamanitra ny fitenin' ny olombelona ho maro tamin' ny nanamboaran' izy ireo ny Tilikambon' i Babela. Miresaka momba ireo Raiben' ny Israely (Patriarka) toa an' i Abrahama sy i Isaka sy i Jakoba ary i Josefa koa io boky io.
Ny Bokin' ny Eksodosy na Eksaody
hanovaMitantara ny fanafahana ireo Hebreo (na Hebrio) avy any Ejipta (na Egipta) sy ny fivezivezeny tany amin' ny tany efitra hatrany amin' ny tendrombohitra Sinay ny Bokin' ny Eksodosy (na Eksaody). Maneho ny fisian' ilay Andriamanitra mpanafaka io boky io.
Ny Bokin' ny Levitikosy na Levitika
hanovaMiresaka sy mitantara ny amin' ny fanompoam-pivavahan' ny Israelita izay nankinina tamin' ny fokon' i Levy ny Bokin' ny Levitikosy (na Levitika).
Ny Bokin' ny Nomery na Fanisana
hanovaManohy ny tantara ao amin' ny Bokin' ny Eksodosy momba ny dian' ny Israelita namakivaky ny tany efitr' i Sinay notarihin' i Mosesy (na Môizy) hatrany amin' ny lemak' i Môaba, tsy lavitra ny tany Kanaana ny Bokin' ny Nomery na Bokin' ny Fanisana.
Ny Bokin' ny Deoterônômia na Deoterônômy
hanovaManantitra ny momba ny lalàna sy ny tsy maintsy hanajana izany araka ny efa voalaza rahateo ao amin' ireo bokin-dalàna telo voalohany (Eksodosy, Levitikosy, Nomery) ny Bokin' ny Deoterônômia (na Deoterônômy).
Fanoratana ny Pentateoka
hanovaNy Pentateoka dia fanangonan-dahatsoratra nataon' ny mpanoratra jiosy manodidina ny vanimpotoan' ny fahababoana tany Babilôna (taona 588 hatramin' ny taona 538 tal. J.K.[1]) sy taorian' izany[2]. Ny famoahana izany literatiora tsy namafa ny fahasamihafan' ny safidy teôlôjikan' ny mpanoratra izany, dia midika fametrahana lasitra maneho ny maha-izy ny jodaisma vao misandratra, sady fiatrehana ireo fiovana ara-pôlitika sy ara-toekarena ary ara-pivavahana nifanehatra amin' ny jodaisma[3].
Hatramin' ny faramparan' ireo taona 1990 sy nandritra ireo taona 2000 dia naroson' ny mpikaroka ny fiheverana fa ny votoatin' ny lahatsoratry ny Pentateoka sy ireo boky izay manaraka azy toy ny Bokin' i Jôsoa (na Jôsoe) na ny Bokin' ny Mpitsara, dia azo antoka fa nangonina tamin' ny vanimpotoana persiana, izany hoe teo anelanelan' ny taonjato faha-5 sy faha-4 tal. J.K.[4] na raha aloha indrindra dia teo anelanelan' ny taonjato faha-7 sy faha-6 tal. J.K.[5].
Jereo koa
hanovaFanasokajiana ny boky ao amin' ny Tanakh (Baiboly jiosy):
Fanasokajiana ny boky ao amin' ny Testamenta Taloha (kristiana):
- Pentateoka na Boky dimin' i Mosesy
Petra-kevitra:
Loharano sy fanamarihana
hanova- ↑ Rainer Albertz, Israel in exile: the history and literature of the sixth century BCE, p.xxi.
- ↑ Thomas Römer, Introduction à l'Ancien Testament, Labor et Fides, 2009, p. 150-153.
- ↑ Félix García López, Comment lire le Pentateuque, Labor et Fides, 2005, p. 9
- ↑ Christophe Nihan et Thomas Römer, Introduction à l'AT, p. 179, 182
- ↑ La filature d’un théologien suisse pour connaître l’origine de Dieu Archived Septambra 4, 2017 at the Wayback Machine [tahiry], entretien Thomas Römer, letemps.ch, 27 mars 2014