Indiana (vahoaka)

(tonga teto avy amin'ny Vahoaka ao India)

Ny Indiana dia ny olom-pirenen' i India, na inona na inona foko niaviany, sy ny teratany indiana rehetra na aiza na aiza firenena misy azy. Tamin' ny taona 2018 dia laharana faharoa maneran-tany ny mponina indiana raha ny isany no heverina (17,50 % amin' ny mponina maneran-tany). Mifanefi-tany amin' ny Pakistaney sy ny Sinoa sy ny Bangladey sy ny Birmàna sy ny Nepaley ary ny Botaney ny Indiana. Ny Indiana dia mitsinjara ho vondrom-poko ara-piteny lehibe miisa roa ambin' ny folo. Noho ny fifindrà-monina dia betsaka ny Indiana am-pielezana manerana an' izao tontolo izao, indrindra any Azia, any Amerika Avaratra, any Eorôpa, any Karaiba, any Ôseania ary aty Afrika. Talohan' ny fivakisan' i India ho firenena maro (India sy Pakistàna ary Bangladesy) tamin' ny taona 1947 dia nanondroana ny mponina tao amin' ireo firenena ireo ny hoe Indiana. Antsoina hoe Indô-pakistaney ireo Indiana sy Pakistaney am-pielezana rehefa tsy fantatra na tsy tiana ho fantatra ny tena firenena niaviany.

Mpandihy nentim-paharazana indiana

Kolontsaina

hanova

Fiteny

hanova

Maro dia maro sady ao amin' ny fianakaviam-piteny maro samihafa ny fiteny any India. Nahitana fiteny miisa 270 ny fanisana natao tamin' ny taona 2011, ka ny 122 dia fiteny lehibe (be mpampiasa). Ny 77 % amin' ny vahoaka indiana dia miteny fiteny indô-ariana (ka ny be mpiteny indrindra dia ny fiteny hindy izay fiteny nibeazan' ny olona miisa 422 tapitrisa, izany hoe 41 % amin' ny mponina), ny 20 % amin' ny mponina no miteny amin' ny fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny dravidiana. Ny fianakaviam-piteny hafa hita ao India dia ny fiteny aostrôaziatika, ny fiteny sinô-tibetana, ny fiteny tai-kaday, ary fiteny manirery vitsivitsy. Ny fiteny anglisy dia fiteny voalohany na faharoa safidin' ny 12 %n' ny mponina.

Ny fiteny indô-ariana

hanova

Olona 360 tapitrisa no manana ny fiteny hindỳ ho fitenin-dreny ka any avaratr' i India no misy ny ankabeazan' ny mpiteny azy io. Misy miteny bengaly (izay fiteny any Bangladesy) ny any India atsinanana, indrindra any amin' ny faritanin' i Bengal Andrefana (India) sy any Tripura. Fitenin' ny olona miisa 75 tapitrisa any ho any India ny fiteny maraty, indrindra ao amin' ny fanjakan' i Maharashtra sy Goa. Anisan' ny fiteny indô-ariana be mpapiasa ao India koa ny fiteny gojaraty sy ny fiteny ôdià (na ôrià) ary ny fiteny penjaby. Ny fiteny gojaraty no fitenin' ny mponina ao Gujarat, izay ampiasain' ny olona miisa 46 tapitrisa any India sy maneran-tany.

Ny fiteny dravidiana

hanova

Fitenin' ny olona miisa 70 tapitrisa any ho any ny fiteny telogo, izay tenenina indrindra any amin' ny faritra Andhra Pradesh. Ampiasaina koa izy io any amin' ny faritra Karnataka sy Maharashtra ary Odissa (na Orissa). Fiteny ôfisialin' i Tamil Nadu sy ny tananan' i Pondichery ary Karîkâl ny fiteny tamily. Anisan' ny fiteny dravidiana be mpiteny hafa koa ny fiteny kanada sy ny fiteny malaialama. Fiteny any amin' ny tapany atsimon' i India ny fiteny kanada, any Karnataka, ampiasain' ny olona miisa 45 tapitrisa any ho any.

Fiteny aostrôaziatika

Heverina ho fitenin' ny tompon-tany any amin' ny tapany atsinanan' i India ny fiteny aostrôaziatika sasany. Miisa 10 tapitrisa ny mpiteny aostrôaziatika any India, ka 6 tapitrisa ny mpiteny sinô-tibetàna, izany hoe 3 % amin' ny mponina. Anisan' ny fiteny aostrôneziana ny fiteny kasỳ (khasi) sy ny fiteny monda (munda) ary ny fiteny santalỳ (santali).

Fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny hafa

hanova

dia fianakaviam-piteny any Azia Atsinanana sy Azia Atsimo-Atsinanana sy Azia Afovoany ary Azia Atsimo. Ny fiteny tai-kaday izay ao amin' ny fiteny sinô-tibetana, dia ampiasaina koa ao India. Ampiasaina any amin' ny vondro-nosy Andamàna ny fiteny andamaney izay vondrom-piteny ao atsimo-atsinanan' i India tenenin' ny tompon-tany Andamaney.

Fivavahana

hanova

Fivavahana darmika

hanova

Ny hindoisma, izay sady fivavahana no filôzôfia, izay manambatra karazana finoana sy fanao avy amin' ny fivavahana samihafa (sinkretisma), dia arahin' ny Indiana miisa 966 tapitrisa tamin' ny taona 2011, ka 79,9 % amin' ny mponina izany[1]. Indiana miisa 8,4 tapitrisa (0,7 %) no manaraka ny bodisma, izay fitambarana fanao misandrahaka ahitana fandinihana lalina, vavaka, fanatitra, fitandremana ara-pitondrantena ary fiheverana ara-pilôzôfia, izay azo heverina ho fivavahana tsy manana andriamanitra mpamorona. Mpino miisa 4,4 tapitrisa (0,4 %) no manaraka ny jainisma, izay fivavahana mandala ny fisainanana tsy misy herisetra (ahimsa) sady mampianatra fa mifampiakina ny zavamananaina rehetra ka tokony hifanampy. Indiana miisa 20,8 tapitrisa (1,7 %) no manaraka ny sikisma izay mampianatra ny maha tokana an' Andriamanitra tsy manam-petra sy mandrakizay ary mpamorona.

Fivavahana abrahamika

hanova

Mpino miisa 172 tapitrisa (14,2 %) no manaraka ny fivavahana silamo ao India ka firenena laharana fahatelo izy amin' izany ao aorian' i Indônezia sy i Pakistàna[2]. Misy Kristana miisa 27,8 tapitrisa (2,3 %) ny ao India[2], ka hita ao ny katôlisisma, ny kristianisma ôrtôdôksa, ny prôtestantisma, ny batisma ary ny fiangonana tatsinanana samihafa. Ankehitriny dia miisa 61 000 ny Zôrôastriana parsy ao India. Efa tany amin' ny Andro Taloha no nahitana Jiosy mpifindra monina tany India ka anisan' ny fivavahana avy ivelany niditra tao India ny jodaisma izay ahitana mpino latsaky ny 20 000.

Jereo koa

hanova

Loharano sy fanamarihana

hanova
  1. Laurent Marchand, « Inde : 966 Millions d'Hindous, 172 M de Musulman, 27 M de Chrétiens » [tahiry], sur Ouest-France, 1er septembre 2015 (consulté le 28 janvier 2016).
  2. 2,0 et 2,1 Laurent Marchand, « Inde : 966 Millions d'Hindous, 172 M de Musulman, 27 M de Chrétiens » [tahiry], sur Ouest-France, 1er septembre 2015 (consulté le 28 janvier 2016).