Zoma
Ny Zoma dia andro fahadimy ao amin' ny herinandro raha ny Alatsinainy no andro voalohany, fa andro fahenina kosa raha ny Alahady no andro voalohany. Amin' ny Malagasy mandala ny fomban-drazana dia andro faharoa ny Zoma raha andro voalohany ao amin' ny herinandro ny Alakamisy. Ny andro hafa amin' ny herinandro dia ny Alatsinainy, Talata, Alarobia, Alakamisy, Asabotsy, ary Alahady. Ny fenitra ISO 8601 dia manondro ny Zoma amin' ny isa 5.
Amin' ny kolontsaina taloha sasany dia andro nanompoana manokana andriamanibavy ny andro Zoma, anisan' ireo andriamanibavy ireo i Venosy sy i Afrôdita. Manana ny lanjany hafa io andro io ao amin' ny kolontsain' ny firenena sy ny fivavahana ankehitriny: ny andro Zoma no andro fankanesan' ny Mozilmana any amin' ny môskea.
Any amin' ny ankamaroan' ny firenena tandrefana, ny Zoma no andro fahadimy sy farany amin' ny herinandro fiasana. Any amin’ ny firenena sasany, ny Zoma no andro voalohany andro mamarana ny herinandro, ary ny Asabotsy no andro faharoa. Ao Israely, ny Zoma no andro fahenina amin' ny herinandro. Any Iràna, ny Zoma no andro farany amin' ny andro mamarana ny herinandro, ary ny Asabotsy no andro voalohany amin' ny herinandro fiasana. Nanaraka an' io fifanarahana io koa i Bareina, ny Emirata Arabo Mitambatra, i Arabia Saodita ary Kôety mandra-piovany hanao ny andro farany amin' ny herinandro ho Zoma–Sabotsy tamin’ ny 1 Septambra 2006, tany Bareina sy tao amin' ny Emirata Arabo Mitambatra, ary herintaona tatỳ aoriana tany Kôety. Nanova ny andro farany amin' ny herinandro ny Emiràta Arabo Mitambatra avy amin' ny Zoma–Sabotsy mankamin' ny Asabotsy–Alahady tamin'ny 1 janoary 2022.
Ny teny hoe Zoma sy ny mitovy aminy amin' ny fiteny hafa
hanovaNy Zoma ao amin' ny fiteny rômana
hanovaNy teny anondroana amin' ny fiteny rômana maro (nipoitra avy amin' ny fiteny latina) dia dia avy amin' ny teny latina Veneris dies, midika hoe "andron' i Venosy" sady fandikana ny andian-teny grika hoe Ἀφροδίτης Ἡμέρα / Aphrodī́tēs hēméra, ny anarana latina hoe Venus amin' ny endrika tompon-javatra amin' ny teny latina dia Veneris. I Venosy dia anaran' ny andriamanibavy rômana, izay atao hoe Afrôdita (Ἀφροδίτη / Aphrodítē) ao amin' ny fedrà grika.
Ny teny frantsay dia manao hoe vendredi. Ny firenena rômana sasany dia mampiasa tamba-teny mifototra amin' ny filaharan' ny teny mifamadika amin' izany diem Veneris, izay voamarina amin' ny teny frantsay taloha sy ny fiteny valôna taloha amin' ny endrika dindres. Ny fiteny ôksitana dia mitazona ny endrika divendres (na endrika fitenim-paritra hafa mihitsy aza, ankoatra ny endrika ankapobeny, fiteny vivarô-alpina lo vèndres, fiteny prôvensaly vendres), fiteny katalàna divendres (viernes amin' ny teny espaniôla).
Ny Zoma koa dia atao hoe venres amin' ny teny galisiana, vennari amin' ny teny kôrsika (na kôrsa), venerdì amin' ny teny italiana, vineri amin' ny teny romaniana, and viernes amin' ny teny espaniôla izay namboarin' ny fiteny filipinô hoe biyernes na byernes, sy ny fiteny samôrô hoe betnes. Hita taratra ihany koa izany amin' ny fiteny galoà (ao amin' ny fiteny galô-britônika) hoe Gwener.
Ny teny pôrtogey dia tena miavaka amin' ny fiteny rômana hafa amin' ny fampiasana teny manokana sexta-feira (avy amin' ny teny latina hoe feria sexta, izay midika hoe "andro fahenina"). Ny teny sardiniana na sarda dia manao ny Zoma hoe chenàpura izay avy amin' ny teny latina hoe cena pura., teny nampiasain' ny Jiosy tao amin' ny nosy Sardinia (na Sardagne) hilazana ny sakafo ataony hiomanana amin' ny Sabata.
Ny Zoma ao amin' ny fiteny jermanika
hanovaAny amin' ny firenena miteny jermanika dia andron' ny andriamanibavy Freyja, Frigg, Frîja, Frea, izay mitovy amin' ny andriamanibavy Venosy (Venus). Ny teny anglisy hoe Friday dia avy amin' ny teny anglisy taloha frīġedæġ, midika hoe "andron' i Frig", vokatry ny fivoriambe taloha nampifandray ny andriamanibavy nôrdika Frigg amin' ny andriamanibavy rômana Venus, izay mifandray amin' ny andro ao amin' ny kolontsaina maro. Mitovy amin' izany koa ny Friatag amin' ny teny alemana taloha, Freitag amin' ny teny alemàna môderina, ary vrijdag amin' ny teny neerlandey.
Ny teny hoe friggjar-dagr no teny andrasana hilazana ny Zoma amin' ny fiteny islandey taloha, nefa ny anaran' ny Zoma amin' ny fiteny islandey taloha dia frjá-dagr, manambara teny indrana avy amin' ny fiteny alemàna ambany izany; fríggjadagur anefa ny anarana amin' ny teny farôiana môderina.
Ny teny skandinaviana môderina dia fredag amin' ny fiteny soedoà sy nôrveziana ary danoà, izay midika hoe "andron' i Freyja". Ny fanavahana an' i Freyja sy i Frigg amin' ny fedrà jermanika sasany dia iadian-kevitra.
Ny Zoma ao amin' ny fiteny slava
hanovaNy ankamaroan' ny fiteny slava dia miantso ny Zoma hoe teny midika hoe "andro fahadimy": amin' ny fiteny bielôrosiana dia пятніца / pyatnitsa, amin' ny fiteny bolgariana dia петък / petŭk, amin' ny fiteny tseky dia pátek, amin' ny fiteny pôlôney dia piątek, amin' ny fiteny rosiana dia пятница / pyatnitsa, amin' ny fiteny serbô-krôatiana dia петак / petak, amin' ny fiteny slôvaka dia piato k, amin' ny fiteny slôveniana dia petek ary amin' ny fiteny okrainiana dia п'ятниця / p'yatnitsya.
Ny teny hôngroà péntek dia indran-teny avy amin' ny fiteny panôniana (fiteny slava). Ny n ao amin' ny teny hoe péntek dia maneho ny fandraisana tany am-boalohany avy amin' ny fiteny slava, raha mbola misy zanapeo kentsona ny tenim-paritra slava maro. Amin' ny fiteny slava ankehitriny dia ny fiteny pôlôney ihany no mitazona zanapeo kentsona.
Ny Zoma ao amin' ny fiteny ao Afovoany Akaiky sy ny nindrana aminy
hanovaAmin' ny teny arabo, ny Zoma dia الجمعة / al-jumʿah, avy amin' ny fototeny midika hoe "fiangonana" na "fivoriana". Amin' ny fitenin' ny firenena silamo ivelan' ny Tontolo Arabo, ny teny ilaaana ny Zoma dia matetika avy amin' io teny arabo io: Jumaat (any Malezia) na Jumat (any Indônezia) amin' ny fiteny malay, cuma amin' ny fiteny tiorka, جمعه / jumʿa amin' ny fiteny persiana sy ordo ary Ijumaa amin' ny fiteny soahily. Ny teny malagasy hoe Zoma na Azoma na Joma dia avy amin' ny teny arabo ihany koa.
Amin' ny fiteny hebreo (hebreon' ny Baiboly sy vaovao), ny Zoma dia יום שישי / Yom Shishi midika hoe "andro fahenina".
Ny Zoma ao amin' ny fiteny indiana
hanovaAmin' ny ankamaroan' ny fiteny indiana, ny Zoma dia atao hoe Shukravāra, andro natokana ho an' i Shukra, ny planeta Venosy. Amin' ny fiteny bengaly dia শুক্রবার na Shukrobar no andro faha-6 amin' ny herinandro bengaly ao amin' ny tetiandro bengaly ary andro voalohany amin' ny faran' ny herinandro ao Bangladesy. Amin' ny fiteny tamily ny Zoma dia atao hoe velli, anaran' i Venosy ihany koa; ary amin' ny fiteny malaialama dia velliyalca.
Ny Zoma ao amin' ny fiteny hafa
hanovaAmin' ny fiteny japôney, 金曜日 (きんようび / kinyōbi) dia niforona avy amin' ny teny 金星 (きんせい, kinsei) midika hoe Venosy (ara-bakiteny: "volamena + planeta") sy 曜日 (ようび / yōbi) midika hoe "andro (ao amin' ny herinandro)").
Amin' ny fiteny kôreana ny Zoma dia 금요일 / geumyoil (amin' ny soratra koreana Hangul), sady endrika anononana ny teny voasoratra hoe 金曜日 amin' ny tarehin-tsoratra sinoa, toy ny amin' ny fiteny japôney.
Amin' ny fiteny nahoatla, ny Zoma dia atao hoe quetzalcōātōnal (vakina hoe [ket͡saɬkoːaːˈtoːnaɬ]) sady midika ara-bakiteny hoe "andron' i Quetzalcoatl" (i Quetzalcoatl dia andriamanitra azteka).
Ny Zoma eo amin' ny kolontsaina
hanovaNy andro Zoma eo amin' ny kolontsaina malagasy
hanovaAndro faharoa ny Zoma teo amin' ny Ntaolo malagasy raha andro voalohany ny Alakamisy. Andro mainty ny Zoma ka mety amin' ny fandevenana, toy ny Alatsinainy. Atao hoe "Zoma manantena" ny andro Zoma[1]. Indreto misy ohabolana momba ny andro Zoma:
- Ny akoho no tsy nanidina: tsy nahandry ny andro Zoma.
- Ny Alakamisy an' Andriamanelo, ary ny Zoma an' Andriamananitany; ataoko fanjakana arindra.
- Zoma tsy hendry, ka Asabotsy vao fiharatra.
Jereo koa
hanovaLoharano sy fanamarihana
hanova- ↑ "Zoma", Régis Rajemisa Raolison, Rakibolana malagasy, 1985.