Aller au contenu

Sarangam-poko merina: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Namafa soratra tsy ilaina
 
Andalana faha-88: Andalana faha-88:
Misy karazany telo ny antony aha lasa andevo tao Imerina:
Misy karazany telo ny antony aha lasa andevo tao Imerina:


* ny andriana na hova very fahafahana noho ny heloka na ny trosa (ka atao hoe zazahova). Azo atao andevo ny Hova dia noho ny heloka na ny trosa tsy voaloany, ary amin' izany toe-javatra izany dia tsy hatao hoe ''andevo'' ny fiantsoana azy fa atao hoe ''[[zazahova]]''.
* ny andriana na hova very fahafahana noho ny heloka na ny trosa tsy voaloany, ary amin' izany toe-javatra izany dia tsy hatao hoe ''andevo'' ny fiantsoana azy fa atao hoe ''[[zazahova]]''.
* ny babo an’ ady;
* ny babo an’ ady;
* ary ny andevo vahiny ([[Makoa (malagasy)|Makoa]] na Masombika)
* ary ny andevo vahiny ([[Makoa (malagasy)|Makoa]] na Masombika)

Endrika tamin'ity 18 Septambra 2024 à 12:22 ity

Ny sarangam-poko merina tao amin' ny Fanjakana Merina dia nisy efatra lehibe, dia ny Andriana, ny Hova, ny Mainty ary ny Mpanompo (na Andevo). Amin' izao fotoana izao dia mbola misy ny Merina atao hoe Andriana (na taranak' andriana) sy Hova (na taranaka hova) ry Mainty ao Antananarivo sy ny tanàna manodidina. Tsy misy intsony ny Andevo.

Ny Andriana

[hanova | hanova ny fango]

Ny Andriana dia sarangan' olona farany ambony tao amin' ny Fanjakana Merina. Nisy ny sokajin' andriana sy ny sokajin' ny havan' andriana.

Sokajin' Andriana

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' Andriamasinavalona dia toy izao ny firafitry ny sokajin' andriana fito, izay natao mba hisorohana ny ady fanjakana eo amin' ny taranaka, ka toy izao ny filaharany avy amin' ny ambony indrindra hatrany ambany:

  • ny Zanakandriana,
  • ny Zazamarolahy,
  • ny Andriamasinavalona,
  • ny Andriantompokoindrindra,
  • ny Andrianamboninolona,
  • ny Andriandranando,
  • ary ny Zanadralambo amin' Andrianjaka sy Zanadralambo.

Ny Zanakandriana

[hanova | hanova ny fango]

Ny Zanakandriana, dia ireo andriana azo asandratra ho mpanjaka (ny Andriantompokoindrindra sy ny taranak' Andrianjaka ary ny Andriandoriamanjaka). Saika zanaka nateraky ny mpanjaka sy ny mpiray tampo amin' ny mpanjaka izy ireo, ary ireo andriana tian' ny mpanjaka hosokajiana ho zanakandriana na noho ny hafa-drazana toy ny momba ny Andriandoriamanjaka. Marihina fa ny Zanakandriana dia mahazo manjaka, saingy maro amin' izy ireny no tsy hasandratra ho mpanjaka mihitsy noho ny antony maro, toy ny lalàna mifehy ny fifandimbiasana teo amin' ny fanjakana na noho ny fifandanjan-kery ka lasa anaram-boninahitra fotsiny sisa ny maha mahazo manjaka azy ireny. Ohatra amin' izany, ny tera-dRadama I sy Rasalimo, na dia Zanakandriana aza dia tsy nahazo nanjaka satria ny lalam-pifandimbiasana teo amin' ny fanjakan'andriana merina dia milaza fa tsy maintsy Merina ray sy reny vao mahazo manjaka. Toy izany koa, Andrianampoinimerina dia nilaza fa tsy maintsy ny tarana-dRangory sy Ralesoka no manjaka, koa ireo zanak' andriana tsy tafiditra amin' izany dia tsy hanjaka mihintsy. Tato aoriana dia nantsoina koa hoe "Printsy" na "Prentsesy" ny Zanakandriana.

Ny Zazamarolahy

[hanova | hanova ny fango]

Ny Zazamarolahy, dia ireo taranak' izy efa-dahy nanjaka teo Antananarivo, Ambohidrabiby, Ambohidratrimo ary Ambohimanga, izy efa-dahy zanaky ny mpanjaka Andriamasinavalona. Tamin' ny andron' Andrianampoinimerina sy ireo mpanjaka nandimby azy dia nampidirina ho isan' ny Zazamarolahy koa ny sasany tamin' ireo andriana tamin'ny foko hafa, toa ny andriana tany Imamo izay nantsoina hoe "Marolahin' Imamo" sy ny zanaky ny mpanjaka sasany tao Andratsay. Ny Zazamarolahy dia sady azo ampiakarina ho Zanakandriana no azo ampidinina koa ho "Andriamasinavalona".

Ny Andriamasinavalona

[hanova | hanova ny fango]

Ny Andriamasinavalona dia anasokajiana ireo taranaky ny mpanjaka Andrianjaka, izay tsy voasokajy ho Zanakandriana na Zazamarolahy, isan' izany ny Zanadranavalona ao Anosimanjaka. Maro koa ny Zanakandriana sy Zazamarolahy no natao ho Andriamasinavalona. Ary misy koa ny "Zanadralambo amin' Andrianjaka" toy ny avy amin'ny terak' Antsomangy no natao ho Andriamasinavalona. Maro koa ny foko hafa no natao ho isan' ny Andriamasinavalona toa ny terak'Andriamborona sy Ampanarifito izay Andrian' Imamo ary ny taranak' izy Antemoro-Anakara telo lahy izay nanolotsaina ny mpanjaka Andrianampoinimerina. Misy amin' ireny tsy taranaky ny mpanjaka Andrianjaka ireny izay nakarina ho Andriamasinavalona anefa no tsy mahazo "trano manara" eo amin' ny fasany.

Ny Andriantompokoindrindra

[hanova | hanova ny fango]

Ny Andriantompokoindrindra dia Andriana merina, taranak' Andriantompokoindrindra, zanaka lahimatoan-dRalambo. Amin' Andriantompokoindrindra vavy no hakana ny vadiben' ny mpanjaka nanomboka tamin' Andrianjaka. Ny taranak' Andrianjaka dia tsy mahazo manjaka raha tsy avy amin' izay vadibe avy amin' ny foko Andriantompokoindrindra.

Ny Andrianamboninolona

[hanova | hanova ny fango]

Ny Andrianamboninolona dia taranak' Andrianamboninolona, rahalahin-dray no rafozan' ny mpanjaka Ralambo. Ny zanaka amam-paran’ Andrianamboninolona aénefa tsy Andrianamboninolona avokoa ny firazanany.

Ny Andriandranando

[hanova | hanova ny fango]

Ny Andriandranando na Zanadranando dia nipoitra tamin' ny mpanjaka Andriandranandobe. Avy amin' ny faritry ny ala antsinanana izy no niakatra taty Imerina mba hitady zara-tany hanjakana. Tsy nataon-dRalambo ho isan' ny folovohitra ny taranak' Andriandranandobe fa notazominy ho Andriana. Tamin' ny fanjakan' Andriana dia ny fanefena vy no tena nahafantarana azy ary ankoatr' izany dia maro aminy koa no manenona lamba landy. Marihina anefa fa nisy Hova, noho ny soa nataony tamin' ny andriana, no nakarina ho ho isan' ny Andriandranando.

Ny Zanadralambo

[hanova | hanova ny fango]

Ny Zanadralambo dia mizara ho Zanadralambo amin' Andrianjaka (taranaky ny mpanjaka Ralambo tamin' ny vadikeliny) sy Zanadralambo (ireo dia tsy mba taranaky ny mpanjaka Ralambo). Tamin' ny mpanjaka maro, dia nisy ireo olona nosaoran' ny mpanjaka ho isan' ny Zanadralambo noho ny fahamendrehany.

Sokajin' ny havan' andriana

[hanova | hanova ny fango]

Teo ambanin' ny sokajy Andriana, dia nasian' ny mpanjaka Andriamasinavalona koa ny sokajy natao hoe Havan' Andriana izay sady tsy tena Andriana no tsy Hova. Ny havan' andriana dia ahitana ny taranaka mpanjaka nanomboka tamin' ny mpanjaka Rafohy sy Rabiby izay tsy mba nampidirina ho Andriana. Toy izany ny taranak' Andriamanangaona; ny taranak' Andriamitondra, ny Antehiroka sy maro hafa koa.

Fomba sy toetra ary sata mampiavaka ny andriana

[hanova | hanova ny fango]

Marihina fa ireo antanantohatr' andriana ireo dia manana ny zony sy andraikiny ary ny fadiny avy. Ohatra, ny Andriandoriamanjaka no mpanenona ny lamban' ny mpanjaka; ny Zazamarolahy sy ny Andriamasinavalona no mpandrary ny tsihy atao amin' ny tranomasina; ny Zanadralambo no mpiandraikitra ny famonosana fatin' andriana; ny Andriantompokoindrindra no manao ny dihy soratra amin' ny fora zanakandriana; ny firavak' andriana, ny terak' i Fohiloha no mahazo trano manara eo ambony fasany, ny mpanjaka no misy ny trano masina eo amin' ny fasany, sns.

Fa misy kosa fombafomba iraisan' ireo antanantohatr'andriana ireo, dia ny fampiasana voambolana manokana hoan' ny andriana toy ny "Tsara va tompoko", na "Sarasara tsy ambaka" na ny "Tsara antitra tompoko" raha mifampiarahaba izy ireo na koa ny "hafenina" na "hasitrika" fa tsy hoe "halevina" raha misy maty ampidirina ao am-pasana; ny tsy fanaovana famadihana fa kosa fandrakofana lamba ny maty, sns.

Ny Hova dia ireo olona ao amin' ny saranga anelanelany tao amin' ny Fanjakana Merina izay sady tsy Mpanompo no tsy Andriana. Ny Hova tranainy dia taranaky ny Vazimba voalohany nonina taty Imerina. Ifandovana ny maha-hova.

Anjara toerany

[hanova | hanova ny fango]

Tany Imerina, ireo hovalahy dia nampiseho ny fahaizana mitondra fanjakana ka nanomboka tamin' Andriamasinavalona dia tsy azo nialana intsony izy ireo tamin' ny fitondrana. Nanomboka tamin-dRanavalona II aza dia lasa vadiben' ny mpanjaka mihitsy ny hovalahy (Rainilaiarivony) ary izy no mandidy sy manapaka fa saribakoliny ny mpanjaka.

Maro koa anefa ny hova no manan-karena mihoatra ireo andriana ka nahatonga ny fitenena hoe "andrian-dreraka" na "andriana malahelo". Vokatr' izany dia tsy vitsy ireo olona no nifidy ny ho hova raha nampisafidiana na ho hova na ho andriana izy toa ny taranak' Ilehilava eo Ambohidrabiby izay maro taranaka tonga mpitondra fanjakana ankehitrio.

Ankehitrio, hatramin' ny taona 1896 dia maro ireo hovavavy no manambady andriana aty Imerina ka efa miely amin' ireo fianakavian' andriana maro ireo ra hova. Maro koa ireo tanora no mametraka fa ny fitiavana no ambony indrindra ary tokony ho ambonin' ny resaka firazanana. Misy tokoa ireo taranak' andriana ankehitriny no mifidy ny hanambady taranaka hova noho ireto farany kingakinga kokoa amin' ny resaka fihariana sady mivela-tsaina kokoa.

Ny Mainty

[hanova | hanova ny fango]

Ny Mainty na Mainti-Enindreny dia ny andevo afaka sy ny taranany, na inona volon-kodiny na inona. Nizara telo ihany ny Mainty raha ny marina, na dia misy ny hoe "enindreny" aza ny anarany. Mainty ara-parahamonina izy ireo fa tsy mainty ara-pihodirana. Tsy tokony hafangaro amin' ny andevo izy ireo satria olona afaka, mandoa hetra ny ankamaroany. Tamin' ny taona 1777 dia novinavinain' ilay mpandeha lavitra frantsay Mayeur ho 6 000 teo ho eo ny isan' izy ireo. Taorian' ny fanafoanana ny fanandevozana dia izy ireo no maro anisa.

Sokajin' ny Mainty

[hanova | hanova ny fango]

Misy sokajy telo ny Mainty, dia:

Ny Manisotra

[hanova | hanova ny fango]

Ny Manisotra dia taranaky ny andevo mainty hoditra nanompo ny iray amin' ny vadin' ny mpanjaka Andriamasinavalona (taonjato faha-17), nafahana noho ny fanompoana nataony. Ao amin' ny faritra Vakinisisaony, no fiaviany[1]. Mandoa hetra izy ireo. Izy ireo no zokiben' ny samy Mainty satria nandresy an' Ambohibeloma Avaratra izay notafihin' ny mpanjaka Andrianampoinimerina. Izy ireo anefa no nanaiky an' ity mpanaka ity farany fa ny Mainty hafa no nanaiky taloha.

Ny Manendy

[hanova | hanova ny fango]

Ny Manendy dia toa avy amin' ny foko sakalava nivelona amin’ ny fiompiana ao Tampoketsa, avy tao izy ireo no nampijaly tsindraindray ny vohitra merina maro tamin' ny taonjato faha-18 mba hisambotra andevo hamidy amin' ny Eorôpeana eny amorontsiraka. Ao Anativolo sy Anosivolo izay samy ao amin'ny faritra Marovatana no misy azy ireo. Mandoa hetra izy ireo.

Ny Tsiarondahy

[hanova | hanova ny fango]

Ny farany dia ny Tsiarondahy, na "Mainty telo reny", izay nampivondrona ireo andevo mainty hafa nafahana tamin' ny andron'Andrianampoinimerina. Ao amin' ny faitra Ambohipoloalina sy Manjakaray ary Faliary-Tanjombato no misy azy ireo. Avy amin' izy ireo no nakan'ny mpanjaka ny tandapa (mpikarakara an-trano) sy ny tandonaka (hova asa andevo nefa nafahana) ary ny tsimandoa (mpitondra ny hafatry ny mpanjaka). Tsy mandoa hetra izy ireo.

Anjara asany faha mpanjaka

[hanova | hanova ny fango]

Nanomboka tamin' Andrianampoinimerina, tao amin' ny rafi-pitondrana merina vaovao, ny Mainty dia natokana ho amin' ny fanompoana ny mpanjaka. Avy amin' izy ireo no nakana ny ankamaroan' ny mpiambina ny mpanjaka sy ny 10 %n' izy ireo no nakana ny miaramila sangany. Ny Mainty hafa (atao hoe Tsimandoa) dia nisahana ny fitondrana ny hafatry ny mpanjaka na nanao ny asan' ny mpitandro filaminana, ka toy ny pôlisy. Noho izany, nahazo tombontsoa amin' ny fananana fahefana lehibe izy ireo ary tena natahoran' ny mponina.

Ny mpanompo

[hanova | hanova ny fango]

Ny Mpanompo na Andevo dia ny saranga ara-tantara farany ambany indrindra teo ny vahoaka teo amin' ny Merina.

Tamin’ ny taonjato faha-16 sy taorian’ ny taonjato faha-16, dia nisy andevo nentina tany amin’ ireo fanjakana samihafa teto Madagasikara mba hiasa tany amin’ ny toeram-pambolena. Ny Malagasy, ny Arabo Soahily ary ny Eorôpeana mpivarotra sy ny Andriana dia nanitatra ny fahafahany mamokatra sy mivarotra bebe kokoa. Ireo asa sy fambolena ireo dia nampanaovina ny andevo nohafarana hanao asa an-terivozona. Ny ankamaroan' ireo andevo ireo dia avy any Afrika Atsinanana sy Môzambika. Nofoanan' ny fitondrana frantsay ny fanandevozana tamin' ny taona 1896, ka nisy fiantraikany ratsy tamin' ny harena sy ny toeram-pambolena nankinina tamin' ny andevo merina sy tsy merina izany.

Anjara asany

[hanova | hanova ny fango]

Mpiasa an-trano sy mpamboly ny andevo tao amin’ ny Merina. Mpiasa sy mpanao asa tanana no asa nolovainy, ary izy ireo no maro an' isa teo amin' ny fiarahamonina. Ny andevo dia tsy nomena zo hanana tany.

Antony maha lasa andevo

[hanova | hanova ny fango]

Misy karazany telo ny antony aha lasa andevo tao Imerina:

  • ny andriana na hova very fahafahana noho ny heloka na ny trosa tsy voaloany, ary amin' izany toe-javatra izany dia tsy hatao hoe andevo ny fiantsoana azy fa atao hoe zazahova.
  • ny babo an’ ady;
  • ary ny andevo vahiny (Makoa na Masombika)

Fiovana saranga

[hanova | hanova ny fango]

Fiovana ho Andriana

[hanova | hanova ny fango]

Sarotiny tamin' ny fahadiovan' ny Andriana ny mpanjaka Ralambo ka tsy nekeny velively ho lasa andriana ny olona na antokon' olona izay zanaka nateraky ny andriana tamin' ny Hova na amin' ny mpanompo. Tsy navelany hanolo-tsaina azy na ny zanany afa-tsy ny andriana iray karazana aminy. Porofon' izany, ny Andriandoriamanjaka, zafin-dRabiby sy terak'Andrianamboninolona no nalain-dRalambo ho mpanolotsainy teo Ambohidrabiby raha toa ka Andrianentoarivo, izay lasa razan' andriana tany Lohavohitra no mpanolotsain' Andriantompokoindrindra teo Ambohimalaza.

Nanomboka tamin' ny taona 1895 dia maro ny andriana nivady tamin' ny hova na mpanompo na foko hafa. Maro koa ny hova lasa andriana ho valisoan' ny asa nataony tamin' ny mpanjaka, eny fa hatramin' ny olona tsy malagasy akory aza. Tamin' Andriamasinavalona sy tamin' Andrianampoinimerina ary ireo mpanjaka nandimby azy dia efa maro ny hova natao ho isan' ny andriana toa an-dRaberanto tao Ambodifahitra izay natao ho Zanadralambo. Maro koa anefa ireo andriana no naetry ho hova.

Fiovana ho Hova

[hanova | hanova ny fango]

Hatramin-dRalambo ka hatramin' ny taona 1895, ny Andriana dia azo avarina ho Hova na Mpanompo raha nandika lalàna. Araka izany, tsy mba toy ireny atao amin' ny teny frantsay hoe castes tany India ireny ny fiarahamonina merina. Tany India mantsy ny hova dia tsy mba azo natao andriana ary ny andriana dia tsy mahazo manambady hova. Ohatra amin' izany, Andriamasinavalona dia nanambady zazavavindrano izay niterahany an' i Ranavalontsimitoviaminandriana nonina teo Anosimanjaka. Io renibe Ranavalona io kosa dia voalazan'ny lovantsofina fa nanambady Antehiroka. Toy izany koa i Radama II dia Andriamihaja, hovalahy, no rainy nefa i Ranavalona I no reniny. Ny zanaky ny andriana tamin' ny hova dia sokajiana ho "Folovohitra" , "Hova", na "Velondraimandreny".

Fiovana ho Mainty

[hanova | hanova ny fango]

Ny Mainty dia afaka nanana andevo izay, rehefa afaka, dia nanatevin-daharana ny Mainty. Nitombo haingana ny isan' ny Mainty nandritra ny taonjato faha-19, arakaraka ny fandrosoan' ny fandresen' ny Merina dia nampiditra babo maro avy any amin' ny faritra manodidina, ka maro be izay niafara tamin' ny nafahana. Hany ka tamin’ ny faran’ io taonjato io izay nanafoanana ny fanandevozana, dia lasa maro an’ isa izy ireo.

Ny Mainty dia tsy nanambady ivelan' ny foko misy azy ka tsy naka vady raha tsy avy tamin' izy samy Mainty ihany. Norarana mafy izy ireo tsy hifanambady amin' ny Hova na ny Andriana.

Raha ny tokony ho izy, ny Hova na ny Andriana izay nanaiky ny hifanambady amin' ny Mainty dia lasa Mainty ary voailika tsy ho anisan' ny Hova na ny Andriana.

Fiovana ho Andevo

[hanova | hanova ny fango]

Ny andevo dia noheverina ho "olona maloto", tsy toy ny Hova sy ny Andriana izay "olona madio". Izany "fahalotoana" sy "fahadiovana" izany no nahatonga ny fady amin' ny fifanambadian' ny andevo sy ny tsy andevo teo amin' ny fiarahamonina malagasy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Fanovozan-kevitra sy rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]

Tranonkala

Boky

  • Callet, F. (R.-P.): 1908. Tantara ny Andriana eto Madagasikara, tomes I et II ; Antananarivo
  • Ralaimihoatra, E. : 1982. Histoire de Madagascar. Antananarivo
  • Andriamaharo, R. : 1985. Antsahadinta – Essai sur l’histoire d’une région de l’Imerina à l'époque d’Andrianampoinimerina ; Mémoire de CAPEN non publié. Antananarivo
  • Délivré, A. : 1967. L'Histoire des rois d’Imerina – Interprétation d'une tradition orale ; Thèse de doctorat de 3e cycle, Paris
  • Domenichini, J.-P. & B., Ramiaramanana : 1980. Regards croisés sur les grands sycomores ou l'armée noire des anciens princes de l'Imerina. Cheminements, volume XI, n°1-4 ; Asie du Sud-Est et Monde Insulindien, Paris
  • Rabenjamina, A. : 1936. Ambohijoky, tendrombohitra malaza ; Gazetim-panjakana : 405- 406. A.
  • Rakoto, I. : 1976. L’esclavage dans l'Ancien Madagascar ; Tantara 4-5 : 125-137, Antananarivo.

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. "Note du passé, Les Manisotra ainés de Mainty", jacaranda.fr