Aller au contenu

Bokin' ny Mpitsara

Avy amin'i Wikipedia
Maty teo am-pamonoana ny fahavalony i Samsona, Tsy fantatra ny namorona azy, 1728

Ny Bokin'ny Mpitsara dia boky ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly sady ao amin'ny boky masin'ny Jiosy, dia ny Tanakh. Mitantara ny zavatra malaza nataon'ireo mpitsara voatendrin'Andriamanitra hitondra sy hanafaka ny Zanak'i Israely tao amin'ny tany Kanana taorian'ny nahafatesan'i Josoa io boky io. Asehony ihany koa ny fiaimpiainan'ireo mpitsara ireo sy ny fangejan'ny firenena hafa ny Zanak'i Israely noho ny fialany an'Andriamanitra sy ny fiverenany aminy indray ka mahatonga azy ireo hahazo fanafahana. Isan'ireo atao hoe bokin'ny mpaminany ny Bokin'ny Mpitsara ao amin'ny Tanakh, fa voasokajy ho bokim-pitantarana na boky ara-tantara kosa izy ao amin'ny Baiboly.

Ny anaran'ny boky

Atao hoe Shefer Shoftim, izay midika hoe "bokin'ny mpitsara", ny anaran'io boky io ao amin'ny Tanakh. Ny hoe shofet (milaza tokana) sy shoftim (milaza maro) no teny nadika hoe "mpitsara" izay. Atao hoe Κριτές βιβλίο / Kritês Biblio izy amin'ny teny grika fa Liber Iudicum kosa amin'ny teny latina.

Ny momba ny fanoratana ny boky

Ny mpanoratra

Araka ny lovantsofina jiosy dia i Samoela no nanoratra ny Bokin'ny Mpitsara. Ny mpandinika ny Baiboly sasany amin'izao kosa dia milaza fa olona samihafa no nanoratra sady lahatsoratra samihafa no natambatambatra sy narindra.

Ny fotoana nanoratana

Araka ny fikarohan'ny mpandinika ny Baiboly sasany dia tsy voasoratra tamin'ny fotoana mitohy iray ny Bokin'ny Mpitsara fa tamin'ny fotoana samihafa sady tsy manaraka ny fisehon'ny soratra ao amin'ny boky izany fotoana izany. Ohatra amin'izany ny Hiran'i Debora (Mpits. 5) izay heveriny fa nosoratana taloha elabe, ny lahatsoratry ny toko faha-17 - 21 izay lohahevitra mety natovana taorian'ny fahababoana tany Babilona (taona 538 tal. J.K.), ny tapany tena vontoatin'ny boky (Mpits. 2.6 - 16.31) izay nataon'ireo mpanoratra deoteronomista teo anelanelan'ny taonjato faha-7 sy faha-6 tal. J.K.

Ny fotoana nisehoan'ireo zavatra nosoratana

Ireo zava-niseho voatantara ao amin'ny Bokin'ny Mpitsara dia heverin'ny maro fa nitranga teo anelanelan'ny taonjato faha-13 hatramin'ny taonjato faha-11 tal. J.K., izany hoe nanomboka tamin'ny nidiran'ny Zanak'i Isiraely tao Kanana ka hatramin'ny nananganana voalohany fitondram-panjaka, tamin'ny andron'i Samoela.

Testamenta Taloha

Ny fizarana ny boky

Azo zaraina telo ny Bokin'ny Mpitsara:

Ny fanorenam-ponenan'ny Israelita tao Kanana (1.1 - 2.10)

Ity fizaràna ity dia mamintina ny tantaran'ny fahazoan'ny Zanak'i Israely ny tany Kanana. Tohin'ny tantara ao amin'ny Bokin'i Josoa izany.

Ny nifidianan'Andriamanitra ireo mpitsara (2.11 - 16.31)

Ny mpitsara dia olona nomen'Andriamanitra fahefana ka tsy hoe hitsara fotsiny fa indrindraindrindra hitondra ara-politika na ara-tafika ihany koa mba hanafaka ny firenena israelita amin'ny fangejan'ireo firenena miady aminy. Ireto avy ireo mpitsara voalaza ao amin'ny boky: i Otniela (Mpits. 3.8-11), i Ehoda (Mpits. 3.12-30), i Samgara (Mpits. 3.31), i Debôra (Mpits. 4-5), i Gideôna (Mpits. 6-8), i Abimeleka (Mpits. 9), i Tola (Mpits. 10:1-2.), i Jaira (Mpits. 10.3-5), i Jefta (Mpits. 10.7-12-7), i Ibzana (Mpits. 12.8-10), i Elôna (Mpits. 12.11-12), i Abdôna (Mpits. 12.13-15) ary i Samsôna (Mpits. 13-16).

Ny fikorontanan'ny samy Zanak'i Israely (17 - 21)

Ity fizaràna ity dia mitantara ny nifindran'ny fokon'i Dana tany Laisha sy ny ady nifanaovan'ny Zanak'i Israely sy ny fokon'i Benjamina.

Ireo mpitsara roa ambin'ny folo

Misy sokajy roa ireo mpitsara, dia ny mpitsara lehibe, izay miisa enina, sy ny mpitsara madinika izay miisa enina torak'izany koa. Izany fanasokajiana izany dia tsy voasoratra ao amin'ny Baiboly.

I Otniela na Hôtniela

I Otniela (Mpits. 3.8-11) dia isan'ireo atao hoe mpitsara lehibe. Otniel Ben Knaz no anarany feno amin'ny teny hebreo, izay azo gasina hoe Otniela zanak'i Kenaza.

I Kaleba, tao atsimo, izay avy amin'ny fokon'i Joda, dia nandresy an'i Hebrona teo akaikin'i Beni-Anaka. Ny zana-drahalahiny atao hoe Otniela, zanak'i Kenaza, dia naka ny tananàna Kiriata-Sefera. Izy koa dia niady amin'ny Edômita.

I Kosama-Riseataima, mpanjaka avy any amin'ny faritr'i Eofrata, dia niditra tao amin'ny tany Kanana, mba hanafika sy haka koa an'i Egipta. Resin'i Farao anefa izy ka nanao taridositra nitondra ny tafika sady nandroba ny firenena izay nolalovany. Nahangona tafika i Otniela ka afaka nanenjika sy nandroaka azy.

I Ehoda

I Ehoda dia isan'ireo atao hoe mpitsara lehibe (Mpits. 3.12-30). Ehud ben Gera ny anarany feno amin'ny teny hebreo, izay azo gasina amin'ny hoe Ehoda zanak'i Gera.

Zanak'i Goià mpitari-tafika ao amin'ny fokon'i Benjamina izy, nefa resy ka nanompo ny Moabita. Nanararaotra ny fotoana nanaterany ny anjara fanompoany izy hamonoany an'i Eglona mpanjakan'i Moaba. Maty tamin'izany ny mpanjaka ka sahy nikomy tamin'ny Moabita sy nanohitra azy ireo ny Benjaminita teny ampitan'ny ony Jordana 

I Debora na Debôrà

I Debora na Debôrà dia mpaminanivavy izay nitsara ny Zanak'i Israely sady anisan'ireo atao hoe mpitsara lehibe (Mpits. 4 - 5). I Baraka avy any Kadesy any Naftaly dia nikambana taminy mpaminanivavy, izay avy any amin'ny tendrombohitr'i Efraima, raha nahita ny fandrahonana nataon'i Sisera avy any Haroseta ha-Goima. I Sisera dia mety ho mpitari-tafik'ireo mponina avy any an-dranomasina. Nandresy ny tafik'i Sisera izy ireo teo akaikin'ny ony Kisona, noho ny firotsahan'ny oram-batravatra izay nahatonga ny fiaran'ireo fahavalo ho rendrika. Izany no ady tao amin'ny ranon'i Megido.

I Gideona na Gidehôna

I Gideona dia isan'ireo atao hoe mpitsara lehibe (Mpits. 6 - 8). Giḏʻôn no fanononana io anarana io amin'ny teny hebreo. Atao hoe Yĕrubba`al koa izy. Ity anarana ity dia soratana hoe Jerobaala.

Gideona avy any Ofra, zanak'i Soara, no mpitarika ny fokon'i Manase, ary nitarika ny ady tamin'ny Midianita, mpandroba avy any atsimo sy atsinanana, nampiasa rameva. Voatosiny izy ireo nandritra ny ady voalohany tany ivelan'ny tanin'ny Isiraely, tao Eina-Haroda. I Orebita sy i Zeba, mpitarika ny tafiny, dia novonoin'ny Efraimita izay nanakana ny fiampitana an'i Jordana. Taorian'ny fanafihana nataon'ny Midianita teo akaikin'ny Tendrombohitr'i Tabora dia nanenjika azy ireo i Gideona tany atsinanan'ny reniranon'i Jordana ary namono ny mpitarika azy dia i Zebaha sy i Salmona. Nandritra ity ady faharoa ity no nandresen'i Gideona ny mpanohitra an'i Penoela sy i Sokota tao amin'ny lohasahan'i Jordana. Taorian'ireo fahombiazana ara-tafika ireo dia nisy ireo namporisika azy ho mpanjaka nefa nandà izany izy.

I Jefta na Jiftà

I Jefta dia isan'ireo atao hoe mpitsara lehibe (Mpits. 10.7 - 12.7). Amin'ny hebreo dia tononina hoe Yip̄tāḥ io anarana io.

Notendren'ireo mpitondra an'i Gileada i Jefta mba hitarika ny ady tamin'ny Amonita izay nandrahona azy ireo. Nandresy izy ka izany dia niteraka fialonana teo amin'ny fokon'i Efraima, Nanafika azy ny Efraimita nefa tsy nahomby ka nahatonga an'i Gileada ho afana nizaka tena ary angamba tsy niankina tamin'ny firenen'i Manase raha tsy taorian'ny fandresen'i Gideona ny Midianita.

I Samsôna

I Samsôna dia isan'ireo atao hoe mpitsara lehibe (Mpits. 13-16). Shimshôn no fanononana ilay anarana amin'ny teny hebreo.

I Samsona izay avy amin'ny firenen'i Dana, dia niady tamin'ny Filistina. Namono Filistina arivo tamin'ny valanoranom-boriky izy. Namadika azy anefa i Dalila tamin'ny nanetezany ireo volony izay itoeran'ny heriny sady nanolotra azy tamin'ireo fahavalony izay nitondra azy ho gadraina. Rehefa niverina aminy ny indray ny heriny, dia narodany ny tempolin'i Dagona, andriamanitry ny Filistina, ka maty niaraka taminy ireo Filistina nanatrika an'izany.

Ireo mpitsara madinika

I Samgara na Samigary

I Samgara na Samigary dia mpitsara nandimby an'i Ehoda sady nodimbiasin'i Debora (Mpits. 3.31). Shamgar no fiantsoana azy amin'ny teny hebreo.

Tamin'ny nahafatesan'i Ehoda dia nanao izay tsy sitrak'Andriamanitra ny Zanak'i Isiraely ary voageja teo ambany ziogan'ny Filistinina. I Samgara zanak'i Anata, tamin'ny fotoana naha mpitsara azy, dia nahafaty Filistina eninjato tamin'ny fanindroman'omby sady nanafaka ny Zanak'i Isiraely. I Debora np nandimby azy hitsara ny Isiraely.

I Abimeleka

I Abimeleka, zanakalahin'i Gideona, dia nanambara tena ho mpanjaka tany Sekema. Nikomy ny vahoaka ka nampandoroin'i Abimeleka ny tanàna nandritra ny ady nisy ra mandriaka. Maty voan'ny tora-bato izy tamin'ny ady izay nataony mba hanandevozany tanàna iray hafa (Mpits. 9).

I Tola

Tôlāʻ no fanononana ilay anarana amin'ny teny hebreo. Nitondra ny Zanak'i Israely nandritra ny 23 taona i Tolà (Mpits. 10:1-2.).

I Jaira

Yā’îr no fanononana ilay anarana amin'ny teny hebreo. Nitondra ny Zanak'i Israely nandritra ny 22 taona i Jaira (Mpits. 10.3-5).

I Ibzana na Ibtsàna

Iḇṣān no fiantsoana azy amin'ny teny hebreo. Ny teny grika manao azy hoe Ἀβαισσάνn / Abaissanê fa ny teny latina kosa Abesan. I Betlehema any Galilia no fiaviany (Jos. 19.10-15). Nandimby an'i Jefta izy ka nitsara nandritra ny fito taona (Mpits. 12.18-10).

I Elôna

I Elôna dia mpitsara nandimby an'i Ibzana. Elon no fanononana azy amin'ny teny hebreo. Ny teny grika dia manao azy hoe Αἰλώμ / Ailôm fa ny teny latina kosa manoratra azy hoe Ahialon. Nitondra ny Zanak'i Israely nandritra ny folo taona izy (Mpits. 12.11-12).

I Abdôna na Habdôna

‘Aḇdōn no fanononana io anarana io amin'ny teny hebreo. Nitondra ny Zanak'i Israely tanatin'ny valo taona izy (Mpits. 12.13-15).

Jereo koa: