Solifara
Ny solifara dia singa simika tsy metaly, mivaingana, tsy misy fofona, miloko mavo toy ny voasarimakirana, mitondra ny eva simika S sy mitana ny laharana atômika 16. Anisan' ny vondrona VIa (tsanganana 16) amin' ny tabilaon-tsingerin' ny singa simika ary ao amin' ny tsingerina fahatelo ny solifara. Ny lanjany araka atôma dia dia 32,066.
Solifara eny amin' ny natiora
Miely patrana amin' ny natiora, tsy mitambatra na mitambatra amin-tsinga hafa ny solifara. Hita mikambana amin-tsinga hafa ao amin' ny solfiora-na metaly maro izy – fitambaran' ny solifara amin' ny singa hafa -, toy ny solfiora-na firaka PbS, ny blenda-na fanitso ZnS, ny kalkôpirita (Cu, Fe)S2, ny sinabra HgS, ny stibinina Sb2S3 ary ny pirita FeS2. Ny solifara koa dia mitambatra amin' ny singa hafa amin' ny endrika solfata - etera na siran' asidra solifiorika - toy ny barita BaSO4, ny selestinina SrSO4 ary ny zipsa CaSO4 2H2O.
Ny solifara dia misy amin' ny akora ôrganika maro, toy ny voantsinapy, ny atody, ny volo ary ny prôteinina.
Misy ny solifara mifangaro amin' ny zipsa sy ny vatonakoho any amin' ny faritra misy afotroa, any Islandy, any Sisilia, any Meksika ary any Japàna. Any Louisiana sy any Texas (samy any Etazonia) dia ahitana tahirin-tsolifara ambanin' ny tany betsaka. Ny solifara dia mety miforona amin' ny alalan' ny fahasimbana miandalan’ ny pirita, ary apetraky ny rano mafana misy solifara, izay nampanjary misy ôksida ny solfiora-na hidrôzenina ao amin' ny soson-drivotra.
Endrika isehoan' ny solifara
Rehefa mitsonika ny solifara mahazatra dia lasa ranoka miloko-mololo, izay mihamaloka rehefa hafanaina, avy eo mangotraka. Rehefa mihamangatsiaka tsikelikely ny solifara natsonika dia mivoatra arakaraka ny mari-pana sy ny tsindry ary ny fomba fiforonan' ny angona ny toetrany ara-pizika. Noho izany, ny solifara dia misy amin' ny endrika samihafa, izay misy ranoka Sλ sy Sµ, sy karazana vainga maromaro, ka ny mahazatra indrindra dia ny endrika kristaly, ny solifara rômbika ary ny solifara mônôklinika. Tsy mety levona anaty rano ny solifara fa levona kely amin' ny benzenina; ny endrika kristalin' ny solifara dia levona amin' ny solfiora-na karbônina.
Ny karaza-tsolifara marin-toerana indrindra dia ny solifara rômbika, izay vaingana kristaly mavo, manana hakitroka 2,06 amin' ny maripana 20 °C. Ny solifara rômbika dia mora levona anaty alikôla sy anaty etera, ary levona anaty menaka koa. Amin' ny maripana mihoatra ny 94,5 °C, nefa ambanin' ny 120 °C, dia miova ho solifara mônôklinika ilay solifara rômbika: izany dia rafitra lava, mangarahara, toy ny fanjaitra. Ny maripana misy ny solifara rômbika sy mônôclinika rehefa mitoboka, izany hoe 94,5 °C, dia maripana tetezamita. Rehefa ampitsonihina amin' ny maripana 115,21 °C ny solifara rômbika tsotra, dia miforona ny ranoka mandehandeha miloko mavo matroka, dia ny endrika Sλ izany, izay mihamaizina sy mihamadity eo amin' ny 160 °C, ka mamorona ny endrika Sµ. Raha hafanaina amin' ny maripana akaikin' ny 444,6 °C ny solifara ary atsipy haingana anaty rano, dia tsy manam-potoana hivaingana ho kristaly amin' ny endrika rômbika na mônôklinika. Amin' izay dia misy akora mangarahara, toy ny feta, afa-mizozotra, izay tsy inona fa ny solifara tsy misy endrika na solifara plastika.
Famokarana solifara
Misy fomba maro ahafahana misintona ny solifara amin' ny tany. Any Sisilia, ny vato misy solifara dia mivangongo amin’ ny tany dia dorana. Arotsaka ao anaty lasitra hazo maromaro ny solifara mitsiranoka aterak’ izany, ka ao anatin' ireo lasitra ireo no mampivaingana azy. Amin' io endrika io dia azo diovina amin' ny alalan' ny fanasitiliana ny solifara: ny etona dia mandalo amin' ny efitrano biriky lehibe izay itamboganany mipetaka amin' ny rindrina amin' ny endrika vovoka manify.
Any Louisiana sy any Texas (samy any Etazonia) dia dorana hitsonika ao anaty tany ny akoran-tsolifara, izany no teknikan' ilay Amerikana mpahay simia atao hoe Herman Frasch.
Ny solifara koa dia azo avy amin' ny pirita, amin' ny alalan' ny fanasitiliana anaty efi-trano vy na tanimanga mahazaka hafanana ambony, saingy amin' ny ankapobeny dia misy arsenika kely izany. Ny etona Lacq (gaz de Lacq) no mahatonga an’ i Frantsa ho mpamokatra solifara lehibe indrindra, ka 1,3 tapitrisa taonina izany tamin' ny taona 1993. Tamin' io taona io ihany dia nahatratra 55 tapitrisa taonina ny famokarana solifara maneran-tany.
Fampiasana ny solifara
Ny solifara dia ampiasaina indrindra amin' ny famokarana zavatra simika toy ny asidra solifiorika, ny solfiora, ny solifata ary diôksida-na solifara. Ampiasaina koa ny solifara amin' ny fanamboarana fanafody miompana amin’ ny solfamida sy amin' ny fanamboarana menaka fitsaboana hoditra. Ny solifara koa dia ampiasaina amin' ny fanamboarana afokasoka, fingotra mateza, fandoko ary vanjan-basy miloko mainty.
Raha voazarazara tsara sady afangaro amin' ny sokay ny solifara dia ampiasaina ho fanafody famonoana holatra madinika amin' ny zavamaniry. Ny fanafody holatra vita amin’ ny solifara no be mpampiasa indrindra eran-tany. Ny solifata-na pôtasiôma sy ny solifata-na amôniôma dia atao zezika. Ny tiôsolfata-na sôdiôma, izay sira manana raikipohy simika Na2S2O3 5H2O, dia ampiasaina amin' ny sary pika hamikirana ny lafy ratsy sy ny fanontana.
Raha akambana amin' ny mineraly sasany ny solifara dia ahazoana simenitra manana fiasa manokana ampiasaina amin' ny fanorenana zavatra metaly anaty vato, toy ny makarakara sy ny rojo. Ny asidra solifiorika dia iray amin' ny akora simika indostrialy manan-danja indrindra, satria ampiasaina amin' ny fanamboarana môlekiola misy solifara sy amin' ny famokarana zavatra maro hafa (asidra fôsfôrika, sns.).