Aller au contenu

Hebreo (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Hebreo (mponina))
Ny fiaingan' i Abrahama, sary nataon' i József Molnár, 1850

Ny Hebreo na Hebrio dia vondrom-poko semitika izay nifindra avy any Mesôpôtamia na Mezôpôtamia nankany Palestina tamin’ ny taonarivo faharoa tal. J.K. Izy ireo no heverina fa razamben' ny Jiosy na Jody ankehitriny. Amin' ny teny hebreo izy ireo dia atao hoe: עִבְרִיִּים עִבְרִים, izay vakina hoe ʿĪvrīm / ʿĪvrīyyīm naʿĪḇrīm / ʿĪḇrīyyīm.

Araka ny Baiboly dia avy any Kanaana ka nankany Egipta (na Ejipta) ny ampahany amin’ ny Hebreo, dia ny taranak’ i Jakôba, atao hoe Israelita na Zanak' i Israely, ka lasa andevon' ny Egiptiana (na Ejipsiana). Rehefa afaka tamin' ny fanandevozana izy ireo teo ambany fitarihan’ i Mosesy (na Môizy) dia nivezivezy tany an-tany efitr' i Sinay hankany Kanaana indray. I Jôsoa (na Jôsoe) no nandimby an' i Mosesy alohan' ny hanafihan' ny Hebreo ny tany Kanaana, izay atao hoe koa Palestina, sy honenany ao.

Ny ankamaroan' ny mpahay tantara dia mihevitra ny Hebreo ho mitovy amin' ny Israelita, ka ny teny hoe "Hebreo" dia manondro ny Isiraelita tamin' ny vanim-potoan' ny fifindrafindrà-monina talohan' ny nanorenana ny Fanjakan' i Israely mitambatra. Na izany aza, amin' ny toe-javatra sasany, ny anarana hoe "Hebreo" dia azo ampiasaina ara-tantara amin' ny heviny mivelatra kokoa, manondro ny ka Fenisiana na ny sivilizasiôna tranainy hafa, toa ny an' ny Shasu taloha kelin' ny fotoana naharava ny Andron' ny Alimo. Miseho in-34 io teny io ao amin' ny andininy miisa 32 ao amin' ny Baiboly hebreo. Ny manam-pahaizana sasany dia mihevitra ny teny hoe "Hebreo" ho anaram-poko, fa ny hafa kosa tsy mihevitra toy izany izany, ary ny hafa dia mbola mihevitra fa ny hevitra maron' ny hoe foko ankehitriny dia mety tsy mifanaraka tsara amin' ny sôsiôlôjian' ny vahoaka tao Atsinanana Akaiky taloha.

Tamin' ny andron' ny Empira Rômana, ny teny grika hoe Ἑβραῖος / Hebraios dia mety hanondro ny Jiosy amin' ny ankapobeny, na, amin' ny fotoana hafa, indrindra ho an' ny Jiosy izay nonina tany Jodea Rômana (na Jodia Rômana). Faritany rômana i Jodea nanomboka tamin' ny taona 6 taor. J.K. ka hatramin' ny 135 taor. J.K. Kanefa, tamin' ny fotoan' ny kristianisma tany am-boalohany, io teny io dia nanondro ny Kristiana jiosy ao amin' ny lahatsoratra kristiana, ampifanoherina amin' ny mpanaraka ny fivavahana jiosy sy ny Kristiana jentilisa (na Kristiana jentily).

Amin' ny fiteny armeniana, jeôrjiana, italiana, grika, kiorda, serbiana, rosiana, romaniana, ary fiteny vitsivitsy hafa, dia tsy nisy mihitsy ny famindrana ny anarana avy amin' ny teny hoe "Hebreo" ho amin' ny hoe "Jiosy" na "Jody", ary ny hoe "Hebreo" (na ny mitovy aminy amin' ny fiteny hafa) dia mbola teny fototra ilazana ny Jiosy ara-poko.

Noho ny famelomana indray ny fiteny hebreo nanomboka tamin' ny taonjato faha-19 sy tamin’ ny nisandratan' ny Yishuv (fiorenam-ponenan' ny Jiosy tao Israely), ny teny hoe "Hebreo" dia nampiharina amin' ny vahoaka jiosy tamin' io fiarahamonina nipoitra indray tao Israely io na tamin' ny vahoaka jiosy amin' ny ankapobeny.

Fiforonan-teny

[hanova | hanova ny fango]

Ny teny hoe hebreo na hebrio dia avy amin' ny teny anglisy hoe hebrew na frantsay hoe hebreu izay samy avy amin' ny teny latina hoe hebraeus. Ity indray dia avy amin' ny teny grika hoe Ἑβραῖος / hebraios, izay avy amin' ny teny hebreo hoe עברי / ’ivri. Ny teny hebreo hoe 'ivri (na 'ibri) dia mety ho avy amin' ny fototry ny matoanteny hebreo hoe עבר / avar izay midika hoe "miampita" na "madalo". Noho izany, ara-nakiteny, ny Hebreo dia ny "mpiampita" na "mpandalo" fa tsy monina, ny eny ampitan' ny ony, ny mpirenireny.

Ny Hebreo sy ny fiaviany

[hanova | hanova ny fango]

Araka ny Baiboly

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin’ ny Baiboly, araka ny Bokin' ny Genesisy na Bokin' ny Jenezy, dia enti-manondro an’ i Abrahama ny teny hoe Hebreo na Hebrio (Gen. 14:13). Midika hoe "mpandehandeha" ny anarana hoe Hebreo izay nomen’ ny Amôrita azy ireo. Mbola atao hoe Hebreo ny taranak' i Jakoba nankany Egipta. Ao amin' ny Genesisy (Gen. 40:15) dia nanazava tamin’ ny Egiptiana i Jôsefa fa nangalarina avy any amin’ ny "tanin' ny Hebreo" ny tenany. Ao amin' ny Bokin' ny Eksôdosy na Bokin' ny Eksaody (Eks. 2:6) dia fantatry ny zanakavavin’ i Farao (na Faraôna) fa anisan' ny zanaky ny Hebreo i Mosesy na Môizy.

Amin' ny ankapobeny dia manondro ny taranak' i Ebera (עֵבֶר / ’Ever na ’Eber), taranak' i Sema, hatramin' i Abrahama sy ny taranany ka hatramin' ny fanombohan' ny fitondram-panjaka tany Kanaana ny teny hoe Hebreo. Ny Genesisy 10:20 dia milaza fa i Sema no rain' ny zanak' i Ebera.

Ao amin' ny Bokin' ny Deoterônômia na Bokin' ny Deoterônômy (Deo. 26:5) dia nandidy ny Hebreo mba hanonona mandritra ny fetin' ny Lohavokatra ny fehezanteny hoe: "Ny raiko dia Arameana mpirenireny" i Iahveh (Jehovah na Iahve).

Araka ny fikarohan' ny manam-pahaizana

[hanova | hanova ny fango]

Milaza ny manam-pahaizana sasany fa avy any amin' ny tany efitr' i Sinay fa tsy avy any Mesôpôtamia ny Hebreo. Mety ho avy amin' ny teny egiptiana tranainy hoe habiru izay midika hoe "mpirenireny" ny hoe hebreo. Ny hoe Apiru izay mitovitovy fanonona amin' io, sady soratana koa hoe Hapiru na Habiru, dia hita tamin' ny soratra tany Mesôpôtamia sy Anatôlia ary Egipta ka manondro ny mpirenireny na indraindray ny mpikarama an' ady na ny jiolahy. Hita tao amin' ny vato fisaka misy soratra miendri-pantsika tao Tell al-Amarna ao Egipta voasoratra tany amin' ny taona 1400 tal. J.K. io anarana io. Mety ho avy amin' ny Amôrita sy ny Hitita ny Hebreo. Manana anarana avy amina foko isan-karazany anefa ny Apiru, ka tsy foko tokana fa maro. Mety ho ny iray amin' ireo foko atao hoe Apiru ireo, noho izany, ny Hebreo ao amin' ny Baiboly izany.

Ny Finoan' ny Hebreo

[hanova | hanova ny fango]

Ny Iahvisma

[hanova | hanova ny fango]

Nivavaka tamin' ny andriamanitry ny razany ny Hebreo. Manao azy ireo ho henôteista tany am-piandohana ny mpandinika ny fivavahana, izany hoe manana ny andriamanitra tokana ivavahany izy nefa manaiky ny fisian' ny andriamanitry ny firenena hafa izay heveriny fa fahavalon' ny andriamaniny. Izany no atao hoe Iahvisma.

Ny jodaisma

[hanova | hanova ny fango]

Tany am-pahababoana any Babilôna ny ampahan' ny Hebreo avy tao Jodà vao nihevitra ny andriamanitry ny firenen-kafa ho tsy andriamanitra ka lasa mônôteista hentitra amin' izay ny fivavahany, dia ny jodaisma izany. Tsy misy andriamanitra afa-tsy ny andriamaniny, dia i Iahveh. Tamin' izany dia efa natao hoe Yehudhi (izay atao amin' ny teny malagasy hoe Jody na Jiosy) izy ireo.

Ny tantaran' ny Hebreo araka ny Baiboly

[hanova | hanova ny fango]

Avy any Mesôpôtamia

[hanova | hanova ny fango]

Araka ny Baiboly sy ny lovantsofina jiosy dia avy any Mesôpôtamia, any Oran' i Kaldea, ny Hebreo. Olona mpifindrafindra monina izy ireo, ka nonina anaty trano lay, niompy osy aman’ ondry, sady nampiasa boriky sy apondra ary rameva amin' ny fitaterana. Noho ny fahasarotam-piainana dia nandao ny tanànany ho any Haràna, any an-dohan’ i Eofrata, i Tera rain' i Abrahama. Avy eo i Abrahama dia nifindra nankany amin’ ny tany Kanaana, izay voalazan' ny Baiboly fa nampanantenain' Andriamanitra ny taranany.

Niorim-ponenana tao Kanaana

[hanova | hanova ny fango]

Nonina tao amin' ny tapany atsimon' i Kanaana i Abrahama sy ny olona niara-dia aminy. Nifangaro tamin' ny tompontany izy ireo ary lasa mpamboly sy mpiompy miorim-ponenana. Avy amin' ireo razambe hebreo ireo no nipoiran’ ny Edômita, ny Môabita, ny Amônita, ny Ismaelita ary ny Israelita. Ataon' ny Baiboly hoe vahiny ireo Hebreo voalohany nonina tao Kanaana ireo raha mitaha amin' ny mponina tao an-toerana. Mpiandry ondry aman' osy izay efa tsy dia mifindrafindra monina intsony fa mihamitomoetra ny Hebreo izay nitady toerana fihinan' ny biby fiompiny. Nonina nanakaiky ny tanàn-dehibe izy ireo sady, amin' ny ankapobeny, nifandray tsara tamin’ ny tompon-tany. Nivelona tamin' ny vokatry ny asany izy sady tsy nety nanambady vehivavy kanaanita. Nitsitokotoko isam-pianakaviam-be (hebreo: bêyt’âb) na foko (hebreo: mishpâhâh) izy ireo ka samy nitazona ny maha izy azy manokana sy ny fomban-drazany avy, toy ny fivavahana amin' ny andriamanitry ny razany.

Nankany Egipta avy eo niala avy any

[hanova | hanova ny fango]

Nisy ny mosary izay nahatonga ny Hebreo handao an' i Kanaana ka hankany Egipta mba hitady hanina sy hivelona any. Lasa andevo anefa izy ireo taty aoriana. Nanampy azy ireo hitsoaka an' i Egipta i Mosesy (na Môizy) tamin’ ny alalan’ ny fidiran' ny andriamaniny Iahveh an-tsehatra. Niampita ny Ranomasina Mena ireo Hebreo ireo ka nankany amin’ ny tany efitr' i Sinay. Araka ny Baiboly dia nomen’ Andriamanitra ny Vatofisaky ny Lalàna avy eny amin’ ny Tendrombohitra Sinay (na Hôreba) i Mosesy avy eo nitondra ny Hebreo (izay natsoina hoe Zanak' i Isiraely) namakivaky ny tany efitr' i Sinay nandritra ny 40 taona hankany amin' ny tany Kanaana. Maty i Mosesy ka i Jôsoa (na Jôsoe) mpanampy azy sady mpianany no nandimby azy ka niditra sy naka ny tany Kanaana. Firenena fito no nonina tao Kanaana (Jôs. 9-11) tamin' izany fotoana izany.

Niverina tao Kanaana

[hanova | hanova ny fango]

Tamin’ izany no nanombohan' ny vanim-potoan' ny faha mpanjaka ka i Saoly no nisantatra ny fitondrana an' i Israely. Nandimby azy i Davida. Nanomboka tamin' ny taona 970 hatramin' ny 930 tal. J.K. ny fanjakan' i Sôlômôna, izay nanao an' i Jerosalema ho renivohitra sady nanorina ny Tempoly nisy ny Fiaran' ny Fanekena.

Nisaraka ho fanjakana roa, avy eo lasa babo

[hanova | hanova ny fango]

Nisaraka roa ny Fanjakan' i Israely ka naharitra hatramin' ny taona 587 tal. J.K. ny iray izay atao hoe Fanjakan’ i Jodà, fa ny iray, atao hoe Fanjakan' i Israely (na Fanjakan' i Samaria), dia naharitra hatramin' ny taona 722 tal. J.K. Nihanalemy noho io fivakisana io ny Israelita ka resin' ny mpanjaka avy any Persia izay nanao sesitany azy ireo tany Babilôna.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]