Ala
Ny ala dia toerana be hazo maniry. Misy dikany maromaro ampiasaina ho an' ny ala, mifototra amina fepetra maro. Ny ala dia mandrakotra ny 9,4 %-n' ny tany na 30 % hatramin' ny 50 %-n'ny velarantany manontolo eto an-tany.
Ny ala koa dia toerana iainana sy fidiram-bola ho an' ny olombelona: tamin' ny fanombohan'ny taonjato faha 20, mahery ny 500 tapitrisa ny isan' ny olona miaina akaiky ala na ao anaty ala; 150 tapitrisa amin' ireo no teratany. Misy karazan' ala maromaro misy; ny ala mbola tsy voakitika na mbola tsy voaovan' ny olombelona toetra dia lazaina hoe ala fototra na alananahary, ary ny ala efa nokasihan' ny olona dia lazaina hoe ala segondera. Afa-tsy ireo karazana ireo, misy koa ny ala any an-tanàna sy ny fambolena ala.
Karazan' ala
[hanova | hanova ny fango]Any Eorôpa
[hanova | hanova ny fango]Ny ala eorôpeanina dia alan' ny toe-tany mafana tsy tahaka ny any amin' ny tanimaty na any amin' ny Fehibe amin' ny andro fahavaratra ary mangatsiaka tsy tahaky ny any amin' ny tendron-tany. Ny rotsakorana dia betsaka sy manara-potoana. Ny karazan-kazon' ny ala antonon-kafanana dia hazo kesika, chêne ary châtaigner.
Aty Afrika
[hanova | hanova ny fango]Aty Afrika misy ala mando any amin' ny farany avaratr' i Afrika ary any amin' ny farany atsimo. Ny ala eo amin' ny faritry ny Fehibe dia alam-pehibe: mikitroka, mando (ilatsahan' ny orana mandavan-taona) Ny karazan-kazo hita matetika ao amin' ny ala mafana dia ny baobaba, ny akasia, ary « pin ».
Any Azia
[hanova | hanova ny fango]Ny ala any Azia dia ala mivelatra. Ny ohatra iray dia ny alan' i Komi, any Rosia. Betsaka ny karazan-kazo misy.
Any Amerika
[hanova | hanova ny fango]Any Amerika Avaratra, ny ala dia alan'ny tany mangatsiaka any avaratra, ala mando mangatsiaka any avaratra andrefana ary tahaka ny alan'ny tany eo amorontsiraky ny Mediteranea any atsimo-andrefana. Ny ala any atsimo-atsinanana dia ala mando (any Florida). Ny karazan-kazo misy anatin' ny alan' i Amerika Avaratra dia ny pin.
Any Amerika Atsimo, ny ala amazônianina dia ala mando.
Tondro
[hanova | hanova ny fango]