Aller au contenu

Faritanin' i Chaharmahal sy Bakhtiari

Avy amin'i Wikipedia
Ny Faritanin' i Chaharmahal sy Bakhtiari

Ny Faritanin' i Chaharmahal sy Bakhtiari (persiana: استان چهارمحال و بختیاری / Čahârmahâl va Baxtiyâri) dia iray amin' ny faritany 31 ao Iràna. Ny renivohiny dia ny tanànan' i Shahr-e Kord. Ity faritany ity dia ao amin' ny tapany atsimo-andrefan' ilay firenena, manana velarana 16 332 km2. Ny isan' ny mponina ao aminy dia 895 263 (tombanana tamin' ny taona 2011).

Ny Faritanin' i Chaharmahal sy Bakhtiari dia faritan' ny Faritanin' i Isfahan ao atsinanana, ny Faritanin' i Lorestan ao avaratra, ny Faritanin' i Khuzestan any andrefana ary ny Faritanin' i Kohguiluyeh-sy-Buyer-Ahmad any atsimo. Ity faritany ity dia manana prefektiora misa 11, tanàn-dehibe 43, distrika 27 ary distrika ambanivohitra 51.

Nampidirina ho anisan' ny Faritra 2 ity faritany ity tamin' ny fitsinjarana ny faritany ao Iràna ho faritra 5 tamin' ny 22 Jona 2014, izay natao ho an' ny fandrindrana sy ny fampandrosoana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]