Fivavahan-drazana sinoa
Ny fivavahan-drazana sinoa, antsoina koa hoe fivavaham-bahoaka sinoa (sinoa : 中国民间信仰 ; ara-bakiteny: "finoam-bahoaka sinoa"), ny senisma ("fivavahan' ireo andriamanitra" na "fivavahan' ireo fanahy", avy amin' ny teny sinoa hoe: 神; pinyin: shen) na fivavahana sinoa fotsiny), dia fivavahana manambatra finona samihafa (sinkretista) sady mino andriamanitra maro (pôliteista) izay arahin' ny ankamaroan' ny Hana (汉族 / 漢族, hànzú) (izay nisy fiatoana teo anelanelan' ny taona 1949 sy 1980 tao amin' ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina), izay ampidirana koa ny sekoly taôista.
Tafiditra ao anatin' ny finoany ny fanajana ny shen (fanahy) sy ny razana, ny fandroahana ny herin' ny demony, ary ny finoana ny filaminana voasaina misy eo amin' ny zavaboary, ny fifandanjana eo amin' izao rehetra izao sy ny zava-misy izay mety hiharan' ny asan' ny olombelona sy ny mpitondra azy, ary koa ny an' ny fanahy sy ny andriamanitra. Ny fanompoam-pivavahana dia atokana ho an’ ny andriamanitra sy ny tsy mety maty, izay mety ho andriamanitry ny toerana na zava-miseho voajanahary, andriamanitry ny fitondran-tenan' olombelona, na mpanorina firazanana.
Angonina ao amin' ny fedrà sinoa ny tantaran' ireo andriamanitra ireo. Tamin' ny tarana-mpanjaka Song (960-1279), ireo fanao ireo dia nifangaro amin' ny foto-pampianarana bodista sy taôista ka namorona ny fivavaham-bahoaka izay naharitra tamin' ny fomba maro mandraka ankehitriny.
Mbola velona tokoa ity fivavahana ity any amin’ ny faritra misy fonenan' ny Sinoa ivelan’ i Sina, toa an' i Taiwan na i Hong Kong. Tao amin' ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina, taorian' ny fampitsaharana ny fampitana ny fomban-drazana, dia natao tao anatin' ny rafitra voafetra kokoa noho ny teo aloha ny fanohizana ny fanompoam-pivavahana. Fivavahana dimy ihany mantsy no nekena sy nasehon' ny fikambanana ôfisialy iray: ny taôisma, ny bodisma, ny silamo, ny prôtestantisma, ary ny katôlisisma. Tsy manana sata ôfisialy àry ilay fivavaham-bahoaka amin' ny ankapobeny, fa ny sekoly taôista sasany ihany no ekena.
Teraka tao amin' ny faritra iray eto amin' izao tontolo, izao izay tsy mahafantatra loatra ny fanarahana manokana finoana iray, ny fivavahan-drazana sinoa, izay mifototra amin' ny fomba fijery izao rehetra izao sy ny toeran' ny olombelona, izay iombonan' ny rehetra. Ny finoana ao amin' ity fivavahana ity sy ny fanaony, izay niampita hatramin' ny taranaka nifandimby, dia vokatry ny fifangaroan’ ny finoana sy fanao maro isan-karazany. Fototra ara-pivavahana iraisana izay tsy nomen' ny Sinoa anarana izany (tahaka ny namoronana ny atao hoe hindoisma, izay tsy niforona raha tsy naka amin' ny tenim-pinoana isan-karazany avy any ivelany). Tsy miresaka afa-tsy singa mahakasika ny fivavahana: fanao, olo-malaza sns àry ny voambolana. Ohatra, ny bai bai (拜拜 / bàibai, "fankamasinana") dia manondro ny fanao mahazatra indrindra, dia ny vavaka amin' ny andriamanitra miaraka amin' ny fanatitra; ny daoshi (道士, dàoshì, "manam-pahaizana taôista") dia manam-pahaizana manokana izay nanaraka ny fampianaran' ny mpampianatra iray (tsy fantatry ny tontolo sinoa nentim-paharazana ny atao hoe "mpino taôista").
Io tsy fisian' ny anarana manokana mifandray amin' ny an' ny kanôna io dia nahatonga ity fivavahana ity hoheverin' ny Tandrefana hatry ny ela ho mitovitovy amin' ny fanompoam-pivavahana amin' ny olo-masina eo amin' ny tontolo katôlika, ka noheveriny ho fahasimban' ny "fivavahana tena izy” any amin' ny vahoaka.
Saika tsy hita amin' ny antontanisa rehetra momba ny fivavahana any Azia àry ity fivavahana ity, ka voarakitra ao amin' ny sokajy “Taôista” na “Bodista” ny mpanaraka azy, eny fa hatramin' ny “Kônfosianista". Na izany aza, araka ny loharanom-baovao iray dia misy 394 tapitrisa, fara fahakeliny, ny mpanaraka an' io fivavahana io eran-tany. Ambonin' izany, araka ny fikarohana nataon' i Chu Hai-yuan tamin' ny taona 1988 ho an' ny Academia Sinica, dia 30 ka hatramin' ny 65 % amin' ny Taioaney no misafidy io fivavahana io rehefa omena fahafahana hanao izany izy ireo.