Aller au contenu

Harpa

Avy amin'i Wikipedia
Harpa sy mpitendry azy

Ny harpa dia zavamaneno misy tadiny, matetika miendrika teloafy sy vita amin' ny hazo, misy tady mihenjana manana halava samihafa, ka ny fohy indrindra dia manome maripeo avo indrindra, ny tady dia kitihina amin' ny rantsantanana mba hampaneno azy. Ny harpa dia azo amboarina amin' ny fomba samihafa. Manana andalan-tadiny sy fandraiketana pedaly maro ny sasany. Fahiny elabe, ny tadin' ny harpa dia natao tamin' ny tsiraky ny ozatry ny biby. Ny akora hafa dia ny tsinaim-biby, ny tsiraka zava-maniry, ny rongony norandranina, tady landihazo, landy, nylon ary tariby.

Hita tany Mesôpôtamia (Iràka ankehitriny) sy tany Persia (Iràna ankehitriny) ary tany Ejipta ny sarin' ny harpa, toy izany koa ny tany India sy tany Sina tatỳ aoriana. Tamin' ny Andro Antenatenany dia niely manerana an' i Eorôpa ny harpa. Nahitana harpa nanerana an' i Amerika izay zavamaneno nantim-paharazana tany amin' ny faritra sasany tao. Nisy koa ny endrika miavaka nipoitra aty Afrika.

Ny harpa dia azo tendrena amin' ny fomba samihafa, mitsangana na mipetraka, anaty ôrkesitra na amin' ny kônseritra. Manana hevitra an' ohatra ara-pôlitika ny harpa ary matetika ampiasaina amin' ny sary famantarana, anisan' izany ny any Irlandy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]