Aller au contenu

Iazdanisma

Avy amin'i Wikipedia

Ny iazdanisma dia teny entin' ny mpikaroka eny amin' ny oniversite anondroana ny fivavahana mônôteista taloha izay manao fanompoam-pivavahana amin' ny anjely (iazdân), izay nataon' ny Kiorda talohan' ny niitaran' ny tany fehezin' ny Arabo tamin' ny taonjato faha-7 sy ny fanovana azy ireo ho amin' ny finoana silamo. Atao hoe "iazdanita" ny mpanaraka io fivavahana io. Ny iazdanisma dia mino ny fahaterahan' ny zavamananaina indray miaraka amin' ny fanahin' ny zavamananaina hafa efa maty taloha, sahala amin' ny hindoisma, ary misy anjely fito izay inoany fa miaro an' izao tontolo izao amin' ny devoly na demony fito.

Manaraka ny iazdanisma ny ampahatelon' ny mponina ao Kordistàna. Ankehitriny dia heverina ho anisan' ny firehan' ny finoana silamo ny iazdanisma (tsy anisany ny iezidisma, izay sampan' ny iazdanisma), satria manatanteraka takia (fanao anafenana ny fioany mba hialana amin' ny fanenjehana) sy fombam-pivavahana mozilmàna sasantsasany. Tsikerain' ny Mozilmàna anefa izy ireo satria heveriny fa manatanteraka izany fombam-pivavahana izany ho fomba ivelambelany fotsiny ary ny fototry ny finoany dia tsy mozilmàna.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Fivavahana iraniana

[hanova | hanova ny fango]