Aller au contenu

Mponina ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô

Avy amin'i Wikipedia
Fianakaviana any Rutshuru, Nord Kivu, Repoblika Demôkratikan' i Kôngô

Ny mponina ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô dia ahitana tanora betsaka, ka 60 %n' ny olona monina ao dia latsaky ny 20 taona. Tombanana ho 107 tapitrisa ny mponina ao amin' io firenena io tamin' ny taona 2021. Efa nisy olona ity faritra ity tamin' ny 200 000 taona tal. J.K. Ny vondrom-poko lehibe indrindra dia ny Kôngô (Kongo), ny Bateke (Bateke), ny Loba (Luba), ny Londa (Lunda) ary ny Koba (Kuba).

Ny vahoaka

[hanova | hanova ny fango]

Ny mponina voalohany

[hanova | hanova ny fango]

Efa nisy olona ity faritra ity tamin' ny 200 000 taona tal. J.K. Ny lemaka midadasika kôngôley tamin’ izany fotoana izany dia rakotry ny ala tsy nisy nanimba. Tany amin’ ny taonarivo faharoa dia nisy mpamboly banto, avy any amin' ny faritra eo anelanelan' ny tapany atsinanan' i Nizeria sy ny Grassfields any Kamerona, hatramin' ny 2600 tal. J.K., niditra tao amin’ io faritra io ka niorim-ponenana amin’ ny morontsiraka sy teny amin’ ny lembalemba atsinanana sy atsimo, ka teny izy ireo no nanangana fiarahamonina tarihin’ ny lehibem-poko.

Nisy ny fanjakà-mpanjaka niorina koa teo anelanelan' ireo taonjato voalohany taor. J.K. sy ny taonjato faha-15, ka ny lehibe indrindra amin' ireo dia ny fanjakan' i Loba (Luba) sy ny fanjakan' i Londa (Lunda) ary ny fanjakan' i Kôngô (Kongo). Tamin’ ny taona 1482 dia nifandray voalohany tamin’ ny fanjakà-mpanjaka banto tao Kôngô (Kongo) ny Pôrtogey.

Ny vahoaka ankehitriny

[hanova | hanova ny fango]

Ny mponina ao amin’ ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô dia nahatratra any amin’ ny 68 008 922 tamin’ ny taona 2008, izay manana salan-kakitroka 30 mp/km². Ny toerana tena be mponina dia ao amin’ ny faritra fitrandrahana harena an-kibon’ ny tany ao Shaba sy ao amin’ny Bas-Congo. Latsaky ny ampahatelon’ ny mponina no monina an-tanàn-dehibe. Tamin’ ny taona 2008 dia 42,50 ‰ ny taham-pahaterahana, ary ny taham-pahafatesan’ ny zaza dia 64 ‰ ary ny salam-pahela velona dia 57,6 taona. Nahatratra 107 tapitrisa ny isan' ny mponina tamin' ny taona 2021, izay mahatonga azy ho firenena laharana faha-14 amin' ireo be mponina indrindra.

Ny vondrom-poko sy foko

[hanova | hanova ny fango]

Ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô dia ahitana vondrom-poko fito sy zana-poko mihoatra ny telonjato. Ny vondrona lehibe indrindra dia vondrona banto: ny Kôngô (Kongo), ny Bateke (Bateke), ny Loba (Luba), ny Londa (Lunda) ary ny Koba (Kuba). Ao avaratra no ahitana ny Nilôtika sy  ny Pigmea (izay monina any amin’ ny faritra be ala). Izao ny antsipiriany amin' ny foko ao amin' ny RDK.

Vahoaka banto (80 %)

[hanova | hanova ny fango]
Luba (18 %), Mongo (17 %), Kongo (12 %)
Hafa: Ambala, Ambuun, Angba, Babindi, Baboma, Baholo, Balunda, Bangala, Bango, Batsamba, Bazombe, Bemba, Bembe, Bira, Bowa, Dikidiki, Dzing, Fuliru, Havu, Hema, Hima, Hunde, Iboko, Kanioka, Kaonde, Kuba, Kumu, Kwango, Lengola, Lokele, Lupu, Lwalwa, Mbala, Mbole, Mbuza (Budja), Nande, Ngoli, Bangoli, Ngombe, Nkumu, Nyanga, Pende, Popoi, Poto, Sango, Shi, Songo, Sukus, Tabwa, Chokwe, Téké, Tembo, Tetela, Topoke, Ungana, Vira, Wakuti, Yaka, Yakoma, Yanzi, Yéké, Yela sns.

Vahoaka sodanika tanivo sy obangiana

[hanova | hanova ny fango]
Ngbandi, Ngbaka, Manvu, Mbunja, Moru-Mangbetu, Zande, Lugbara

Vahoaka nilôtika

[hanova | hanova ny fango]
Alur, Kakwa, Bari, Logo
Mbuti, Twa, Baka, Babinga

Ny fivavahana

[hanova | hanova ny fango]

Ny fivavahana ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô dia anjakan' ny kristianisma izay arahin' ny ankamaron' ny mponina (50 %). Ao aorian' izany ny fivavahan-drazana (11,5 %) sy ny fivavahana silamo (2 %). Hita ao koa ny fivavahana hafa toy ny jodaisma sy ny hindoisma ary ny bahaisma izay vitsy dia vitsy mpanaraka.

Ny kristianisma

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny fiantombohan' ny taonjato faha-16, tamin' ny andro najakan' i Nzinga Mbembe dia lasa fivavaham-panjakana ny katôlisisma, izay nampidirin' ireo Zezoita. Tsy ny Zezoita ihany anefa no nanatanteraka ny asan' ny misionera fa tao koa ny Fransiskanina, ny Dôminikanina, sy ny maro hafa. Ankehitriny Katôlika ny mponina kôngôley miisa 35 000 000 any ho any, izany hoe manakaiky ny antsasaky ny isan' ny vahoaka kôngôley (50 %).

Ny misiona prôtestanta tao Kôngô voalohany dia nalefan' ny British Baptist Missionary Society izay tonga tao tamin'ny taona 1878. Tamin' ny taona 2016 dia tombanana ho ny 20 %n' ny vahoaka ao amin' ny Repoblika Demôkratikan’ i Kôngô no Prôtestanta, ka tsy isan' izany ny Kibangista.

Ny fivavahana kristiana hafa dia arahin' ny 1 %n' ny mponina (Olomasin' ny Andro Farany, sns).

Ireo fiangonana mahaleotena afrikana dia naorin' ny Afrikana tsy nisy fandraisana anjaran' ny misionera eorôpeana. Arahin' ny 13,5 %n' ny mponina ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô ireo karazam-pivavahana ireo, ka saika izy rehetra ireo dia manaraka ny kimbangisma, fa ny hafa manaraka ny jamaa sy ny kitawala, sns.

Ny fivavahana silamo

[hanova | hanova ny fango]

Tonga tao Kôngô ny fivavahana silamo tamin' ny taona 1860, nentin' ireo mpivarotra vangin' elefanta sy mpivarotra andevo avy any Afrika Atsinanana. Vitsy anisa ny Mizolmana, izay laharana faharoa aorian'ny Kristiana, raha ny isan' ny mpino no heverina. Tsy fantatra marina ny isan' izy ireo: ny Pew Research Center dia manambara fa 1,5 %n' ny mponina ao amin' ny Repoblika Demôkratikan’ i Kôngô izany, nefa ny World Factbook an' ny CIA (Etazonia) dia milaza fa 10 % izany. Ny 50 %n' izy ireo dia Sonita fa ny 10 % kosa Siita ary ny 15 % dia Ahmady.

Fivavahana hafa

[hanova | hanova ny fango]

Ny 11,5 %n' ny Kôngoley dia manaraka ny fivavahan-drazana afrikana, izay mivavaka amin' ny Razana sy mino ny herin' ny fanahy eny amin' ny natiora ary mamonjy ombiasa sy ny sahala amin' izany hafa. Ahitana olona vitsy manaraka ny jodaisma sy ny hindoisma ary ny bahaisma ka an-tanàn-dehibe misy raharaham-barotra ahitana azy ireo.

Ny fiteny

[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny eorôpeana

[hanova | hanova ny fango]

Ny teny frantsay no teny ôfisialin’ ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô. Ny fiteny frantsay no fiteny ôfisialin' ny ny Repoblika Demôkratikan’ i Kôngô. Ny Repoblika Demôkratikan’ i Kôngô no firenena miteny frantsay misy mponina betsaka indrindra maneran-tany, ary tamin'ny taona 2016 dia Kôngôley miisa 37 000 000 any ho any (47 %n' ny mponina) no mahay mamaky teny sy manoratra amin' ny teny frantsay.

Ny fiteny anglisy kosa dia ampianarina eny amin' ny anjerimanontolo mba hahafaha-misokatra amin' ny tontolo sy hahafaha-manaraka ny fandrosoana sy ny fikarohana.

Fiteny afrikana

[hanova | hanova ny fango]

Misy fiteny tompon-tany (fitenim-poko) miisa 220 ny ao amin’ io firenena ka ny ankamaroan’ ireo dia fiteny banto, nefa ny efatra no natao fitenim-pirenena ifaneraseran’ ny mponina, dia ny fiteny soahily, ny fiteny lingala, ny fiteny kikôngô ary ny fiteny tsiloba. Ny fiteny soahily  dia tenenin’ny 35 %n’ ny mponina ao amin’ ny Repoblika Demôkratikan’ i Kôngô ao ao amin’ ireo ivontoerana lehibe sy ao amin’ ny faritra atsinanana (Katanga, Nord-Kivu, Sud-Kivu, ary ny faritra atsimo atsianan’ ny faritany Orientale). Ny fiteny lingala dia tenenin’ ny 30 %n’ ny mponina, ao Kinshasa sy ao amin’ ny faritanin’ i Bandundu, ao amin’ ny faritanin’ i Équateur ary ao amin’ ny faritany Orientale. Ny fiteny kikôngô  izay tenenin’ny 15 %n’ ny mponina, ao Bas-Congo. Ny fiteny tsiloba  izay ampiasain’ ny 15 %n’ ny mponina, ao amin’ ny faritany roa ao Kasaï.

Ny fampianarana sy ny fahasalamana

[hanova | hanova ny fango]

Ny fampianarana

[hanova | hanova ny fango]

Tamin’ ny taona 2005 dia nahatratra 89,8 %n’ ny mponina no mahay mamaky teny sy manoratra. Zaza telo amin’ ny efatra (75 %) no tafiditra an-tsekoly tamin’ ny taona 1980. Na dia izany aza, ny fifanolanana ara-pôlitika tamin’ ny taona 1990 dia niteraka fihenanan’ ny fankanesan’ ny zaza ny an-tsekoly tamin’ ny faritra maro, noho izany dia nidina ambanin’ ny 40 % isan’ ny zaza 12 hatramin’ ny 17 taona mianatra. Na dia ambany dia ambany aza ny tahan' ny fidirana an-tsekoly any amin’ ny ambaratonga fahatelo dia ahitana oniversite telo ny Repoblika Demôkratikan’ i Kôngô izay miorina ao Kinshasa sy Lubumbashi ary Kisangani.

Ny fahasalamana

[hanova | hanova ny fango]

Tsy ampy ny fandaminana momba ny fitsaboana. Nihanaka izaitsizy ny ny sida. Tamin’ ny volana Avrily 1995 dia nisy valan’ aretin-tazo mahavery ra vokatry ny virosy Ebola (avy amin’ ny anaran’ ny renirano Ebola; izay akainkin’ ny tanàna nahitana voalohany ilay aretina tamin’ ny taona 1976) izay namono olona mihoatra ny 160 tao amin’ ny faritr’ i Kikwit ao atsinanan’ i Kinshasa.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]