Papoa (vahoaka)
Ny Papoa dia vahoaka tompon-tany ao Ginea Vaovao (izay nosy ao Ôseania), sy ao Melanezia ao amin' ny Ranomasimbe Pasifika, izay mitsinjara amin' i Ginea-Vaovao Andrefana (izay eo ambany fiandrianan' i Indônezia sy i Papoazia-Ginea-Vaovao).
Fiavian' ny Papoa
[hanova | hanova ny fango]Ny Papoa dia isan' ireo vahoaka nifindra monina avy any Azia Atsimo-Atsinanana nankany Ôseania efa ho anarivony taona lasa izay, raha mbola azo niampitana ny ranomasina tsy mbola nandrakotra ireo andilan-tany maro tamin' izany. Izy ireo no azo heverina fa andiany voalohany tamin' ny mpifindra monina nankany Ginea Vaovao izay nihaonan' ny mpifindra monina hafa taty aoriana.
Ny foko papoa
[hanova | hanova ny fango]Ny mponina ao Ginea Vaovao dia ahitana foko madinidinika maro dia maro, izay samy manana ny kolontsainy sy ny fiteniny ary ny toetra ara-batany avy. Isan' ny vahoaka melaneziana izy ireo.
Fiaraha-monina
[hanova | hanova ny fango]Ireo fianakaviambe na foko ireo dia matetika miady, ka ny tena niadiana tamin' izany dia ny vehivavy sy ny tany, ary ny kisoa, ary izany dia matetika miafara amin' ny lanonana fampihavana arahana fanomezana valisoa, aorian' ny fahafatesan' ny mpiady. Hatramin' izao dia mbola misy ny ady amin' ny samy foko na dia raràn' ny lalàna aza izany.
Toekarena
[hanova | hanova ny fango]Miompana amin' ny fambolena zavamaniry fihinam-body ny fiharian-karenan' izy ireo, nefa misy tsy fitoviana lehibe ny fomba fiainana eo amin' ny foko samihafa, ka ao ireo mpihaza sy mpioty tsy miorim-ponenana, ao koa ireo mpamboly miorim-ponenana, ary ao ny anelanelan' izay. Ny fifanakalozan-javatra toy ny kisoa sy ny akoran-driaka ary ny sira, izay fanao fanomezana, dia nanana ny anjara toerany tamin' ny fifandraisana ara-pôlitika sy teo amin' ny fanambadiana.
Pôlitika
[hanova | hanova ny fango]Taloha
[hanova | hanova ny fango]Amin' ny foko sasany dia izay lehilahy nahangon-karena indrindra no voatendry ho lehibem-poko, izay heverina fa hitsinjara izany indray. Amin' ny sasany hafa kosa dia ifandovana na omena araka ny fahamedrehana ny maha lehibem-poko.
Ankehitriny
[hanova | hanova ny fango]Nozarain' ny mpanjana-tany ho roa ny vahoaka papoa, ka ny tao amin' ny tapany andrefana amin' i Ginea Vaovao, izay zana-tany hôlandey taloha, dia nanjary faritany ao Indônezia, antsoina hoe Irian Jaya, fa ny tapany atsinanana dia lasa firenena mahaleo tena: i Papoazia-Ginea-Vaovao nanomboka tamin' ny taona 1975.
Kolontsaina
[hanova | hanova ny fango]Zavakanto
[hanova | hanova ny fango]Ny zavakanto ao amin' ireo vahoaka papoa dia samy manana ny azy. Nefa ny tena fahita matetika dia ny haingo amin' ny alalan' ny fanipitsipihana mibiloka, ny tsy fampiasana ny zavatra vita amin' ny hazo amin' ny fanamboarana ireo zavatra momba ny fanompoam-pivavahana toy ny saron-tava amboarina amin' ny zavatra tenomina, sy fanomezan-toerana kely dia kely ny sary sokitra.
Fiteniny
[hanova | hanova ny fango]Miisa any amin' ny fitonjato any ho any ny fiteny tenenin' izy ireo, izay mitsinjara amin' ny fiteny malaiô-pôlineziana ntaolo sy fiteny malaiô-pôlineziana andaniny, izay sampam-piteny ao amin' ny fianakaviam-piteny aostrôneziana, sy fiteny papoa ankilany.
Ny vondrom-piteny papoa dia sady tsy fiteny aostrôneziana no tsy fiteny aostraliana. Tsy mamorona fianakaviam-piteny ny fiteny ao amin' io vondrona io. Ao Ginea Vaovao sy ao amin' ireo nosy manakaiky azy ary ao amin' ny ampahany sasany amin' i Indônezia atsinanana no misy ny mpiteny papoa.