Aller au contenu

Tambinteny

Avy amin'i Wikipedia

Ny tambinteny dia teny (sokajin-teny) izay natao hanova na hanampy hevitra ny teny na andian-teny hafa toy ny matoanteny, ny mpamari-toetra, ny tambinteny hafa, ny mpampiankin-teny, ny fehezankevitra, ny fehezanteny sns ka ny hevitra ambarany amin' izany dia mety ny fomba, ny toerana, ny fotoana, ny fahatetehana, ny hamafy, ny antoka, sns, ka ahafahana mamaly ny fanontaniana hoe: amin' ny fomba ahoana?, oviana?, aiza?, sns. Ny tarika foronin' ny tambinteny sy ny teny na tarika mameno azy no anatao hoe "tarika tambinteny".

Afaka ialohavana na arakarahin-teny (na andian-teny) mameno azy ny tambinteny ka ahazoana ny atao hoe "tarika tambinteny", ary ireo teny maneno azy ireo no atao hoe "famenon' ny tambinteny".

Famenon' ny tambinteny

[hanova | hanova ny fango]

Ny famenon' ny tambinteny dia teny na andian-teny mameno ny tambinteny ka mety misy na tsy misy mpampiankin-teny manakambana azy amin' ny mpamari-toetra fenoiny, arakaraka ny fiteny. Ny andian-teny foronin' ny tambinteny sy ny famenony no atao hoe "tarika tambinteny".

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]