Aller au contenu

Tempoly Faharoan' i Jerosalema

Avy amin'i Wikipedia
Temploly Faharoan' i Jerosalema

Ny Tempoly Faharoan' i Jerosalema eo amin' ny fivavahana jiosy dia ny Tempolin' i Jerosalema naorina tamin' ny taona taona 536 tal. J.K. sady vita tamin' ny taona 515 tal. J.K., taorian' ny fahababoan' ny Jiosy tany Babilôna izay nasolo ny Tempoly voalohany (atao hoe Tempolin' i Sôlômôna) noravan' ny Babilôniana tamin' ny taona 586 tal. J.K. Narodan' ny Rômana izany tempoly izany tamin' ny taona 70 taor. J.K.

Amin' ny teny hebreo ity tempoly ity dia atao hoe בֵּית־הַמִּקְדָּשׁ‎ הַשֵּׁנִי‎ Bēṯ / hamMīqdāš hašŠēnī, izay midika hoe "Trano Faharoan' ny Masina".

Tantaran' ny Tempoly faharoa

[hanova | hanova ny fango]

Faharavan' ny Tempoly Voalohany

[hanova | hanova ny fango]

Ilay Tempoly Voalohany namboarin' ny mpanjaka Sôlômôna tamin' ny taona 957 tal. J.K. dia noravan' i Nebokadnetsara II niaraka amin' i Jerosalema tamin' ny taona 586 tal. J.K. (425 tal. J.K. hoy ny loharano jiosy) sady nentiny ho babo any Babilôna ny ampahany amin' ny mponina tao Jodea tamin' izany fotoana izany.

Fanorenana ny Tempoly Faharoa, sary nataon' i Gustave Doré, taona 1866.

Fanorenana ny Tempoly Faharoa

[hanova | hanova ny fango]

Araka ny Bokin' i Ezra (na Bokin' i Esdrasa) dia ny mpanjaka Kirosy Lehibe no nanome alalana ny fanamboarana ny Tempoly faharoa (hebreo: בֵּית־הַמִּקְדָּשׁ הַשֵּׁנִי‬ / Beit HaMikdash HaSheni)) izay nanomboka tamin' ny taona 538 tal. J.K. iray taona taorian' ny faharavan' ny Fanjakana Babilôniana. Ny Tempoly faharoa dia namboarina tamin' ny taona 536 tal. J.K., taona niverenan' ny Jiosy (Jodeana) avy any Babilôna nahababoan' izy ireo. Naorina teo amin' ny toerana nisy ny Tempoly Voalohany ny Tempoly Faharoa. Vita tamin' ny taona 515 tal. J.K. ilay tempoly tamin' ny nanjakan' i Dariôsy Lehibe sy teo ambany fitarihan' i Zôrôbabela, mpanapaka (governora) tamin' izany fotoana izany. Natokana io tempoly io afaka roapolo taona (taona 516 tal. J.K.) taorian' ny fanombohan'ny asa. Naitatr' i Herôda I ilay tempoly tamin' ny taona 19 taor. J.K. ka nomena ny anarana hoe "Tempolin' i Herôda".

Faharavan' ny Tempoly Faharoa

[hanova | hanova ny fango]
Fahirano sy fandravan' ny Rômana an' i Jerosalema, sary nataon' i David Roberts tamin' ny taona 1850, jerena avy ao atsimo andrefana

Tamin' ny taona 70 taor. J.K. dia narodan' ny Rômana faha Titosy tamin' ny fiafaran' ny ady nifanaovan' ny Jiosy sy ny Rômana ny Tempoly Faharoan' i Jerosalema. Amin' izao dia tsy misy sisa afa-tsy ny rindrim-panohanana ny kianjan' ny tempoly sy ny sisan' ny andohalambo fidirana ao amin' ny kianjan' ny tempoly.

Firafitry ny Tempoly faharoa

[hanova | hanova ny fango]

Ny firafitry ny Tempoly faharoa

[hanova | hanova ny fango]

Ny Tempoly faharoa dia mizara telo lehibe: ny Kianjaben' ny Tempoly sy ny Kianjakelin' ny Tempoly ary ny Tranon' ny Tempoly. Raha jerena amin' ny antsipiriany kokoa dia izao no fizaràna hita ao:

  • ny Kianjaben' ny Tempoly izay mivelatra eo ambonin' ny Tendrombohitry ny Tempoly sady miaty ny Kianjan' ny Jentilisa (na Kianjan' ny Jentily): ahitana mpivarotra ny zavatra ilaina amin' ny fanatanterahana sorona sy fanatitra (voromailala, ondry, sns) sy ny mpanakalo vola jiosy sy vola rômana;
  • ny Kianjan' ny Vehivavy na Kianja Afovoany (hebreo: עזרת הנשים / Ezrat HaNashim; na עזרת נשים‬ / Ezrat Nashim) izay hany faritra azon' ny vehivavy aleha;
  • ny Kianjan' ny Israelita na Kianjan' ny Lehilahy izay natokana ho an' ny lehilahy jiosy madio;
  • ny Kianjan' ny Mpisorona, izay isahanan' ny mpisorona andraikitra maro ao amin' ny Tempoly;
  • ny Kianjan' ny Tempoly na Azarah izay ahitana ny toeram-pidiovana (hebreo: כִּיּוֹר‬ / kiyor), ny alitara (na ôtely) fanaovana fafatitra dorana (hebreo: מִּזְבֵּחַ / mizbe'ah), ny Toerana famonoana biby, ary ny Tranon' ny Tempoly.

Ny ao anatin' ny trano Tempoly

[hanova | hanova ny fango]

Ny ao anatin' ny tranon' ny Tempoly faharoa dia mbola misy ireto fizarana telo ireto:

  • ny efitrano fidirana ao amin' ny Tempoly (hebreo: ulam);
  • ny fitoerana masina ao amin' ny Tempoly (hebreo: היכל‎ / hekhal "trano lehibe"): efitra lehibe amin' ny Tempoly; ao no ahitana ilay fanaovan-jiro fito rantsana sy ny latabatra natokana ho an' ny "mofo aseho" ary ny alitaran' ny emboka manitra;
  • ny Masina Indrindra (hebreo: קֹדֶשׁ הַקֳּדָשִׁים / Kodesh HaKodashim "masina amin' ny masina" na דְּבִיר / debir): efitra anantiny indrindra ao amin' ny Tempoly.

Ny vavahadin' ny Tempoly

[hanova | hanova ny fango]

Ahitana vavahady telo ambin' ny folo ny fidirana ao amin' ny faritry ny Tempoly ka ireto izy ireo:

  • Shaar Ha'Elyon ("vavahadin' ny Avo Indrindra")
  • Shaar HaDelek ("vavahadin' ny hazo fandrehitra") natokana hampidirana ny hazo hatao fandrehitra;
  • Shaar HaBekhorot ("vavahadin' ny voalohan-teraka") fampidirana ny voalohan-teraky ny boby fiompy atao fanatitra;
  • Shaar HaMayim ("vavahadin-drano") fampidirana ny rano hatao fanatitra amin' ny fankalazana ny fetin' ny Tabernakely na Sukkot;
  • Shaar Yekhonyah ("vavahadin' i Jekônia") fidiran' ireo mpanjaka taranak' i Davida sady nisamboran' ny mpanjakan' i Babilôna an' i Jekônia mpanjaka farany;
  • Shaar HaKorban ("vavahadin' ny fanatitra") fidiran' ny mpisorona mitondra ny fanatitra ho an' ny Kodshei Kodashim "masina indrindra";
  • Shaar HaNashim ("vavahadin' ny vehivavy") fidiran' ny vehivavy ao amin' ny Kianjan' ny vehivavy na ny Kianja lehibe (Azara) ho an' izay hanatanteraka fanatitra;
  • Shaar Hashir ("vavahadin' ny hira") fidiran' ny Levita miaraka amin' ny zavamanenony;
  • Shaar Nikanor ("vavahadin' i Nikanôra") eo anivon' ny vavahady kely roa ankavia sy ankavanany;
  • vavahady roa tsy manana anarana sady tsy dia manan-danja loatra.

Ny mpanao raharaha ao amin' ny Tempoly

[hanova | hanova ny fango]

Ny mpisorona sy ny Levita

[hanova | hanova ny fango]

Mizara roa ny mpisorona, dia ny mpisoronabe sy ny mpisorona tsotra.

Ny mpisoronabe

[hanova | hanova ny fango]
Mpisoronabe ao amin'ny Masina Indrindra

Ny mpisoronabe dia anaram-boninahitra nentin' ireo mpisorona tao amin' ny fivavahana israeliana fahiny sy ao amin' ny jodaisma, hatramin' ny nisandratan' ny firenena israelita ka hatramin' ny nadravana ny Tempoly Faharoa tao Jerosalema tamin' ny taona 70 taor. J.K. Tsy maintsy taranak' i Aarôna ny mpisoronabe. Nandritra ny vanimpotoan' ny Tempoly Faharoa dia anjara asan' ny mpisoronabe ny fisahanana ny maha filohan' ny Sinedriona azy. Ny asan' ny mpisoronabe dia nanjavona niaraka tamin' ny faharavan' ny Tempoly Faharoa. Heverina fa nisy mpisoronabe miisa 18 nandritra ny vanimpotoan' ny Tempoly Voalohany ary miisa 60 ny an' ny Tempoly Faharoa. Nanjavona niaraka tamin' ny faharavan' ny Tempoly ny mpisoronabe tamin' ny taona 70 taor. J.K.

Ny mpisorona tsotra

[hanova | hanova ny fango]
Mpisorona sy mpisoronabe ary levita, sary nataon' i Charles Foster, taona 1873

Ny mpisorona dia mpitondra fivavahana natokana hanatanteraka ny fanompoana ao amin' ny Tempoly ka olona nofidina avy amin' ny fokon' i Levy tsy taranak' i Aarôna izy ireo. Izy ireo no misahana ny fanaovana sorona, ny fampianarana ny Lalàn' i Mosesy (na Lalàn' i Môizy) amin' ny vahoaka, ny fandaminana ny fotoam-pivavanana ao amin' ny Tempolin' i Jerosalema ary ny fitsofan-drano ny vahoaka. Rehefa rava ny Tempoly Faharoa sy i Jerosalema tamin' ny taona 70 taor. J.K. dia tsy nihavery lanja ny mpisorona ary tsy nisy intsony ny asam-pisoronana eo amin' ny fivavahana jiosy.

Ny Levita

[hanova | hanova ny fango]

Ny Levita tsy mpisorona dia afaka manampy ny mpisorona amin' ny fanaovana raharaha amin' ny toerana sasany ao an-tempoly.

Ny mpanoradalàna sy ny raby

[hanova | hanova ny fango]

Ny mpanoradalàna

[hanova | hanova ny fango]
Mpanoradalàna

Ny mpanoradalàna tamin' ny voalohany dia ireo mpanao dika mitovy ny bokin' ny Lalàna (Tôrah), nefa niova miandalana ho mpitantsoratry ny tanàna na mpitantsora-panjakana izany taty aoriana. Matetika manao fivoasana ara-bakiteny ny Lalàna sady nampifantoka ny asany tamin' ny fandinihana ny Soratra Masina ny mpanoradalàna. Misy ny mpanoradalàna fariseo sy ny mpanoradalàna sadoseo ka tsy mitovy no matetika mifanohitra ny fomba fanaovany fivoasana ny Lalàna sy ny fitsipika ao amin' ny fivavahana sy fiarahamonina jiosy. Anjara asan' izy ireo dia ny mamaky eo anatrehan' ny vahoaka ny Tanakh sady manazava izany. Taorian' ny faharavan' ny Tempoly Faharoan' i Jerosalema dia ny mpanoradalàna no lasa nitahiry ny fivavahana jiosy.

Ny raby dia mpiandraikitra ny fanompoam-pivavahana sady filoha ara-panahy no mpitarika ara-pivavahana. Tamin' ny voalohany dia anaram-boninahitra nomena ireo mpampianatra ny Lalàna ny teny hoe raby. Ny raby dia sady mpandalina no mpanao fivoasana no mpampianatra ihany koa ny Tôrah. Ny lehilahy ihany no afaka misahana ny asan' ny raby tamin' ny vanimpotoan' ny Tempoly Faharoa.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]