Aller au contenu

Tovana (fitsipiteny)

Avy amin'i Wikipedia

Ny tovana dia hasin-teny, anisan' ny sokajin' ny tsirinteny izay fametraka eo aorian' ny fototeny mba hahazoana sampanteny na ho amin' ny tanjona hafa.

Ao amin' ny fiteny malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny fiteny malagasy dia ahitana ireto tovana ireto: -ina, -ana, -y , -o ary -a. Ny -ina sy ny -ana dia ampy ho an' ny matoanteny amin' ny filaza tsotra sy amoronana mpamari-toetra. Ny -y sy ny -o ary ny -a kosa ampiasaina amin' ny matoanteny amin' ny filaza mandidy.

Ohatra:

  • vono-inavonoina;
  • fahana-anafahanana;
  • volo-inavoloina;
  • vono-ina-yvonoy;
  • fahana-ana-ofahano.

Matetika dia manova endrika ny fototeny sy ny tovana ny fanakambanana azy roa ireo.

Ohatra:

  • maty-amatesa;
  • ma-hery-amahereza.

Ao amin' ny fiteny anglisy

[hanova | hanova ny fango]

Indreto ny sasany amin' ny tovana fampisampanan-teny ao amin' ny fiteny anglisy: -ise, -ize, -fy, -ly, -ful, -able, -ible, -hood, -ess, -ness, -less, -ism, -ment, -ist, -al, -ual, -ish, -oid, -like, -ity, -tion, -ion, -ation, -logy/-ology, -ant.

Ao amin' ny fiteny frantsay

[hanova | hanova ny fango]

Indreto kosa ny tovana fampisampanan-teny fampiasa matetika ao amin' ny fiteny frantsay: -able, -age, -el, -elle, -eri, -esse, -eur, -euse, -eux, -ier, -ière, -if, -iser, -isme, -iste, -ive, -ment, -ture,

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]