Aller au contenu

Amerika Avaratra

Avy amin'i Wikipedia
Amerika Avaratra

I Amerika Avaratra dia zana-kôntinanta, na kôntinanta iray, arakaraka ny fomba fijeryn izay fikambanana firenena telo: i Etazonia sy i Kanada ary i Meksika, na dia sokajiana ao Amerika Afovoany aza i Meksika ao amin' ny bokin-jeôgrafia somary efa taloha.

Ny Ranomasimbe Pasifika no mamaritra azy ao andrefana, ny Ranomasimbe Atlantika no ao atsinana ary ny Ranomasimbe Arktika no ao avaratra.

Mirefy 23,75 tapitrisa kilômetatra toradroa ny velaran' i Amerika Avaratra; i Kanada no firenena ngeza indrindra raha ny velarany no heverina, avy eo i Etazonia (9,63 tapitrisa km²) sy i Meksika (1,97 tapitrisa km²). Miisa 443,36 tapitrisa ny isan' ny mponina ao aminy ka i Etazonia no be mponina indrindra (301 tapitrisa, manana hakitroka 31 mponina isaky ny km²) arahin' i Meksika (107 tapitrisa) sy i Kanada (31 tapitrisa).

Sarin' i Amerika Avaratra azo avy amin' ny zanabolana

Ny tanàna ngeza indrindra ao Amerika Avaratra dia i Mexico (ao Meksika), i New York (ao Etazonia), i Los Angeles (ao Etazonia) ary i Chicago (ao Etazonia).

Indreto ny fiteny miasa: ny fiteny anglisy (any Kanada sy any Etazonia) sy ny fiteny espaniôla (any Meksika sy any amin' ny tapany atsimo amin' i Etazonia) ary ny fiteny frantsay (ao Québec, any amin' ny faritra atsinanana amin' i Kanada).

Fizaràna jeôpôlitika

[hanova | hanova ny fango]

Any avaratry ny kôntinantan' i Amerika dia misy an' i Amerika Avaratra, mamondrona ny firenena manaraka:

  • Any avaratra-atsinananan' ny kôntinanta, ny nosy Groenland ("tanimaitso"), nosy faharoa ngeza indrindra eran' izao tontolo izao (ao aorian' Aostralia). Ara-jeôgrafia, izy io dia ao amin' ny kôntinantan' i Amerika Avaratra, fa raha amin'ny ara-pôlitika, izy dia fizaran-tany mizaka tenan' ny fanjakan' i Danemarka.
    Sarin-tany ara-pôlitikan' i Amerika Avaratra

Tantara'ny mponina

[hanova | hanova ny fango]

Tantara prekôlômbiana

[hanova | hanova ny fango]

Amerika, zanatany eoropeanina

[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Amerika Avaratra

[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Amerika Avaratra

Firenena ao Amerika Afovony

Fiteny ao Amerika Avaratra

[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny ao Amerika Avaratra dia ireo fiteny ampiasaion' ny mponina ao amin' io ampahan-kôntinanta io (anisan' izany i Amerika Afovoany sy ny tangoro-nosy Antilia), izay ny ankamaroany dia nampidirin' ny mpanjana-tany eorôpeana. Taloha dia niely ny fiteny amerindiana, nefa ankehitriny dia voasolon' ny fiteny eorôpeana efatra lehibe, dia ny fiteny anglisy, ny fiteny espaniôla, ny fiteny frantsay ary ny fiteny neerlandey. Manampy an' ireo ny fitenin' ny mpifindra monina, indrindra ny fiteny italiana, ny fiteny alemàna ary ny fiteny sinoa maro. Maro koa ny fiteny kreôly izay niforona.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Ny kôntinanta

Faritra ao Amerika