Andriamangarira
Andriamangarira dia mpanjaka nanorina an'Antsahadinta tamin’ny taona 1725. Teraka tao Ambohitrontsy tamin’ny taona 1695 izy ary niamboho sy nafenina tao Antsahadinta tamin’ny taona 1775 teo amin’ny faha-80 taonany. Andriandambozozoro no rainy ary Rasohanamanjaka no reniny, izay samy Andriamasinavalona. Andriambolamena zanany lahiaivo no nandimby azy nanjaka tao Antsahadinta rehefa niamboho izy. Nanambady maro Andriamangarira fa Ratoeboahangy vady navelan' Andriamalama tao Isoanangano, izay maty tanora, sady vady loloha no niterahany 3 mianadahy: dia Ramakilahy sy Andriambolamena ary Rahanivofotsimanjaka.
Ny loharano nipoiran'Andriamangarira
[hanova | hanova ny fango]Ity fehezan-tantara ity dia mikasika ny zava-niseho nanomboka tamin'ny andro nanjakan' Andriamasinavalona (1675-1710) teto Ankibonimerina. Zanaka lahiaivon'ny mpanjaka Andriantsimitoviaminandriandehibe[1](1650-1670) izy, ary nanana anabavy maro sy rahalahy iray ray sy reny aminy. Ny anabavy iray atao hoe Ravololondrenitrimo tao Ambohimiakoja dia niteraka telo (3) mianadahy:
- Andriandambozozoro tao Malaza sy Ivatobe avaratra;
- Andrianjakatrimo tao Ivatobe atsimo;
- Razafindrahety tao Tangaina, samy amin'ny faritr'Ambodirano Imerinatsimo iny izany.
Araka ny tantara sy ny lovan-tsofina dia ity andriandahy atao hoe Andriandambozozoro, izay andriana nifehy an'Ivatobe, Androhibe, Ambohitrontsy, Malaza sy ny manodidina dia naka vady ny zanakavavin'Andriamasinavalona[2][3][4] izay napetrany ho andriantompombodivona, masoivoham-panjakana foibe tao Ambohimahamanina.
a) Rasohanamanjaka, zanakavavin'Andriamasinavalona, dia niteraka tamin'Andriandambozozoro an'i:
- Andriamangarira izay nanorina an'Antsahadinta ka nanjaka tao (1725-1775);
- Andriamalama tao Isoanangano;
- Ranosy (vavy) tao Androhibe;
- Rabiby tao Antalaho / Antanetibe;
- Andriamifonozozoro (Rafonozozoro, hoy i P. Callet) tao Ivatobe.
b) Rangorinimerina tao Ambohitrontsy
dia niteraka indray tamin'i Andriamifonozozoro an'i:
- Andriamohara, nanjaka tao Alasora;
- Rakotomavo na Andriambelomasina tao Ambohimanga (1730-1770);
- Andriantoarano tao Alasora;
- Ramisamanjaka nonina tao Anosiarivo;
- Andriampalimanana nonina tao Tsirangaina;
- Ary ny vavy Rahisatra sy Rahira tao Manandona, Randrianizara nanambady an' Andriamborosinandriana tao Ambohipoloalina ka niteraka an' Andrianarabo, Andriantsoanandriana, Andriankotonavalona.
Teraka tao Ambohitrontsy tany amin'ny manodidina ny taona 1695 tany ho any Andriamangarira. Araka ny lovan-tsofina dia nisy vehivavy mpampivelona sy renin-jaza mahay sy malaza tao Ambohitrontsy, ka izany no nahatonga ny nahaterahan'ny zanaky ny mpanjaka sy nifanan'ny vadin'ny mpanjaka teo.
Raha zohina ny tetiarana dia samy Andriamasinavalona Andriandambozozoro rain' Andriamangarira sy Rasohanamanjaka reniny. Koa amin'izany dia Andriamasinavalona hiringiriny Andriamangarira[5][6][7][8][9].
Nanorina sy nanjaka tao Antsahadinta tokony ho tamin'ny taona 1725 Andriamangarira, niamboho sy nafenina tao Antsahadinta tamin'ny taona 1775; heverina ho 80 taona ny andro niainany.
Nanambady maro Andriamangarira fa Ratoeboahangy vady navelan' Andriamalama tao Isoanangano, izay maty tanora, sady vady loloha no niterahany 3 mianadahy:
- Ramakilahy, lahimatoa nipetraka tao Ankadinanahary;
- Andriambolamena, lahiaivo, nandimby fanjakana an-drainy tao Antsahadinta;
- Rahanivofotsimanjaka izay nanambady an-dRabibilahy tao Ambohimahamanina.
Angamba mbola nisy koa zanak' Andriamangarira hafa reny any ho any saingy tsy voarain'ny tantara.
Andriamangarira no mpanjaka voalohany teo Antsahadinta, vodivona farany atsimo amin' Ivatobe, notapahan'ny hady ka lasa boribory; rakotry ny ala maitso izy satria tsy navelan' Andriamangarira ho tapahina na kapaina mihitsy ny hazo.
Hoy ny tonon-kira ilazan'ny Ntaolo io tanànan' Andriamangarira io:
"Mananjara samy vohitra Antsahadinta.
Ny ora-mirotsaka itoviana ihany, fa ny patrak’ ala vaventy tombondahiny ihany !"
Nataony roa ny vavahady miditra amin'ny tanànany: dia eo amin'ny alahamadin'ny vohitra sy eo amin'ny adijadin'ny tanàna. Eo amin'ny asorontanin'ny vohitra dia nasiany hady fetsy misy zohy mivoaka any ivelan'ny tanàna na dia mihidy aza ny vavahady. Fahiny, fony mbola niady an-trano dia kodiaram-bato avo rindrina no mivoha maraina mirindrina hariva teo amin'ny vohitr' Andriamangarira[10].
Ny nakan'Andrianampoinimerina an'Antsahadinta
[hanova | hanova ny fango]Rehefa niamboho Andriamangarira, dia Andriambolamena, zanany lahiaivo indray no nandimby azy nanjaka tao Antsahadinta. Andrianamboatsimarofy kosa no mpanjaka tao Antananarivo (1774-1796), nifehy an' Imerinatsimo, tamin'izany andro izany.
Efa andriana nanjaka nadritra ny 20 taona tao Antsahadinta i Andriambolamena vao resin' Andrianampoinimerina i Andrianamboatsimarofy ka nanomboka nanjaka tao Antananarivo (taona 1794). Andrianamboatsimarofy kosa namaha sy nanorim-panjakana tao Anosizato nataony hoe Isoananjakana. Niamboho tao Fenoarivo tamin'ny taona 1798 Andrianamboatsimarofy ary nodimbiasan'ny zanany Ramaromanompo.
Andriambolamena dia niandany mandrakariva tamin'i Andrianamboatsimarofy sy Ramaromanompo satria iray fileovana aminy ary iray fianakaviana satria Reniamboa, vavimatoan' Andriambolamena dia vadiben-dRamaromanompo ary anabavin-dRaboabe Andrianjakapingarivo. Ary izy dia nanao toeran-droa fonenany dia tao Antsahadinta nisy ny renibeny sy ny vadibeny sy Isoananjakana-Anosizato.
Misy lovan-tsofina[11] milaza fa noroahin' Andrianampoinimerina hiala an' Antsahadinta Andriambolamena satria hono maditra, manambaka sy mihinam-bahoaka ary manodikodina ny hasina satria tendan-kanina ka nosaziana izy sy ny taranany. Toa resaka fisoketana ihany izany novoizin' Avaradrano izany satria tsy nifankahazo loatra ny foko roa tonta.
Toy izao kosa ny tantara niseho araka ny fahitan'ilay vazaha atao hoe Lebel[12], mpividy andevo raha tonga taty Imerina izy tamin'ny taona 1803:
«...Nantsoina hifampiraharaha amin'i Ramaromanompo tao Anosizato aho mba hanao vanja. Natao ny fifanarahana teo anatrehan'ny havan'ny mpanjaka dia ny vadibeny Reniamboa, ny zaodahiny Andriantomponimerina (ndrl na Rabehety), mpanjakan' Ambohidratrimo, afaka nandositra fa tsy novonoina akory, ny anabaviny Ravao (na Ravaonimerina) vadin' Andriantomponimerina sy Razafinamboa...».
Volana vitsivitsy tato aoriana (aogositra 1803) maty Reniamboa, vadiben-dRamaromanompo; nisaona ny olona; nohararaotin' Andrianampoinimerina izany hanafihana an' Anosizato. Lasa nitsoaka nankeny Antsahadinta Ramaromanompo sy ny fianankaviany fa mafy fiarovana io vohitra io ("Forteresse" hoy i Lebel) sady misy ny havany marobe. Nataon' Andrianampoinimerina fahirano Antsahadinta ka 15 andro (tapa-bolana) vao afaka.
Mbola afaka nandositra indray Rabehety sy ny havany akaiky, lasa nankany andrefana any Imamo, fa azo sambo-belona tao kosa Ramaromanompo sy Ravaonimerina anabaviny, izay nalahelo ny vadiny lasa nandositra; dia nalain' Andrianampoinimerina ho vady indray i Ravao, napetrany tao Antananarivo. Andriambolamena sy ny taranak' Andriamangarira, Ramaromanompo sy ny havany rehetra dia noroahiny hiala sy tsy handia ny vohitra intsony. Nanomboka tamin'izay dia napetrany hitondra sy hiandry fanjakana tao Antsahadinta Rabodozafimanjaka, isan'ny vadiny roa ambin'ny folo, zanak' Andriantsira avy eny Alasora.
Ny taranak'Andriambolamena sy ny Zanamangarira
[hanova | hanova ny fango]Rehefa niala tao Antsahadinta Andriambolamena mianakavy dia tsy nandeha alavitra fa nanorim-ponenana teo atsimon'Antsahadinta izay nataony hoe Ambohitsoa; tao izy no niamboho sy nafenina. Mbola hita ao Ambohitsoa ny fasany. Na teo aza izany dia mazava tsara fa tsy lasa menakely miankina amin' Antsahadinta mihitsy ny Zanamangarira fa fokon'Andriana mahaleotena tany Ambodirano toy ireo Andriamasinavalona tsy manana menakely.
Maro ny zanak' Andriambolamena fa ny nandimby azy dia Ramboabe Andrianjakapingarivo zanany. Tsy nijanona tao Ambohitsoa izy fa nanorim-ponenana teo ambany andrefana natao hoe Ampahatelo. Taty aoriana dia niala tao Ampahatelo indray Ramboabe ka nianatsimo nankany Miantsoarivo ary nanorim-bohitra nataony hoe Itsarahavana.
Niteraka marobe tao Ampahatelo i Ramboabe ka ireo zanany nahazo tantara sy notolorana vohitra hipetrahana dia:
- Andriamontandraisoa: lahimatoa, tao Ampahatelo ihany, izay nanova ny anaram-bohitra hoe Miadanimerina; ny taranany dia nanorim-ponenana vaovao koa tao Ambatomahabodo. Izy no niteraka an'i Rainizakamanga, nipetraka tao Finaritra. Lefitry ny Printsy Ramananolona;
- Andriampakatro[13], napetrany tao Ankatsaka, nifindra monina tany Isoavina - Ambohimandroso izy taty aoriana ary any ny taranany.
Ireo vohitra ireo sy ny manodidona azy (vodivona, tanety, lohasaha, tanimbary) no fonenan'ny
tarana-dRamboabe Andrianjakapingarivo izay namorina ny faritra naka anarana hoe: Anjanamangarira aty Ankibonimerina.
Andriampakatro
[hanova | hanova ny fango]Andriampakatro dia zanaka faralahin-dRamboabe Andrianjakapingarivo, nonina tao amin'ilay toerana atao hoe Ankatsaka. Taty aoriana anefa dia nifindra monina tao atsinanan'Ankaratra izy, atsimon'Ambatolampy ka ny tanàna lehibe ankehitriny eo dia Ambohimandroso-Gara.
Io faritany nisy an' Andriampakatro sy ireo zanany io dia voafaritra tsara: ny reniranon' Ikelilalina no mamaritra azy avy ato andrefana ka mihaona amin'ny reniranon' Ihazolava avy ato avaratra; ny reniranon' Ionive kosa no eo antsinanana ary ny reniranon'i Maromoka no farany atsimo. Io faritra io no atao hoe: Anjanamangarira; ny renivohiny fahiny dia Isoavina. Tato aoriana Andriampakatro dia nifindra tao Ambatoharanana, vohitra avo misy fasana ilevenany, eo ambony andrefan'ny garan-damasinina ao Ambohimandroso.
Ambohimandroso-Gara
[hanova | hanova ny fango]Ambohimandroso dia tanàna vaovao vao niforona tamin'ny fotoana namakiana ny lalamby mampitohy an' Antananarivo sy Antsirabe tamin'ny taona 1920. Eo andrefan'ilay vohitra kely atao hoe Antamboho, fonenan'ny taranaka Zanamangarira iray no nanorenan'ny vazaha Fiantsonan-dalamby (Gara) satria nisy sampanan-dàlana lehibe tao avaratra keliny: avy any Antananarivo (avaratra), Antsirabe (atsimo), Ambatotsipihina-Ankaratra (andrefana), Vakinisisaony-Antsiriribe (antsinanana) ka nomena anarana hoe Ambohimandroso. Teo no fanondranana an-dalamby ny manjarano ("graphite") avy any Anjamanga sy ny manodidina ka alefa any Toamasina ahondrana ho any am-pitan-dranomasina; teo koa no fandefasana ny kitay hazo sy ny vokatrin'ny tany samihafa amidy ao Antananarivo. Toeram-pivezivezena sy fihaonan'ny mpandraharaha maro Ambohimandroso ka nandroso vetivety tokoa araka ny anarany.
Ny fizaran-tany nataon' Andrianampoinimerina
[hanova | hanova ny fango]Araka ny tantara voalazan'i P. Callet[14], dia toy izao no niseho:
Rehefa voavorin' Andrianampoinimerina Imerina 4-toko (Avaradrano, Vakinisisaony, Ambodirano, Marovatana) niampy an' Ivonizongo sy Imamo manontolo, dia niroso nianatsimo izy haka an'i Vakinankaratra. Ny olona nalainy hanampy azy tamin'ny hevitra sy ny tetika hanantateraka izany, ka nanao ny ainy tsy ho zavatra dia ireo Zanadrangorinimerina, izay tsy iza fa havany ihany, zanak'olona iray tampo aminy.
Ireto avy izy ireo:
- Andriantsoanandriana sy Andriankotonavalona, zanak' anabavin' Andriambelomasina ao Ambohipoloalina;
- Andriamparana, zanak'i Ramisamanjakarivo tao Anosiarivo;
- Andriantsalama; zanak' Andriantoarano tao Mandrosoa;
- Andriandambovololona, Andriamahery ary Andriatsimandehairery, zanak' Andriampalimanana ao Tsirangaina.
Rehefa azo i Vakinankaratra, vita i Fisakana sy Betsileo ka tafapetraka ny rafitra fitantanana ireo faritra ireo dia nitodi-doha niverina nianavaratra Andrianampoinimerina sy ny tafika nentiny. Niakatra teo an-tampon' Ambohipeno izy, nanopy maso ny manodidina ka talanjona nahita izato tany midadasika tsy taka-maso, nefa foana tsy misy olona, na miantsinanana hatrany amoron'ala, na mianatsimo hatrany Betsileo na miankandrefana hatrany ambodin'Ankaratra; dia nantsoiny ireo andriana mpitaritafika rehetra niaraka taminy ka hoy izy:
« Voriko ny tany sy ny fanjakana, ka izao no lazaiko aminareo:
- Indro ianao Andriamaheritsialaintany sy Andriankotofanina, indry Hiaramalaza dia anareo iny miantsinanana ka ataovy tafapaka any amin'ny Ontaiva; koa ampifanambadio ny ankizy, ampiadio tandroka ny omby, ampiharoy volo ny akoho...;
- Indro ianao Ratsimamangalahy sy Ramatoarasamoana: indro kosa Vakinilalantafika no miantsinanana, ataovy tafapaka any amin'ny Ontaiva; koa ampifanambadio ny ankizy, ampiadio tandroka ny omby, ampiharoy volo ny akoho...»;
- Ary hoy Andrianampoinimerina tamin'ireo Zanadrangorinimerina: « Kely foana no tsy nanam-boninahitra ialahy ! Fa izaho sy ianareo tsy iray ihany va ? Raha any Ambohimanga sy Antananarivo aho, manjaka; ary raha aty aho, isalahy aminareo ! Ka indro kosa ny anareo, fa voriko izaho sy ianareo ny fanjakana; hatreto Ihazolava no mianatsimo kosa, ka vakinilalantafika no miankandrefana, anareo Zanadrangorinimerina kosa izao, koa ampifanambadio ny ankizy, ampiadio tandroka ny omby, ampiharoy volo ny akoho...».
« Izao no didy omeko anareo, fa mandry ny fanjakana ary voriko ambanilanitra, ka izay olona miditra amin'ny taninareo voadidiko izao dia menakelinareo, fa ny tany no didiako ho anareo ! »
Ireo faritra rehetra nozarain' Andrianampoinimerina ireo, izay manelanelana an' Ankibonimerina sy Vakinankaratra dia mbola tany efitra tamin'izany fa vao ho voanjona olona avy aty Ankibonimerina sy Vakinankaratra. Vakinilalantafika no miankandrefana ka hatrany Ankaratra dia Menakely nofehezin'ny Zanadrangorinimerina[15]; nifankatia tokoa izy 7 lahy ka tsy nozarainy ny fanjakany na ny menakeliny. Ireo taranak'izy ireo dia nanorom-bohitra sy vodivona tany amin'iny faritra iny; tao Androndra atsinanan' Ionive dia nisy taranak' Andriatsimandehairery avy ao Tsirangaina; Andriamahandry zafikeliny no niorom-ponenana tao voalohany. Torak'izany koa ny tao Rangaina, Masoandro, Androndra (samy ao avaratr'Antanifotsy manamorona an' Ionive).
Ny faritra misy ny Zanamangarira atao hoe Anjanamangarira, noho izany, dia tafiditra ao anatin'ny zaratanin'ny Zanadrangorinimerina; anefa ny Zanamangarira dia tsy menakelin'izy ireo mihitsy.
Ka ahoana ny fanazavana izany ?
Andriampakatro sy ny Zanadrangorinimerina avy ao Tsirangaina
[hanova | hanova ny fango]Andriampakatro, araka ny tantara, dia isan'ny miaramila mpitari-tafika nandray anjara tamin'ny fakana an'i Vakinankaratra. Isan'ireo niara-dia tamin' Andriandambovololona sy Andriamahery ary Andriatsimandehairery avy ao Tsirangaina izy: nifankahalala izy ireo satria nifanila sy nifanakaiky fonenana taty Ankibonimerina (Tsirangaina sy Miadanimerina) ary mpihavana rahateo.
Rehefa nandeha hifindra monina amin'ny menakeliny vaovao tao atsimon'Ihazolava ry zareo sasany avy ao Tsirangaina, dia Andriampakatro no olona azony antoka ka nantsoiny hamaky lay izany faritra izany hanao famorian-ketra, toy ny isam-pangady, ny hajia, ny ila-vodihena; hiandry vavatany ka nipetraka teo amin'ny toerana farany avaratra indrindra amin'ny faritry ny menakely mba hanara-maso ny fidiran'ny olona honina ao; satria malalaka ny tany ary mahavokatra ka betsaka ireo avy aty Ambodirano sy Vakinisisaony no tonga nitady ravinahitra. Natao hoe Isoavina na Isoavinandriana io vohitra fiandrasana vavan-tany io tato aoriana.
Niditra ny hetra, voaara-maso ara-dalàna ny fahatongavan'ny olona hanorom-ponenana, ary nitombo fatratra ny isan'ny vahoaka menakely. Afa-po tamin'ny asa nataon' Andriampakatro ny fianakavian'i Tsirangaina. Ho fankasitrahana an' Andriampakatro tamin'ny asany dia nanome toky ry zareo Tsirangaina fa homena zara-tany honenany Andriampakatro, ho lovain-janaka aman-jafy.
Nihaona teo atsimon'ilay vohitra fonenany Andriampakatro sy ry zareo Tsirangaina niaraka namaritra ilay zaratany ho an'ny Zanamangarira. Tapaka tamin'izay fa ny renirano sy ony manodidina an'Isoavina no atao faritra mametra io zaratany io dia: Ionive no atsinanana, Imaromoka no ao atsimo, Ihazolava no ao avaratra, ary Ikelilalina no ao andrefana, izay no honenan' Andriampakatro sy ny taranany ka antsoina hoe Anjanamangarira faha-roa, io faritra io, ka izay rehetra monina ivelan'io faritra io dia lasa menakelin'i Tsirangaina. Vita mazava tsara ny famaritana ka natao hoe Itsarafaritra ilay toerana nihaonana sy nizarana ny tany. Io valisoa nomena an' Andriampakatro io dia tsy azo natao menakelin'i Tsirangaina fa nahaleotena satria Andriana Andriampakatro sy ny taranany ka natao nitovy fitondrana amin' Anjanamangarira taty Ankibonimerina ihany.
Tsy maintsy nampahafantarina ny Andriamanjaka tao Antananarivo anefa izany fifanarahana fanomezana izany satria nanova ny didin' Andrianampoinimerina tamin'izy nanao ny fizaran-tany.
Niakatra tao Anatirova-Antananarivo ary izy roalahy Andriampakatro, miaramila mpitari-tafika sy Andriamahandry, tompomenakely hilazalaza ny antony sy hangataka tso-drano amin-dRadama Rainy; faly tokoa ny Andriamanjaka ka nitso-drano nanao hoe:
« Havako ianareo, nahafoy ny ainareo hamoriako izao fanjakako izao araka ny finari-bavan' Andrianampoinimerina ka tsofiko rano izao fangatahanareo izao, hitombo ny taranakao Andriampakatro, hihamaro ny isanareo, ka izao tany ipetrahanareo izao tsy azonareo hampidirana ny hafa, ary na iza zanaka nampanambadiana any ivelany, na iza manana fanjakana any ivelany, tsy azo enti-mandeha ny tany ary tsy omena ny hafa fa izay mitoetra mamelomaso no tompony !
Ary levenam-bola omeko anao, na iza hanjaka handimby ahy, na iza havako hanapaka, tsy misy mahazo mampanompo anareo tahaka ny ataon'ny Folovohitra (Hova), fa tenako ianareo ary ny taranakareo dia taranako, ka tsy manompo tena ianareo ! Ho soavin' Andriamanitra sy ho tahin'ny Roambin'ny folo manjaka anie izao fonenanao sy ny taranakao izao ! »
Rehefa avy nisaotra nanao tratrantitra Andriana sy nanasina Andriana tamin'ny volatsivaky izy roalahy dia nitodi-doha niverina nody tamin-kafaliana sy haravoana. Ary tonga soa tany an-toerana dia novoriana ny vahoaka nilazana ny vaovao sy hafatra ary nanome anarana hoe Isoavinandriana ilay vohitra niandohana. Nitohy izany fifampitondrana izany nandritra ny fanjakan-dRanavalona I sy ireo mpanjaka nandimby azy ary tsy niova hatramin'ny faran'ny fanjakan'Andriana na hatramin'izao fotoana izao aza.[16]
Noho izany dia nodidin'i Radama I ho lasa vodivona « Anjanamangarira » ka i Andriampakatro, miaramila mpitari-tafika, no Andriana mpifehy izany « Lohombitany », valisoa azony izany.
Andriampakatro tao Isoavina, Anjanamangarira
[hanova | hanova ny fango]Raha tombanana fa tokony ho tany amin'ny fiantombohan'ny taonjato faha-19 tany ho any Andrianampoinimerina no nandeha nanafika tany Vakinankaratra sy Betsileo, dia azo heverina fa efa tovolahy afaka niady Andriampakatro; tokony ho teraka tamin'ny taona 1770 tany ho any izy.
Taoriana kelin'ny taona 1805, izay nanaovan' Andrianampoinimerina ny fizarana ny tany tao antsinanana sy atsimon'Ankaratra ho valisoa nomena ireo andriana nitari-tafika tany Vakinankaratra sy Betsileo, no nisy ilay fifanarahana nataon' Andriampakatro sy ry zareo Zanadrangorinimerina fa hiandry vavatanin'ny menakelin'i Tsirangaina tao Isoavina Andriampakatro.
Raha vao niamboho Andrianampoinimerina dia nikomy tsy nety nisaona azy ny Betsileo sasany toy tao Ambositra sy ny tany atsimon'i Matsiatra. Niverina nampanaiky ny Betsileo indray Radama I tamin'ny taona 1811, ka mbola niaraka nanafika taminy hatrany Andriampakatro; rehefa naharesy dia niverina ka nitondra babo betsaka avy any Betsileo. Ny ankamaroan'izy ireto dia natao ankizy mpanampy ka niara-nonina tamin'ny Zanamangarira tao Anjanamangarira ihany ary nomena tany ivelomany rehefa rava ny fanandevozana.
Nijanona niandry vavatany tao Isoavina izy ka natao Amboninjato Dimy Voninahita sy nomena ny faritra Anjanamangarira ho lovain'ny zanaka aman-jafiny. Ny zana-drahalahiny kosa Rainizakamanga, avy ao Finaritra, dia natao lefitry ny Printsy Ramananolona tany Faradofay tamin'ny taona 1825.
Tamin'ny taona 1831, efa nanjaka Ranavalona I, dia nisy andian-tafika lehibe nentin-dRainiharo sy Rainimanonja nampandry tany tany atsimo atsinanana, Vangaindrano sy Ikongo; mbola voasoratra ho isan'ny miaramila nanafika tany koa Andriampakatro nifehy miaramila 100 lahy, na dia somary efa lehibe taona aza.
Tato aoriana izy dia tsy nandeha miaramila intsony fa natao Loholona Borozano. Lasa nanorim-ponenana vaovao teo antampon-kavoana i Andriampakatro, nataony fitazanana ny faritra Anjanamangarira rehetra, izay vohitra nofeheziny; nataony hoe Ambatoharanana, ilay toerana.
Nodimandry tao Isoavina tany amin'ny manodidina ny taona 1840 tany ho any Andriampakatro, rehefa feno 70 taona; nentina nalevina tao Ankatsaka Miadanimerina - Ambodirano Imerinatsimo izy tamin'izay. Taty aoriana anefa, tokony ho tany amin'ny taona 1870, dia nalain'ireo zanany Andriampakatro ka nafindrany hanokatra fasana vaovao izay vao naorina teo Ambatoharanana (Ambohimandroso-Gara) ary ao izy no milevina hatram'izao.
Rainizakamanga
[hanova | hanova ny fango]Tamin'ny volana Desambra 1816 no tonga namangy an-dRadama I teto Antananarivo ny Kapiteny Anglisy atao hoe: Lesage, narahi-miaramila telopolo sy dokotera ary mpandika teny. Tamin'ny 5 Febroary 1817 vao nody ny vahiny. Ny roa lahy tamin'ny lefitry Lesage dia Brady sy Carren, dia nohazonin-dRadama hampianatra ny miaramilany araka ny fomban'ny miaramila vazaha. Samy nanana toerana fianarana matso Imerina enin-toko, ka Benasandratra atsimon'i Fenoarivo no fianaran' Ambodirano.
Ny nataon-dRadama mpifehy ambony indrindra tamin'ny miaramilan' Ambodirano, dia ny Printsy Ramananolona, zanak'olom-pirahavavy amin' Ilaidama. Ny mpifehy roa lahy manaraka azy dia Andriandahy avy amin'ny Zanamangarira avy ao Finaritra atao hoe: Rainizakamanga sy ny hovalahy Ramanasina avy ao Ambohiborona.
Fanafihana be voninahitra
[hanova | hanova ny fango]Tamin'ny taona 1825, dia nisy vahiny niorim-ponenana tao « Fort Dauphin ». Dia hoy Radama: « An' Andrianampoinimerina ny Nosy Madagasikara, fa ny ranomasina no valamparihiny. Izaho Ilaidama no fanovan'ny Ombalahibemaso, ka tompon'ny rean-tany aman-danitra ».
Namory miaramila ho any Fort Dauphin Ilaidama, ka ny lehiben' Ambodirano dia ny Printsy Ramananolona avy ao Ambohiborona.
Nampifaninanany ny miaramilan' Imerina enin-toko, koa Ambodirano no tafakatra voalohany tao Fort Dauphin. Nankasitraka fatratra ny Printsy Ramananolona sy ny Andriana Rainizakamanga ary ny hovalahy Ramanasina Ilaidalma. Tsy azo atao hoe Fort Dauphin ity tanàna ity hoy Ilaidama. Antomboka no farany avaratara amin'ny taniko ary ity farany atsimo ity dia atao hoe: Faradofay.
Apetrako eto Faradofay ireto mpiady mahery fo ireto dia ny Printsy Ramananolona, ny Andriana Rainizakamanga ary ny hovalahy Ramanasina. Nomen-dRadama sabatra tsara tarehy Rainizakamanga Zanamangarira avy eo Finaritra, noho izany fandresena be voninahitra tao Faradofay izany.
Ranavalona I sy ny Zanamangarira
[hanova | hanova ny fango]Voalaza tamin'ny boky Radama I sy Ranavalona I, boky nosoratan-dRabenjamina Androvakely eo amin'ny pejy faha-32 fa ny Printsy Rakotobe, zanak'anabavin' Ilaidama, no notendrena handimby azy, dia hampivadiana amin-dRaketadradama zanany vavy tokana.
Hafatr' Andrianampoinimerina koa izany. Voalazan'ny bokin'ny Andriana Rabary Pasteur amin'ny Tantaran'ny Martiora izany.
Imavo tonga Ranavalona I, anankiray tamin'ireo vadin' Ilaidama, dia nanao izay hahafoana izany didin' Ilaidama izany. Nahazo mpiandany aminy Imavo ka nibosesehany ny Rova nony niamboho Ilaidama. Nosatrohan'ireo mpiandany aminy satroka fito rantsana Imavo, dia nomeny anaram-baovao hoe: Ranavalona I.
Rehefa nitana ny tehim-panjakana Ranavalona I dia novonoina Rakotobe, Rabodosahondra renin'i Printsy Rakotobe, Printsy Ratefinanahary, rain'i Printsy Rakotobe, Rambolamasoandro vadin' Andrianampoinimerina, reniben'i Printsy Rakotobe, Ratafika anadahin-drenin'i Printsy Rakotobe, Printsy Ramanetaka, zanak'olom-pirahavavy amin' Ilaidama, nanirahan'i Ranavalona mpamono tany Mahajanga; anefa afa-nandositra tany Kômôro ka lasa mpanjaka tany. Nanirahany mpamono koa ny Printsy Ramananolona tao Faradofay, ka Rainizakamanga Zanamangarira sy Ramanasina no nasainy nanatanteraka izany.
Niraiki-po tamin'ny Printsy Ramananolona ny Andriana Rainizakamanga sy Ramanasina hovalahy; ka izao no nataony: Nanatona ny Printsy izy ka niloa-bava hoe: "Ratsy loatra ity trano ipetrahanao ity ny Andriana, ka aoka Rainizakamanga hitondra ny miaramila haka hazo any an'ala" hoy Ramanasina. Nanaiky Printsy Ramananolona: niditra maraina nitondra lefom-pohy tao an-tranon-dRamananolona, Ramanasina ka raha mbola nandry tao am-pandriana ny printsy dia nolefoniny ka maty. Faly Ranavalona I, ka nataony kômandy nisolo ny Printsy Ramananolona tao Faradofay Ramanasina. Rainizakamanga Zanamangarira izay tsy mba nahafaty ny Printsy Ramananolona, dia tonga lefitr' ilay mpandraraka rà marina.
Fandevenana manetriketrika
[hanova | hanova ny fango]Rehefa nodimandry tao anatirovan' Antananarivo Rainizakamanga, dia nentina teo Fenoarivo Benasandratra aloha, ka nandry indray alina teo, ary narahi-miaramila nanao rere. Niainga ho any Finaritra, anefa rehefa nandalo teo Androhibe, dia hoy ireo Andriamasinavalona taranak' Andriandambozozoro: « Angatahinay handry eto indray alina ny vatamangatsiakan'ny Andriana Rainizakamanga, fa Andriamasinavalona havanay », ka dia nijanona teo indray alina ny vatamangatsiaka ary nanaovana rere. Rehefa izay, dia nandroso ho any Finaritra, narahi-miaramila sy tafondro roa ambiny folo vava izay napoaka tao Finaritra nandritry ny herinandro. Ary ilay sabatra nomen' Ilaidama an-dRainizakamanga tamin'ny fandresena be voninahitra tany Faradofay dia niara-nasitrika taminy tao Finaritra koa.
Ny fomban'ny Zanamangarira
[hanova | hanova ny fango]Amin'ny maha Andriana firazanana ny Zanamangarira dia manana ny fombany manokana toy ny andriana rehetra teto Imerina izy ireo, toy izao izany:
1) Mifampiarahaba « Tsara và, tompoko » izy samy izy;
2) Tsy manao ny fanompoana fanaon'ny Hova, izany hoe:
- Tsy manao hazo lava (tsy maka hazo any an'ala hanaovana tranon'andriana),
- Tsy mibaby na milanja andriana,
- Tsy mitondra entan'andriana,
- Tsy miambina;
3) Tsy manao horom-potsy (izany hoe tsy mitaona tany mena hanotorana fasan'andriana);
4) Tsy hani-maty momba sy tsy hanim-bodihena;
5) Ary nandritry ny fotoana ela dia izy samy Zanamangarira ihany no nifanambady na ny avy ao avaratra (Ankibonimerina) na ny avy ao atsimo (Vakinankaratra), mba hiarovana ilay hoe « Lova tsy mifindra » teo amin'ny firazanana sy teo amin'ny fananana.
Ny toerana nielezan'ny Zanamangarira
[hanova | hanova ny fango]Ny vohitra lehibe nonenan'ny taranak' Andriambolamena, zanaka lahiaivon' Andriamangarira, tamin'ny voalohany dia Miadanimerina, Ambatomahabodo ary Finaritra izay samy misy vatomasina sy kianja avokoa. Nanomboka ho tery io faritra nonenana io rehefa nitombo isa ny taranaka; ny tany koa tsy dia nahavokatra firy ka nanjary sarotra ny fivelomana. Betsaka noho izany ireo taranaka no nifindra monina, lasa nitady toerana malalaka sy mahavokatra kokoa.
Ramboabe Andrianjakapingarivo no nifindra monina voalohany nandeha nianatsimo tao akaikin'i Miantsoarivo ary nanorina vohitra vaovao nataony hoe: « Itsarahavana ».
Nifindra monina koa tato aoriana Andriampakatro sy ny zananany, naka toerana tany amoron'ny reniranon' Ionive, any atsinanan'Ankaratra ka nahazo faritra iray vaovao mihitsy nonenan'ireo taranany izay nantsoina hoe: « Anjanamangarira »; ny vohitra voalohany nisy azy ireo dia Isoavina, Antetezambato, Itsarafaritra, Miadanimerina, Ambatoharanana, Ankotsaka, Antamika, ...
Nisy koa ireo lafin-kavan' Andriampakatro tonga nanorim-ponenana tao Anjanamangarira, toy ny tao Andohofarihy, Maromoka, ...
Antsirabe koa dia isan'ny vohitra nofidin'ny taranak' Andriamangarira honenana, ary nisy maromaro aza no lasa mihitsy hatrany Soanindrariny sy Sahanivotry. Tsy lazaina intsony ireo nifindra tao Antananarivo. Mbola betsaka koa anefa ireo taranaka no nijanona teo an-toerana ihany tao « Imerina », araka ny fomba fitenin'ny mpifindra monina, toy ny valala fiandry fasana nitandrina ny soatoavina sy ny nanabe voa ny tanindrazana.
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- http://aviavy.likesyou.org/
- http://www.royalark.net/
- https://www.youtube.com/Antsahadinta/
Loharano
[hanova | hanova ny fango]- ↑ François Callet (1908), Tantara ny andriana eto Madagasikara (histoire des rois)', Antananarivo: Imprimerie catholique.
- ↑ Georges Rabemanana (2000), Ny Andriamasinavalona ao Miadanimerina, Fanontana manokana - Antananarivo.
- ↑ Kaominina ambanivohitra Androhibe-Antsahadinta (2017), Plan Communal de Developpement (PCD) de la Commune Rurale d’Androhibe Antsahadinta 2017-2021 « La culture en tant que levier du développement », Ministeran'ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana - Repoblikan'i Madagasikara, Antananarivo.
- ↑ Rabarijaona (1938), Rakitry ny ela sy Généalogie mikasika ireo taranaka: Andriamasinavalona na: Andrianjakanavalondambo na: Razakalambonavalona mpanjakan'Imerina (1675-1710) sy Andriambahoakafovoanintany mpanjakan'Imamo, Lovan-tsofina voarakitra an-tsoratra noraisina avy amin'ny Mpitandrina fiangonana kristianina iray tao Ambodirano Imerinatsimo, Ambohimahamanina.
- ↑ Rabenjamina (1950), Tantaran’Andriana: Andriamangarira, Mpanjaka fahagola teo Antsahadinta sy ny Zanamangarira taranany, Imprimerie-Antananarivo 4 Bis, rue Gallieni.[1]
- ↑ Lucien Paul Raharison (2012), Héritage foncier, évolution du paysage agraire et de la paysannerie en Imerina (Hautes Terres Centrales de Madagascar) de la fin du XIXé siècle aux années 1990, Thèse de Doctorat, Departemanta Tantara - Oniversiten'Antananarivo / Oniversite Paris Diderot - Paris VII. (ISBN 9781698427225)
- ↑ Thomas Rakotoarivelo & Solonavalona Andriamihaja (2014), Andriamasinavalona, Mpanjaka tokana teto Imerina (1675-1710), Fanontana manokana - Ny fikambanana « Taranak'Andriamasinavalona », Antananarivo.
- ↑ Jean Désiré Ranaivoson (2020), Ny Andriamaneforalambo Zanadralambo enin-toko amin'avaradrano, Fanontana manokana - Antananarivo.[2]
- ↑ Isabelle Ratsira & Misa Rakotoariseheno (1993), Antsahadinta, Livret de présentation de l'histoire d'Antsahadinta par le Syndicat d'Initiative d'Antsahadinta, SME-BP 659- DL N°058, Antananarivo.
- ↑ Josélyne Ramamonjisoa (2003), Madagascar, des paysages proteiformes', Association Malgache des Montagnes Africaines (AMMA), Antananarivo.
- ↑ Ravelojaona (1937), Boky firaketana ny fiteny sy ny zavatra malagasy (Dictionnaire encyclopédique Malgache). Avoakan'ny Mpiadidy ny Fiainana ', Imprimerie industrielle - Antananarivo.
- ↑ Jean Claude Hebert (1804), Les tribulations de Lebel « Negociant - voyageur » sur les hauts-plateaux Malgaches (1800-1803) », In Omaly sy Anio (Hier et Aujourd’hui), Revue d’études historiques, Volume 10, Jolay - Desambra 1979, Oniversitean'i Madagasikara - Antananarivo.
- ↑ Thomas Rakotoarivelo (2016), Andriamangarira tao Antsahadinta sy ny Zanamangarira, Andriampakatro sy ny taranany, Fanontana manokana - Antananarivo.
- ↑ François Callet (1908), Tantaran'ny Andriana -Tome IV, Antananarivo: Imprimerie catholique.
- ↑ Foiben'ny Arsivam-pirenena - Seria D113 - 00012 (1898), « Rapport sur l'ethnologie de la région d'Ambatolampy », Cabinet civil, Repoblikan'i Madagasikara, Tsaralalàna - Antananarivo.
- ↑ Centre des Archives d’Outre Mer - Seria 2D5-2D6 (1895-1946), Rapport économique de la province de Tananarive, Repoblika Frantsay, Aix-En-Provence.