Epistilin' i Paoly
Epistilin' i Paoly na Epistola nosoratan' i Paoly na Taratasy nosoratan' i Paoly no ilazana ny epistily (na epistola) telo ambin' ny folo ao amin' ny Testamenta Vaovao, ao amin' ny Baibolykristiana, izay lazaina fa nosoratan' i Paoly. Misy amin' izy ireo ny nosoratana ho ana fiangonana. Misy kosa ny nosoratana ho an' olona manokana, dia ireo atao hoe Epistily pastôraly. Ny epistily kanônika tsy nosoratan' i Paoly dia atao hoe Epistily katôlika.
Tsy niandry ela ny nampidirana tao amin' ny kanônan' ny Soratra Masina ireo epistily ireo. Nanomboka tamin' ny faran' ny taonjato voalohany, ny ankamaroan' ny fiangonana kristiana dia nampiasa ireo lahatsoratra ireo tamin' ny litorjiany.
Filaharana kanônika
[hanova | hanova ny fango]Ao amin' ny Testamenta Vaovao dia voalahatra avy amin' ny lava indrindra ka hatramin' ny fohy indrindra ireo epistily ireo.
Ao amin' ny Baiboly prôtestanta malagasy
[hanova | hanova ny fango]Anarana amin' ny teny malagasy | Anarana amin' ny teny grika | Anarana amin'ny teny latina | Fanafohezana | ||
---|---|---|---|---|---|
Lava | Fohy | ||||
Epistily ho an' ny Romana | Προς ’Ρωμαίους | Epistula ad Romanos | Rom | Rm | |
Epistily voalohany ho an' ny Korintiana | Προς Κορινθίους Α' | Epistula I ad Corinthios | 1 Kor | 1 Ko | |
Epistily faharoa ho an' ny Korintiana | Προς Κορινθίους Β' | Epistula II ad Corinthios | 2 Kor | 2 Ko | |
Epistily ho an' ny Galatiana | Προς Γαλάτας | Epistula ad Galatas | Gal | Ga | |
Epistily ho an' ny Efesiana | Προς ’Εφεσίους | Epistula ad Ephesios | Efes | Ef | |
Epistily ho an' ny Filipiana | Προς Φιλιππησίους | Epistula ad Philippenses | Fil | Fil | |
Epistily ho an' ny Kolosiana | Προς Κολοσσαείς | Epistula ad Colossenses | Kol | Kol | |
Epistily voalohany ho an' ny Tesaloniana | Προς Θεσσαλονικείς Α' | Epistula I ad Thessalonicenses | 1 Tes | 1 Tes | |
Epistily faharoa ho an' ny Tesaloniana | Προς Θεσσαλονικείς Β' | Epistula II ad Thessalonicenses | 2 Tes | 2 Tes | |
Epistily voalohany ho an' ny Timoty | Προς Τιμόθεον Α' | Epistula I ad Timotheum | 1 Tim | 1 Tm | |
Epistily faharoa ho an' ny Timoty | Προς Τιμόθεον Β' | Epistula II ad Timotheum | 2 Tim | 2 Tm | |
Epistily ho an' ny Titosy | Προς Τίτον | Epistula ad Titum | Tit | Tt | |
Epistily ho an' ny Filemona | Προς Φιλήμονα | Epistula ad Philemonem | Filem | Fil |
Fanasokajiaka ny epistily nosotan' i Paoly
[hanova | hanova ny fango]Raha araka ny olona na ny vondron' olona nanoratana no heverina dia misy karazany roa ny epistily na taratasy nosoratan' i Paoly, dia ny epistily nosoratana ho ana fiangonana voatondro sy ny epistily nosoratana ho an' olona manokana.
Epistily nosoratana ho ana fiangonana voatondro
[hanova | hanova ny fango]Ireto avy ny epistily nosoratana ho ana fiangonana:
- ny Epistily ho an' ny Rômana,
- ny Epistily voalohany ho an' ny Kôrintiana,
- ny Epistily faharoa ho an' ny Kôrintiana,
- ny Epistily ho an' ny Galatiana,
- ny Epistily ho an' ny Efesiana,
- ny Epistily ho an' ny Filipiana,
- ny Epistily ho an' ny Kôlôsiana,
- ny Epistily voalohany ho an' ny Tesalôniana (na Tesalônisiana)
- ary ny Epistily faharoa ho an' ny Tesalôniana (na Tesalônisiana).
Manalasala ny mpikaroka maro ny maha an' i Paoly ny fanoratana ny Epistily ho an' ny Hebreo (na Hebrio).
Epistily nosoratana ho an' olona manokana
[hanova | hanova ny fango]Telo ny epistilin' i Paoly nosoratana ho an' olona manokana hikarakara sy hitarika ny fiangonana izay atao hoe Epistily pastôraly:
- ny Epistily voalohany ho an' i Timôty (na Timôte)
- sy ny Epistily faharoa ho an' i Timôty (na Timôte)
- ary ny Epistily ho an' i Titosy (na Tito).
Amin' ny mpandinika Baiboly sasany ny Epistily ho an' i Filemôna dia anisan' ny Epistily pastôraly fa amin' ny hafa kosa dia tsy izany.
Fanasokajiana araka ny lohahevitra
[hanova | hanova ny fango]Ny fanasokajiana atao eto dia mifototra amin' ny fotokevi-dehibe iompanan' ny taratasy na epistily tsirairay, ka efatra ny sokajy azo amin' izany nefa misy boky hita amin' ny sokajy ara-dohahevitra roa: ny epistily eskatôlôjika sy ny epistily ho an' ny fiainan' ny fiangonana ary ny epistily pastôraly,
Epistily eskatôlôjika
[hanova | hanova ny fango]Maneho ny fanantenana kristiana sy ny fiandrasana ny fiverenan' i Kristy izay nampiavaka ny Fiangonana kristiana voalohany ireo epistily ireo.
- Epistily voalohany ho an' ny Tesalôniana
- Epistily faharoa ho an' ny Tesalôniana
- Epistily voalohany ho an' ny Kôrintiana
Epistily ho an' ny fiainan' ny fiangonana
[hanova | hanova ny fango]Miresaka ny amin' ny famonjena sy ny fiainan' ny Fiangonana ireto taratasin' i Paoly ireto.
- Epistily ho an' ny Rômana
- Epistily voalohany ho an' ny Kôrintiana
- Epistily faharoa ho an' ny Kôrintiana
- Epistily ho an' ny Galatiana
- Epistily ho an' ny Filipiana
Epistily pastôraly
[hanova | hanova ny fango]Ny epistily pastôraly dia iresahan' i Paoly ny amin' ny fandaminana ny fiangonana. Izy ireo no atao hoe vavolombelon' ny fifandimbiasana apôstôlika izay nipoiran' ny fisian' ny eveka, izay heverin' ny fiangonana katôlika sy ôrtôdôksa ho mpandimby ny asan' ny apôstôly. Misy ny manohitra ny maha soratr' i Paoly ny epistily roa ho an' i Timôty.
Fanasokajiana ara-potoana
[hanova | hanova ny fango]Epistilin' ny fifatorana
[hanova | hanova ny fango]Ireo epistily ireo dia nosoratan' i Paoly tany am-pigadrana tao Kaisarea (na Kaisaria) sy tao Rôma. Maneho ny anjara asan' i Kristy amin' izao rehetra izao izy ireo. Misy ny olona izay mihevitra fa tsy i Paoly no nanoratra azy ireo fa mpianany nanohy ny teôlôjiany.
Ny epistilin' ny Paoly very
[hanova | hanova ny fango]Misy taratasy nosoratan' i Paoly izay tsy ananana intsony nefa voalaza ao amin' ny epistiliny ao amin' ny Baiboly. Very ny taratasy nosoratany voalohany ho an' ny Kristiana tao Kôrinto izay voalaza ao amin' ny Epistily voalohany ho an' ny Kôrintiana (1Kor. 5:9)[1]. Very koa ny taratasy fahatelo nosoratany ho an' ny Kristiana tao Kôrinto izay voaresaka ao amin' ny Epistily faharoa ho an' ny Kôrintiana (2Kor. 2:4)[2]. Toraka izany koa ny taratasy voalohany nosoratany ho an' ny Kristiana tany Efesôsy (na Efezy) izay ampahatsiahiviny ao amin' ny Epistily ho an' ny Efesiana (Ef. 3:3-4)[3]. Toy izany koa ny taratasy nosoratany ho an' ny Kristiana tany Laôdikea (na Laôdikia) izay resahiny ao amin' ny Epistily ho an' ny Kôlôsiana (Kôl. 4:16)[4].
Inty ny lisitr' ireo epistily very ireo:
- ny Epistily taloha ho an' ny Kôrintiana (izay tsahivina ao amin' ny 1Kôr. 5:9);
- ny Epistily fahatelo ho an' ny Kôrintiana atao hoe Epistilin-dranomaso (resahina ao amin' ny 2Kôr. 2:4 sy 2Kor. 7:8-9);
- ny Epistily taloha ho an' ny Efesiana (ampahatsiahivina ao amin' ny Efes. 3:3-4);
- ny Epistily ho an' ny Laodikeana (izay resahina ao amin' ny Kôl. 4:16);
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Epistily katôlika
- Filazantsara
- Testamenta Taloha
- Apôkalipsy
- Asan' ny Apôstôly
- Pseodepigrafa (Testamenta Vaovao)
Tsiahy:
[hanova | hanova ny fango]- ↑ "Nanoratra taminareo teo amin'ny epistily aho mba tsy hiharoharoanareo amin'izay mpijangajanga" (1Kor. 5.9)
- ↑ "Fa tamin'ny haben'ny fahoriana sy ny alahelon'ny foko no nanoratako taminareo tamin'ny ranomaso be, tsy ny hampalahelovana anareo, fa ny mba hahafantaranareo ny fitiavana izay itiavako anareo indrindra." (2Kor. 2.4)
- ↑ "(...) fa fanambarana no nampahafantarana ahy ny zava-niafina, araka ny voasoratro tamin'ny teny fohifohy teo. Ary araka izany, raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahafantarako ny zava-niafina ny amin'i Kristy." (Ef. 3.3-4).
- ↑ "Ary rehefa voavaky atỳ aminareo ity epistily ity, dia asaovy hovakina ao amin'ny fiangonan*'ny Laodikiana koa; ary vakionareo kosa ilay avy amin'ny Laodikiana." (Kol. 4.16).