Fiteny tatara krimeana
Ny fiteny tatara krimeana na fiteny krimeana dia fiteny torkika, ao amin' ny sampana kiptsaka ampiasain' ny Tatara Krimeana (na Tatara any Krimea), izay vahoaka niorim-ponenena tany amin' ny saikinosy Krimea any Okraina. Ity fiteny ity dia tenenina ao Krimea sy any amin' ny diapôra tatara (any Ozbekistàna, sy any Torkia, any Romania ary any Bolgaria) ary koa any amin' ireo vondrom-piarahamonina kely any Etazonia sy any Kanada. Atao hoe qırımtatar tili, къырымтатар тили na qırım tili, къырым тили io fiteny io amin' ny fiteny tatara krimeana.
Heverina ho fitenin' ny vitsy anisa ao Krimea (Okraina) sy ao Dobrogea (Romania) izy io, raha manodidina ny 2 tapitrisa ny mpiteny azy eran-tany, ka ny 90 000 amin' izany dia ao Torkia, any amin' ny faritanin' i Adana sy ny faritanin' i Eskişehir ary ny faritanin' i Ankara.*
Fiteny tsy tokony hafangaro aminy
[hanova | hanova ny fango]Tsy tokony afangaro amin' ny fiteny tatara izay tenenina any Tatarstàna sy any amin' ny faritra maromaro mifanila aminy ao Rosia ny fiteny tatara krimeana; mifandray ireo fiteny nefa ao amin' ny vondrona roa samy hafa amin' ny fiteny kiptsaka, nefa ny mpiteny azy ireo dia mbola tena afaka mifankahazo fiteny. Nisy fiantraikany betsaka aminy ireo fiteny ôgoza manakaiky azy.
Ny fiteny tatara krimeana koa dia tsy tokony hafangaro amin' ilay fiteny torkika hafa, izay nampiasain' ny Karaima nifarana tamin' ny 1941, dia ny fiteny karaima, ary koa ny fitenin' ny Jiosy Krimtsaka, dia ny fiteny krimtsaka, izay mizara ho vondrona roa, dia ny fiteny krimtsaka atsinanana, tonga tao Krimea avy any Bizantioma miteny grika tamin' ny ny taonjato faha-12 sy ny fiteny krimtsaka andrefana, izay akaiky azy, nefa misy teny avy amin' ny fiteny hebreo sy avy amin' ny fiteny arameana.
Isan' ny mpiteny tatara krimeana
[hanova | hanova ny fango]Amin' izao fotoana izao dia mihoatra ny 260 000 ny Tatara Krimeana monina ao Krimea. Manodidina ny 150 000 no monina any Azia Afovoany (indrindra ao Ozbekistàna), izay nanaovan' ny Firaisana Sôvietika sesitany ny razambeny tamin' ny taona 1944 nandritra ny Ady Lehibe II. Na izany aza, amin' ireo olona rehetra ireo, ny ankamaroan' ny taranaka taloha ihany no mbola miteny tatara krimeana.
Tamin' ny taona 2013 dia tombanana ho akaiky tsy hisy mpiteny intsony ilay fiteny, izay ampianarina any amin' ny sekoly miisa 15 eo ho eo monja ao Krimea. Nanome fanohanana an' i Okraina i Torkia amin' ny fampivoarana ny sekoly mampianatra ny fiteny tatara krimeana mba ho môderina. Tombanana ho 5 tapitrisa ny olona manam-piaviana krimeana monina any Torkia, taranak' ireo mpifindra monina tamin' ny taonjato faha-19 sy tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20. Tombanana ho 110 000 amin' ireo no mbola mampiasa ny fiteny tatara krimeana. Misy vondrom-piarahamonina tatara krimeana kely hita any Romania (22 000) sy any Bolgaria (1 400). Ny fiteny tatara krimeana dia iray amin' ireo fiteny tena tandindomin-doza any Eorôpa.
Saika ny Tatara Krimeana rehetra dia miteny amin' ny fiteny roa na mihoatra izany, mampiasa ho fiteniny voalohany ny fiteny manjaka ao amin' ny firenena onenany, toy ny fiteny rosiana, ny fiteny tiorka, ny fiteny romaniana, ny fiteny ozbeka, ny fiteny bolgariana na ny fiteny okrainiana.
Fanakilasina sy fitenim-paritra
[hanova | hanova ny fango]Ny fiteny tatara kimeana dia misy fitenim-paritra telo. Ny fiteny filamatra dia soratana amin' ny fitenim-paritra afovoany, izay anisan' ny sampana kiptsaka ao amin' ny fianakaviam-piteny torkika ary izy no fitenim-paritra be mpampiasa indrindra. Misy koa ny fitenim-paritra atsimo, fantatra koa amin' ny hoe ny fitenim-paritra amorontsiraka, izay ao amin' ny sampana ôgoza ampiasaina any Torkia sy any Azerbaijàna, ary ny fitenim-paritra avaratra, antsoina koa hoe fitenim-paritra nôgay, izay tenenina any Kazakstàna.
Ny fiteny tatara krimeana dia manana toerana tsy manam-paharoa eo amin' ny fiteny torkika, satria ny "fitenim-paritra" telo dia an' ny zana-bondrona telo samy hafa ao amin' ny fiteny torkika. Izany dia manasarotra ny fanasokajiana ny fiteny tatara krimeana amin' ny ankapobeny.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Vahoka torkika sasany: Azery - Baskira - Gagaoza - Iakoty - Kaskay - Kazàka - Kirgizy - Oigoro - Ozbeka - Tatara - Tiorka - Torkmena - Tovàna - Tsovasa
- Fiteny torkika sasany: fiteny afsara - fiteny argo - fiteny azery - fiteny baskira - fiteny gagaoza - fiteny iakoty - fiteny kaskay - fiteny kazàka - fiteny kiptsaka - fiteny kirgizy - fiteny ôgora - fiteny ôgoza - fiteny oigoro - fiteny ozbeka - fiteny tatara - fiteny tatara krimeana - fiteny tatara siberiana - fiteny tiorka - fiteny torkmena - fiteny tovàna - fiteny tsovasa