Aller au contenu

QIT Madagascar Minerals

Avy amin'i Wikipedia
Soratra famantarana ny Rio Tinto

Ny QIT Madagascar Minerals (QMM) dia orinasa kanadiana mpitrandraka harena an-kibon' ny tany ao Tôlagnaro (na Fort-Dauphin) ao amin' ny Faritra Anôsy any amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Madagasikara, izay mitrandraka ilmenita, dia ilay ataon' ny Malagasy hoe "fasi-mainty". Ny hoe QIT dia fanafohezana ny hoe "Quebec Iron and Titanium". Efa ho 20 taona taty aorian' ny nanaovana fanadihadiana sy fifampiraharahana ary fanaovana asa fanomanana ny QMM vao nanomboka namokatra ilmenita.

Tamin' ny taona 1986 no nahitana voalohany ilay toeram-pitrandrahana tany amin' ny faritra marefo sy manan-danja ara-tontolo iainana. Nahitana fanehoan-kevitra samihafa avy amin' ny mponina ao an-toerana ny fitrandrahana, ka nisy ny fihetsiketsehana tamin' ny taona 2013 sy 2022.

Tonga hatrany amin' ny farihin' i Besaroy eo akaiky eo ny loto avy amin' ilay toeram-pitrandrahana tamin' ny taona 2014 sy 2015, talohan' ny tsy nampiaiky ny tompon' ilay toeram-pitrandrahana fa tsy nisy fefiloha fisakanana ny taim-pitrandrahan ny tao amin' ilay toerana. Nampanantena ny hanatsara ny fiarovana ny tontolo iainana ao amin' ilay toeram-pitrandrahana ny Rio Tinto tamin' ny taona 2004, saingy tamin' ny taona 2016 vao tanteraka ny fampanantenany.

Ny QMM sy ny famokarana ataony

[hanova | hanova ny fango]

Toerana misy ilay orinasa

[hanova | hanova ny fango]

Ny toeram-pitrandrahana ao Mandena dia ahitana akora diôksidana titanina, ary fitrandrahana ilmenita, 5 km avaratra-atsinanan' i Tolagnaro[1][2]. Any amin' ny ala amoron-tsiraka no misy azy[3], akaikin' ny Valan-javaboarin' Andohahela[2] sy ny Faritra fitahirizan-javaboarin' i Mandena[4].

Ny akora trandrahina

[hanova | hanova ny fango]
Sarina ilmenita

Ny ilmenita dia karazana mineraly vokatry ny fitambaran' ny ôksida mineralin' ny vy sy titàna manana raikipohy simika FeTiO3 izay ahitana maneziôma sy manganezy ary vanadiôma kely dia kely. Tsy tantera-pahazavana sady miloko mainty, izay mety hiova mankany amin' ny volontany mena somary manjelatra toy ny metaly izy ary mety hiendrika kristaly. Mety mahatratra 25 sm3 ny halehibeny.

Tamin' ny voalohany, ny habetsahan' ny vokatra ilmenita novinavinaina ho azo dia 750 000 taonina isan-taona, amin' ny fivoaran' ny fitrandrahana aty aoriana dia hitombo any amin' ny 2 000 000 taonina isan-taona izany. An' ny QIT-Fer et Titane, orinasa kanadiana izay rantsan' ny orinasa goavana atao hoe Rio Tinto ny 80 % amin' ny vokatra; ny 20 % sisa no an' ny fanjakana malagasy.[5]

Mba hahazoany mampiasa sambo lehibe hanondranana ny ilmenita any ivelany dia namatsy vola ny fanjakana malagasy ny Rio Tinto tamin' ny fanamboarana ny seranan-tsambon' i Ehoala ao Tôlagnaro.

Famokarana angovo

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 2011, nanao sonia fifanarahana fividianana herinaratra niaraka tamin' ny mpamokatra herinaratra tsy miankina i Rio Tinto. Ny fotodrafitrasa dia hanambatra ny 8 MW amin' ny herin' ny masoandro, 12 MW amin' ny rivotra eny amoron-dranomasina ary ny rafitra fitahirizana angovo amin' ny bateria mba hanomezana herinaratra azo havaozina ny toeram-pitrandrahana ilmenita ao Fort Dauphin.

Nahita ilmenita teo amin' ny 70 taonina teo ho eo ao Rio Tinto tao amin' ilay nantsoin' ny gazetiboky Scientific American hoe "iray amin' ny tontolo iainana tandindomin-doza indrindra eto an-tany" tamin' ny taona 1986. Ny fandroqsoan' ilay toeram-pitrandrahana dia niteraka asa sy lalana ary nampitombo ny fandripahana ala[6].

Tamin' ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny fitahirizana ny zavaboary maneran-tany nokarakarain' ny International Union for Conservation of Nature tany Bangkok tamin' ny 2004, ny Rio Tinto dia nampanantena fa hanatsara ny ezaka ataony amin' ny fiarovana ny tontolo iainana, ary hanomboka ilay poaikady antsoina hoe net positive impact (na NPI, "fiatraikany tsara madiodio")[7], ka ny toeram-pitrandrahana ao Mandena no laharam-pahamehana voalohany ho an' ilay orinasa. Tamin' ny taona 2016, taorian' ny nanehoan' ny mpikambana ao amin' ny Biodiversity Committee (komity misahana ny zavaboary) ao amin' ilay orinasa fa misy ny elanelana eo amin' ny fampanantenana sy izay natao, dia tsy nitana intsony izany fampanantenana izany ny Rio Tinto, ka nanova paikady ho amin' ilay nofaritan' ny Scientific American hoe "miala amin' ny zavatra ratsy kokoa"[6]. Nametra-pialana ilay komity tamin' ny Ôktôbra 2016, namoaka taratasy misokatra manakiana ny Rio Tinto, izay milaza fa tsy hita mihitsy ny resaka momba ny tontolo iainana ao anatin' ny laharam-pahamehana dimy voalazan' ny Rio Tinto, sady maneho ny tsy fahampian' ny fahatokisana fa hisy ny famatsiam-bola sy ny fahafaha-manao maharitra atokana ho an' ny fandaharan' asa momba ny zavamananaina ao amin' ilay orinasa[8].

Tonga hatrany amin' ny farihin' i Besaroy eo akaiky eo ny loto avy amin' ilay toeram-pitrandrahana tamin' ny taona 2014 sy 2015, talohan' ny tsy nampiaiky ny tompon' ilay toeram-pitrandrahana fa tsy nisy fefiloha fisakanana ny faikam-pitrandrahan ny tao amin' ilay toerana. Nahitana fanehoan-kevitra samihafa avy amin' ny mponina ao an-toerana ny fitrandrahana, ka nisy ny fihetsiketsehana tamin' ny taona 2013 sy 2022.

Olana eo amin' ny mponina

[hanova | hanova ny fango]

Olan' ny fananan-tany

[hanova | hanova ny fango]

Maro ny olona ao Tolagnaro nitaraina fa nalaina hanatontosana ny asan' ny QMM ny taniny sady nampanantenaina fa hahazoany tambiny na onitra ara-bola izany nefa tsy nahafa-po ny tompon-tany na tsy azony mihitsy izany tambiny na onitra izany.

Fahalotoan' ny rano fisotro

[hanova | hanova ny fango]

Atahorana ny mety handotoan' ny QMM ny rano fisotro (izay sintonina avy amin' ny reniranon' Ambavarano) sy ny ranomasina ao Tolagnaro ary ny fiantraikan' izany amin' ny fahasalamam-bahoaka ao amin' io tanàna io. Ny QMM anefa mitsipaka ny fiampangana azy ho tompon' antoka amin' ny fandotoana ny rano[9].

Ny solombavambahoaka voafidy tao Toliara, Siteny Randrianasoloniaiko, dia nanainga ny fitondram-panjakana malagasy mba hidina any Tolagnaro hanao fanadihadiana momba io fitrandrahana io, fitrandrahana izay heverina fa miteraka fahasembanan' ny zaza sahala amin' ny vokatry ny baomba atômika[10].

Fahafatesana biby an-drenirano sy an-dranomasina

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny volana Desambra 2018, taorian' ny firotsahan' ny orana dia nikoriana nankany amn' ny tanaty farihy ka nitarika fahafatesana trondro maro. Tamin' ny volana Janoary 2019 dia nisy trondro maro maty tao amin' ny sisin-dranomasin' i Tolagnaro ka niteraka tsy fahalafosan' ny hazandrano teny an-tsena izany sady nisy fiantraikany amin' ny asa fiveloman' ny mpanjono. Ahiahina ho akora simika tsy voatandrina avy tao amin' ny QMM ka niparitaka tao an-dranomasina no niteraka izany.

Nitranga indray ny fahafatesana trondro an' arivony maro tamin' ny volana Marsa 2022 teo akaikin' ny toerana anaovan' ny Rio Tinto fitrandrahana[11][12]. Izany toe-javatra izany dia niteraka hetsi-panoherana avy amin' ny vahoaka, indrindra ireo izay mivelona amin' ny fanjonoana sy ny fikambanana amin' ny firaisa-monim-pirenena. Nanda ny fiampangana azy ny Rio Tinto[13][12]. Manoloana izany rehetra izany dia andrasana foana ny valin' ny fanadihadiana ampanaovin' ny fitondram-panjakana izay tsy matetika tsy mivoaka na manala ny maha tompon' andrakitra ny QMM[11]. Ny fitondram-panjakana malagasy, amin' ny alalan' ny Autorité nationale de l'eau et de l’assainissement (ANDEA), mihitsy no voalaza fa nanome alalana ny QMM hanary ny rano avy nampiasainy any amin' ireo renirano eo akaikiny.

Fifanolanana amin' ny mponina

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny Janoary 2013, ny hetsi-panoheran' ny fokonolona momba ny ilay fitrandrahana dia ravan' ny mpitandro filaminana malagasy izay nampiasa baomba mandatsa-dranomaso hanaparitahana ny vahoaka. Nihevitra ny Rio Tinto fa io hetsi-panoherana io dia avy amin' ny fitakiana onitra vola fanampin' ny teo aloha ataon' ny tompon' ny tany misy ny toeram-pitrandrahana. Nilaza ny mpikatroka ao an-toerana fa 90 % amin' ny mpiasan' ilay orinasa dia tsy mponina avy ao an-toerana. Izany fanambarana izany dia nolavin' ny Rio Tinto. Nametra-pialana tamin' io taona io ihany koa ny komity filan-kevitra mahaleotena tao amin' ilay orinasa.

Teo anelanelan' ny volana Desambra 2014 sy Janoary 2015 ilay orinasa dia tafiditra ao amin' ny faritra manelanelana ny toerana misy ny fitrandrahana sy ny farihin' i Besaroy ny asa ataon' ilay orinasa. Nilaza ny Office National pour l'Environnement (ONE) fa azo tsinontsinoavina ny fiatraikan' izany. Nitaraina ny fikambanana any ifotony noho ny tsy fahafahany mahitana ny tombana nataon' ny ONE ka nahafahany namoaka izany fehin-kevitra izany. Ny tranokalam-baovao Mongabay dia nanontany tena ny amin' ny fahafahan' ilay birao hifehy ny Rio Tinto.

Tamin' ny taona 2019, ny famakafakana nataon' ny Andrew Lees Trust dia nahita fa 0,049 mg/l ny fatran' ny oraniôma ao amin' ny renirano, ka 63 % ambony noho ny torolalan' ny Fikambanana Maneran-Tany momba ny Fahasalamana (frantsay: Organisation mondiale de la Santé - OMS, na World Health Organization - WHO) momba ny rano fisotro izany, raha 0,0256 mg/l kosa ny tahan' ny firaka, ka 256 % ambony noho ny soso-kevitry ny OMS ho an' ny rano fisotro izany. Tamin' io taona io ihany dia niaiky ny Rio Tinto fa tsy misy ny fefiloha fisakanana ny faikam-pitrandrahana eo an-toerana.

Tamin' ny taona 2021 dia nanao sonia fifanarahana hividianana herinaratra amin' ny mpamokatra herinaratra tsy miankina ny Rio Tinto. Ny fitaovana ampiasaina dia voalaza fa hanambatra ny 8 MW avy amin' ny masoandro sy 12 MW avy amin' ny rivotra an-dranomasina ary tambatra bateria fitahirizana angovo mba hanomezana angovo azo havaozina ho an' ny toeram-pitrandrahana.

Tamin' ny taona 2021, ny famakafakana nataon' ny mpikatroka dia nahatsikaritra fa ny toerana sasany eny ambanin' ny toeram-pitrandrahana dia misy oraniôma in-52 heny noho ny fenitry ny rano fisotro araka ny lazain' ny Fikambanana Maneran-Tany momba ny Fahasalamana, ary fandotoana amin' ny alalan' ny firaka in-42 heny noho ny fenitra.

Tamin' ny taona 2022 dia nijanona dimy andro ny fitrandrahana noho ny fihetsiketsehana. Nampifandraisin' ny mpanao fihetsiketsehana amin' ny fahafatesan' ny trondro ny fanariana rano avy ao amin' ny toeram-pitrandrahana, izany dia nolavin' ny Rio Tinto. Fefiloha fihazonaba faikam-pitrandrahana roa ao amin' ilay toeram-pitrandrahana no nanary rano iray tapitrisa metatra toratelo any amin' ny renirano ao an-toerana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. Reid, Helen (2019-12-20). "Water around Rio Tinto's Madagascar mine is high in lead, uranium - study". Reuters. Arsiva.
  2. 2,0 et 2,1 Frank Harris, (2019) "Transport and Export of Rare Earth Concentrates", Rio Tinto, Arsiva
  3. Orengo, Yvonne (3 April 2017). "Tall tales and tailings - the truth about Rio Tinto's rare earth mine in Madagascar". The Ecologist. Arsiva.
  4. Vyawahare, Malavika (2019-06-21). "The mine that promised to protect the environment: A cautionary tale". Mongabay.
  5. "Rio Tinto QMM Madagascar Titanium Dioxide Mining Project". QMM web site. Rio Tinto Group. Notsidihina tamin'ny 11 Marsa 2009.
  6. 6,0 et 6,1 Gerety, Rowan Moore. "The Ecologists and the Mine". Scientific American. Arsiva.
  7. Ny net positive impact na NPI dia toe-javatra izay ahitana fahatsaran' ny vokatry ny asan' ny olombelona ho an' ny karazana zavamananaina rehetra, izany hoe manamafy ny fahasambaran' ny zavaboary. Tratra izany rehefa mihoatra ny voka-dratsy eo amin' ny zavaboary ny voka-tsoa azon' ny zavaboary.
  8. Hatcher, Jessica (2013-02-08). "The White Stuff: Mining Giant Rio Tinto Unearths Unrest in Madagascar". Time. ISSN 0040-781X. Arsiva.
  9. "Madagascar : la QMM nie toute pollution et responsabilité dans la mort des poissons", la1ere.francetvinfo.fr
  10. "Madagascar: les enfants victimes des mines d'ilménite" in la1ere.francetvinfo.fr (14/08/2018). Notsidihina 25/01/2019.
  11. 11,0 et 11,1 "Environnement – Des poissons morts découverts autour du seuil déversoir de QMM à Tolagnaro, les activités de pêche autour du site et la vente de produits provenant du site interdites", 2424.mg
  12. 12,0 et 12,1 "Madagascar : La mort de poissons près d’une mine de Rio Tinto a fait ressurgir les doléances de la population", yonnelautre.fr
  13. Malavika Vyawahare, nadikan' i Sophie Fleurdepine, "La mort de poissons près d’une mine de Rio Tinto à Madagascar a fait ressurgir les doléances de la population", Mongabay.30 juin 2023.