Singaporo
Republic of Singapore ((en)) | ||||||
新加坡共和国 zh | ||||||
Ciŋkappūr Kudiyarasu ta | ||||||
Republik Singapura ms | ||||||
சிங்கப்பூர் குடியரசு ta | ||||||
Repoblikan’i Singaporo ((mg)) | ||||||
| ||||||
Teny filamatra : Majulah Singapura (Malay | ||||||
Teny ofisialy | Anglisy, Mandarina, malay ary tamil | |||||
Renivohitra | Singaporo 1°17′N 103°51′E / 1.283°N 103.850°E | |||||
tanàna ngeza indrindra | Singaporo | |||||
Fitondrana sy governemanta - Filoha - Praiminisitra |
Repoblika Tharman Shanmugaratnam Lee Hsien Loong | |||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 176 699 km² 1.4% | |||||
Isam-ponina - Tontaliny (2008) - hakitroka |
faha 115 4 608 167 mpo. 6751 mpo./km² {{{1}}} | |||||
Anaran'ny mponina | Singapaorianina | |||||
Sandam-bola | Dolaran'i Singaporo (SGD )
| |||||
Faritr'ora | UTC +8 | |||||
Hiram-pirenena | Majulah Singapura | |||||
Valan-tsehatra internet | ||||||
Antso an-tariby |
+65
|
I Singaporo, na Repoblikan' i Singaporo dia firenena ao Azia Atsimo-Atsinanana, 137 km any avaratry ny Fehibe. Ny velaran-taniny dia 699 km². Ny tanin' i Singaporo dia nosy miisa 64, ny reninosy dia ny nosy Singaporo (548,8 km²), nosy ngeza indrindra ary misy ny renivohi-pirenena. Tanàna-Firenena any amin' ny farany atsimon' ny Saikanosy Maley, izy dia voasaraky ny Lakandranon' i Johor. Ao amin’ ny tendrony atsimo-atsinanan’ ny Saikanosin' i Malacca no misy an’ i Singaporo. . Tsy dia avo ny vohon-tany any amin’ ny ankapobeny.
I Singaporo dia fantatra manerana ny tany ary matetika atao ohatra amin' ny fivoarana ara-toekareny. Taorian' ny fahaleovantena tamin' ny 1965, ny tanànan' i Singaporo, kely harena an-kibon' ny tany ampian' ny olana ara-tsôsialy sy ara-toekarena rehetra, dia lasa anisan' ny firenena matanjaka indrindra eto an-tany. Ilay tanàna, mizaka tena, dia tanàna sinoa eo anivon' ny Tontolo Maley: Sinoa avy any Sina ny ankabeazan' ny mponina ao, io no nampahaleotena azy tamin' ny 9 Aogositra 1965. Firenena be tanàn-dehibe mandroso i Singaporo, ary betsaka ireo trano mijoalajoala manaka-danitra.
Anisan’ ireo firenena manan-karena indrindra any Azia Atsimo-Atsinanana i Singaporo. Ny fahombiazana ara-toekaren’ ny tananan’ i Singaporo, amin’ ny ankapobeny, dia avy amin’ ny toerana ara-jeôgrafia misy azy, izay fihaonan’ ny Ranomasimbe Indiana sy ny Ranomasin' i Sina Atsimo. Izany no nahafahan’ i Singaporo nandroso amin’ ny maha toeram-pandalovan’ ny raharaham-barotra isan’ ireo lehibe indrindra azy. Isan’ ireo lehibe indrindra maneran-tany ny seranan-tsambon’ i Singaporo. Toerana anaovana fandraharahana ara-bola sy iroboroboan’ ny taozava-baventy ny tanànan’ i Singaporo.
Maro ny vahoaka mitambatra ho mponina any Singaporo, ka isan’ izany ny Sinoa, izay mahatratra 80 %, ny Maley ary ny Indiana. Ny ankamaroan’ ny mponina dia manaraka ny fivavahana bodista (indrindra ny Sinoa), ny silamo (fivavahan’ ny Maley), ny kristianisma (fivavahan’ ny Sinoa sy ny Indiana sasany) ary ny hindoisma (fivavahan’ ny Indiana sasany).
Zanatany britanika taloha i Singaporo nanomboka tamin’ ny taona 1819. Nahazo ny fahaleovan-tenany izy tamin’ ny taona 1965. Mpikambana ao amin’ ny Commonwealth ity firenena ity ankehitriny.
Tanàna
[hanova | hanova ny fango]Jeografia
[hanova | hanova ny fango]Pôlitika
[hanova | hanova ny fango]Toe-karena
[hanova | hanova ny fango]Finoana
[hanova | hanova ny fango]Lalàna
[hanova | hanova ny fango]Fahadiovana
[hanova | hanova ny fango]Kolontsaina
[hanova | hanova ny fango]Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Firenena ao Azia:
Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.
Kôntinenta eto an-tany
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]Boky na pejy mikasika azy
[hanova | hanova ny fango]- Diane K. Mauzy & R. S. Milne (2002). Singapore Politics: Under the People's Action Party. Routledge. ISBN 0-415-24653-9.
- "Census 2000". Singapore Department of Statistics. Archived from the original on 2004-02-15. Retrieved 11 January.
{{cite web}}
: Check date values in:|accessdate=
(help); Unknown parameter|accessyear=
ignored (|access-date=
suggested) (help) - "Key Facts & Figures". Ministry of Transport, Singapore. Retrieved 11 January.
{{cite web}}
: Check date values in:|accessdate=
(help); Unknown parameter|accessyear=
ignored (|access-date=
suggested) (help) - "Nation's History". Singapore Infomap. Archived from the original on 2006-04-27. Retrieved 11 January.
{{cite web}}
: Check date values in:|accessdate=
(help); Unknown parameter|accessyear=
ignored (|access-date=
suggested) (help) - This article incorporates public domain text from the websites of Singapore Department of Statistics, United States Department of State, the United States Library of Congress & CIA World Factbook (2004).
- ((en)) [http://www.gov.sg/ Sehatra ny governemanta singaporianina
- ((en)) [pdf] Tatitr'asan'ny Banque Mondiale