Volana
Ny Volana (marika: ) dia satelitan' ny Tany. Ny Volana no satelita voajanahary ngeza indrindra eo amin' ny lamin-drafitry ny Masoandro. Ny halaviran' ny tany amin' ny Volana dia mirefy 384 403 km (in-30n' ny savaivon' ny Tany).
Ny teny malagasy hoe volana dia avy amin' ny teny aostrônezianina (jereo ny teny malay hoe Bulan [bulan]).
Amin' izao fotoana izao, ny Volana ihany no satelita nandehanan' ny olona sy notsidihin' ny olona ary nodiavin' ny olona. Luna I, zanabolana rosiana, no zanabolana voalohany nihodinkodina manodindina ny Volana tamin' ny taona 1959, tamin' io taona io ihany koa dia nipetraka teo amin' ny Volana ny sambondanitra Luna 2, fa potika ilay saondy teo am-pidinana. Tamin' ny taona 1959 ihany nalain' i Luna 3 sary ny sarim-bolana tsy hita maso raha avy eto an-Tany.
Tamin' ny taona 1966, tena vitan' ny Rosiana ny nametraka ny Luna 9 teo ambon' ny Volana, ary mandeha manodidina ny Volana ny saondy Luna 10 taty aorinana.
I Etazonia ihany ankehitriny no nahavita nandefa olombelona teny amin' ny Volana, araka ny tanjon' ny tetikasa Apollo izay nanomboka tamin' ny taona 1969 ary tapitra tamin' ny taona 1972. Natsahatra tamin' ny taona 1972 ny prôgrama Apollo. Betsaka ny zavatra nentina avy eny amin' ny Volana ary betsaka ny zavatra navelan' ny olona teny: ny zavatra nentina avy any amin'ny Volana dia vato isankarazany, ary navela tany amin' ny Volana ny jeep sy saondy rehetra. Ankehitriny, ny Volana no satelita tena voadinika indrindra amin' ny lafin 'ny haikintana [1]
Endrika ara-pizika
[hanova | hanova ny fango]Ny halaviran' ny Volana amin' ny Tany dia 384 402 km. Ny savaivon' ny Volana dia 3 474 km, ny fisintonan' ny Tany amin' ny Volana dia 1,95×1020 Newton eo ho eo. Azo lazaina fa ny Tany sy ny Volana dia lahadroa ara-pajiry.
Soson-drivotra
[hanova | hanova ny fango]Kely dia kely ny soson-drivotra eo amin' ny volana.
Rafitra anaty
[hanova | hanova ny fango]Hafa ny endriky ny Volana amin' ny resaka jeôsimia, tsy mitovy amin' ny an' ny Tany ny hodiny, ny akanjony ary ny vihiny. Ny hoditry ny Volana dia feno ôksizenina, silisiôma, maneziôma, kalsiôma ary alominiôma (na viraty). Ny hatevin' ny hoditry ny Volana dia misy eo amin' ny 50 km eo.
Ny tavan' ny Volana
[hanova | hanova ny fango]Mihodina miaraka amin' ny Tany ny Volana, izany no tsy ahitatsika mihintsy ny tavany lavitra ny Volana.
Ny lafy hitantsika avy eto amin' ny Tany dia atao hoe lafy akaiky, na lafy hita, ary ny lafy tsy hita avy eto amin' ny Tany dia atao hoe lafy maizina, na lafy lavitra. Ny lafy lavitra dia tsy hoe tsy mazava mihintsy akory; amin' ny tsinam-bolana izao, mazava ny lafy lavitra (na lafy maizina) amin' ny Volana. Nalain' ny saondy Luna 3 sary ny lafy maizin' ny Volana tamin' ny taona 1959.
Lafy akaikin' ny Volana | Lafy lavitrin' ny Volana |
Misy fiovàna kely amin' ny fihodinan' ny Volana tsindraindray. Ny 59 % amin' ny velaran' ny Volana no hita avy eto amin' ny Tany
Vangio koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Kalandrie ny volana sy daty ny eklipsa
- ((es)) Fihetsika ny volana Archived Janoary 24, 2009 at the Wayback Machine * ny phase ankehitriny ny volana
- ((es)) http://intercosmos.iespana.es/reportajes/luna/luna_principal.htm Archived Aprily 21, 2006 at the Wayback Machine
- ((en)) sarim-bolana
- ((en)) Arsiva ny tetikasa apollo
- ((es))Tetikasa apollo Archived Jiona 2, 2009 at the Wayback Machine